Madagasikara Tanindrazanay
Hira Faneva MDRM: « Madagasikara Tanindrazanay »
29 Mars 1947 MADAGASIKARA, TANINDRAZANAY
Madagasikara, Tanindrazanay
Tany sarobidy masina sy soa
Lova soa nomen’ny Razanay taloha
Maty ho anao ny tena lazanay;
Mitsangana ry tanora
Mitsangana aza manana ahiahy
‘Zao no andro sady ora
Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy.
Mitsangana ry tanora
Mitsangana aza manana ahiahy
‘Zao no andro sady ora
Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy.
Isika rehetra izao, akanga miara-dia
Tsy azo kotabaina na ravana koa
Ka hitomban-dahy hiasa re satria
Io no loharano fototry ny soa.
Mitsangana ry tanora
Mitsangana aza manana ahiahy
‘Zao no andro sady ora
Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy.
Mitsangana ry tanora
Mitsangana aza manana ahiahy
‘Zao no andro sady ora
Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy.
Malagasy Ô Handeha hifankatia
Ho mpiralahy tena iray tam-po
Ny mifankahala ataovy sanatria
Tena iray tokoa, ny saina sy ny fo.
Mitsangana ry tanora
Mitsangana aza manana ahiahy
‘Zao no andro sady ora
Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy.
Mitsangana ry tanora
Mitsangana aza manana ahihahy
‘Zao no andro sady ora
Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy
A/C: J-W sy Jacques Emma Rahamefy
TANTARA: 29 Mars 1947
ZANAHARY Ô TAHIO NY TANINDRAZANAY
1 Zanahary ô, tahio ny Tanindrazanay
Handroso lalandava, handry fehizay:
Enga anie hanjaka ao ny saina sy fo mahay miray,
Dia ho tany sambatra ‘lay Madagasikaranay.
2 ‘Reo mpitondra anay arovy lalandava koa,
Tolory saina hendry, kinga sy mahay;
Ka ny marina anie no mba hanjaka ao tokoa,
Dia ho tany sambatra ‘lay Madagasikaranay.
3 Ny taranakay tahio, ho vanona tokoa,
Ireo no solofo, dimby rahatrizay,
Mba ho tena mahatoky, feno fahendrena koa,
Dia ho tany sambatra ‘lay Madagasikaranay.
A/C: Gilles Ramiarison