Manjakamiadana

Incendie du ROVA « Palais de la Reine » – Devoir de mémoire

Publié le Mis à jour le


Fitadidiana ny Rovan’Antananarivo may nisy nandoro tamin’ny harivan’ny 06 Novembre 1995, sy ny fomba fanarenana azy. Nisy fandaharana famakafakana nataon’ireo Mpikambana ambony ao amin’ny Akademia Malagasy sy ny Fikambanana Harena (Madagascar sy France) ary ny « Amis du Patrimoine »  tamin’ny 01 Juin 2020 –    • rova  

Ny Rovan’Antananarivo, tsy very anarana am-pon’ny mahalala

Publié le Mis à jour le

Rovan’Antananarivo, Rovan’Ambohimanga, Rovan’Ilafy, Rovan’Antsahadinta, Rovan’Ambohidratrimo : tamin’ny Tendrombohitra Roambinifolo teto Imerina, dia izy dimy ireo sisa no nisy ho tsidihina, mialoha ny nahamay (indray) ny Rovan’Ambohidratrimo. Rehefa voafindra any amin’ny Rovan’Ambohimanga ny lapa nantsoina hoe «Felatanambola» dia nampanorenan-dRanavalona I ny lapa Manjakamiadana ny toerana. Tamin’ny taona 1839 izany.

Jean Laborde no tompo-marika : trano hazo isan’ny avo indrindra maneran-tany tamin’ny fotoan’androny, satria 42 metatra ny vovonana, 18 metatra ny sakany, 29 metatra ny lavany. Roa taona, 1839-1841, no nahavitan’i Manjakamiadana-hazo. Nanomboka tamin’ny 1869 kosa ny fandrakofana vato, ka James Cameron no tompo-marika. Mbola tsy vita ny Manjakamiadana-vato raha nodimandry i James Cameron tamin’ny oktobra 1875. Rehefa vita manontolo ny Lapa, ankevitry ny taona 1880, dia io Manjakamiadana miezinezina, indraindray maha very anarana ny Rovan’Antananarivo io. Diso anefa ilay fiteny hoe «Rovan’i Manjakamiadana», satria ny Rova dia ny tokotany voafefy misy kianja sy Lapa manotrona ny fasan’Andriana.

Lire la suite »

Vakoka sy Tantara: ny faha-30 Septambra sy ny Rovan’Antananarivo [VANF]

Publié le Mis à jour le

Hatramin’ny Fanjanahantany no nankaty dia samy sondriana tamin’ny zava-nanahirana azy ny olona tsirairay avy, koa dia tsy nahatadidy loatra  intsony ny zava-nanjo an’ity  toerana sy Vakoka sarobidy eo amin’ny Tantaran’ny Firenena malagasy ity. Koa dia mampahatsiaro izany fohifohy eto Atoa Nasolo Valiavo Andriamihaja, fantatry ny mpanara-baovao amin’ny fiantsoana azy mahazatra hoe VANF noho ny faha-127 taonan’ny nandresen’ireo mpanani-bohitra avy any ivelany antsika.

Mitondra ny fomba fijeriny koa ny mpampianatra-mpikaroka Tantara eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo,  Lahiniriko Alexandre Denis

Iza(h)o no misy: « Teny amin’ny Rovan’Antananarivo aho »

Publié le Mis à jour le

Nasolo Valiavo Andriamihaja – VANF (FB)

Rovan’Antananarivo, Rovan’Ambohimanga, Rovan’Ilafy, Rovan’Antsahadinta, Rovan’ Ambohidratrimo : tamin’ny Tendrombohitra Roambinifolo teto Imerina, dia izy dimy ireo sisa no nisy ho jerena, sy nahavantana ho tsidihina, mialoha ny nahamay (indray) ny Rovan’Ambohidratrimo farany teo.

«Eny amin’ny Rova» hoy isika mponin’Antananarivo rehefa hanondro ny faritra ambony misy azy, indrindra rahateo ny lapan’i Manjakamiadana taza-maso manodidina ary lavitra. Ilay fiteny hoe «Rovan’i Manjakamiadana», izay zary nahazatra loatra ny maro, dia fitenenana diso: ny Rova mantsy dia Lapa maromaro na vitsivitsy mano­trona ny fasan’Andriana.

Ny Rovan’Antananarivo nahazatra, talohan’ny nahamay azy ny 6 novambra 1995, dia nahitana ny Lapa isany: Besakana, Mahitsielafanjaka, Tranovola, Manjakamiadana, Manampisoa, ny Fiangonana tranovato, ary indrindra ry Fitomiandalana sy ny Fasan’ny Lahy ary ny Fasan’ny Vavy.

Mpanjaka merina hatramin’ny andron’Andrianjaka, izay eken’ny lovantsofina fa naha Antananarivo an’Antananarivo tamin’ny 1610, no nafenina amin’ireo Fasana voatanisa ireo.

Roanjato taona taty aorian’Andrianjaka, rehefa vita ny fifanarahana iraisam-pirenena voalohany, tamin’ny 23 oktobra 1817, no nisalotra ny anaram-boninahitra hoe «Mpanjakan’i Madagasikara» Radama, zanak’Andria­nampoinimerina.

Andriamasinavalona (taonjato faha-17) sy Andrianampoinimerina (1792-1810), samy tsy mpanjakan’i Madagasikara fa nahavory kosa an’Imerina. Rehefa niamboho Andriamasinavalona dia nafenina tao amin’ny Fitomiandalan’ny Rovan’Antananarivo. Andrianampoinimerina kosa dia nafenina teny amin’ny Rovan’Ambohimanga, satria teny rahateo no nanandratra azy voalohany fony mbola Ramboasalama.

Radama (1810-1828), Ranavalona (1828-1861), Radama II (1861-1863), Rasoherina (1863-1868), Ranavalona II (1868-1883), Ranavalona III (1883-1897): ireo no Mpanjaka nampilomano an’i Madagasikara tamin’ny sehatra iraisam-pirenena. Neken’ny firenena tandrefana (United Kingdom, United States, Deutschland, Italia, France) ho «Mpanjakan’i Madagasikara» izy ireo na dia tsy tomombana tanteraka aza ny famorian-tany hoe «Ranomasina no valam-paria». Hatramin’ny mason’andro anio tokoa mantsy, dia izao isika miresaka izao, mbola misy foko manao indro kely amin’ny naha Mpanjakan’i Madagasikara tokoa, na tsia, ireo Mpanjaka Merina ireo. Anontanio anie ny Sakalavan’i Menabe, anontanio ny any Ankarana…

Raha ny Rovan’Antananarivo manokana, ankoatra ireo Mpanjaka dia misy ihany koa ny fianakaviany akaiky nomena voninahitra afenina tao amin’ny Fitomiandalana. Fasana ny Rova, Fasam-pianakaviana, ary Fasampianakaviana merina raha mbola eto Imerina Enin-Toko.

Anontanio anie ny Betsileo, anontanio ny Sihanaka, anontanio ny Antemoro, sy ny havana hafa, fa fantany, ary ekeny, fa fasam-pianakaviana merina ireo Rova voatanisa tery am-piandohana: Rovan’Antsahadinta, Rovan’Ambohidratrimo, Rovan’Ilafy, Rovan’Ambohimanga, Rovan’Antananarivo.

(source: l’Express de Madagascar, 7-11-20)

—> Tohiny

Fitokanana ny « Rovan’i Madagasikara »

Publié le Mis à jour le

6 Novambra 2020: Lanonana ofisialy nitokanana ny Lapan’ny « Besakana » sy « Manjakamiadana » nohavaozina ao Anatirova izay nomen’ny Filoha Andry Rajoelina anarana vaovao hoe: « Rovan’i Madagasikara ».


Patrimoine: « Rovan’i Madagasikara, socle de l’unité nationale »

Le président Rajoelina a rebaptisé le Rovan’Antananarivo. Désormais Rovan’i Madagasikara, le monument nouvellement restauré est le symbole de souveraineté, érigé en socle de l’unité nationale.

Mme Fenosoa Harivola Ralandison, représentant la famille royale, remercie le couple présidentiel lors de la cérémonie.

« Le Rova est le liant qui unira, qui unit tous les Malgaches », déclare le chef de l’État. L’unité nationale a été l’un des points sur lesquels Andry Rajoelina a insisté dans son discours d’inauguration du Rova nouvellement restauré, hier. Discours prononcé devant le palais de Besakana, l’un des deux principaux palais au sein du « Rovan’i Madagasikara ». Besakana, le palais du roi Andrianampoini­merina, au sein duquel ses successeurs recevaient l’onction les légitimant comme monarques.

(… lire l’intégralité)


Fihilanan’ny Ampanjaka Zafisoro (namoy ny ainy) tao amin’ny Rovan’i Madagasikara

Niamboho tao Anatirova tamin’ny andro nitokanana an’ito farany ny 6 Novambra 2020 ny Ampanjaka zafisoro Zafimbelo Sylvestre, mpikambana ao amin’ny CRN (Comité pour la Réconciliation Nationale) izay natsangan’ny Filoha teo aloha Zafy Albert. Nasain’ny fandaharana hitondra fanazavana misimisy momba an’io Atoa Tabera Christian zanaky Tabera Randriamanantsoa, izay nanatrika ny lanonana..

Na dia mety ho fifandrifian-javatra mpahazo ny fiainan’ny zanak’olombelona ihany aza ny tranga toy izao, dia mety mahalasa fisainana ny maro ihany noho ny finoana raiki-tapisaka mahazatra an-dRamalagasy, indrindra manoloana ny fisian’ny tsikera marobe sy fampitandremana natao mikasika ny « Colisée – Kianja Masoandro » ao an-dRova, avy amin’ny sokajin’olona sy fikambanana tsy tambo isaina.

Mejamirado Razafimiary: manazava ny momba ny Rova sy Manjakamiadana

Publié le Mis à jour le

TANTARA  sy VAKOKA: Andriamatoa Mejamirado Razafimiary dia Minisitra teo aloha [Ministre de l’Industrialisation, du commerce et du développement du secteur privé], ary Filohan’ny « Comité National du Patrimoine », mahalala amin’ny antsipiriany izay rehetra mikasika ny Fanarenana ny Rova.


Rovan’Antananarivo, mitsidika ny ao anatiny, fony mbola tsy may [06 Nov’95]

Publié le Mis à jour le

 

 

Fony mbola tsy may ny Rova, hany* sary tahiry tsy may, ahitana sombin-tsoratanan-dRadama I –– sorabe –– firavaky ny mpanjaka vitsivitsy, kojakoja fanomezan’ny mpanjakan’i Angletera Victoria, Fanorona, Fanoron-jaka, gazety milaza vaovao voalohany nivoaka teto Madagasikara mitondra ny anarana hoe « Ny Gazety Malagasy » (1883), Tranovola, Manampisoa, ny ao anatiny, ny eny ivelany, mbola tsy may, mahafinaritra fatratra etsetra etsetra
Soa fa misy an’itony, na dia bitika aza, lehibe loatra. hany sisa tavela, apetrako eto ho hitan’ny rehetra, satria antsika rehetra…
FANAVAOZANA: ilay horonan-tsary dia nalain’i Rolls Pascal Rafamantanantsoa, misimisia**