Rova
Tantara sy Kolontsaina: « Ambaniandro tsy mila kisa fa sarotiny ! »
Tsy toeratoeram-poana io Rovan’Antananarivo io. Moa tsy izany indrindra no mahataitaitra izay Filohan’ny Repoblika nifandimby mba mikisikisina aminy, na dia dradraina aza fa efa «Fanjakana repoblikana» (!) izao ? Ka rehefa tsy toeratoeram-poana, aoka hajaina ny fomba nitondran’ny Razana azy fa tsy hamoromporona zavatra manafintohina sady mampandainga ny Tantara. Ny Rova, averina ihany, tsy trano sy lapa fotsiny, fa fasana indrindra koa. Misy razan’ny Andriamanjaka nafenina (fa izany no fombam-pitenenana amin’ny Andriamanjaka) ao, ary mbola misy taranaka velona ankehitriny.
Tsy azo tsotsorina fotsiny hoe «Mozea» io sisa fa tsy Rovan’ny Andriana intsony. Gallieni no nanafoana ny Fanjakan’Andriana ary nandefa an-tsesi-tany ny Mpanjaka Ranavalona III, ny alin’ny 28 febroary 1897. Saingy, fantatr’ i Gallieni tsara fa tsy inona izay taratasy miohatra amin’ny Tantara an-jaton-taona maro tsy ho voafafa am-po sy an-tsaina anaty indray mi-pimaso. Izany no nanafongarany ireo Razana rehetra tao amin’ny Fitomiandalan’ Antananarivo (Andrianjaka sy Andriamasinavalona no fantatra indrindra), ny tany Ambohimanga (Andrianampoinimerina sy Ranavalona I ary Ranavalona II no fantatra indrindra), ary ny tao Ilafy (Radama II), ka io nakisany nianavaratra io ny Fitomiandalana tamin’ny 14 marsa 1897. Na nafindra aza anefa ny Masina (fa izany no fomban-tany fiantsoana azy), na nodorana aza ny Rova, misy vovok’Andriamasinavalona sy ny taranany ao Anatirovan’Antananarivo. Tamin’ny 31 oktobra 1938, rehefa nampodiana an-Tanindrazana ny taolambalon-dRanavalona III izay niamboho tany Alger ny taona 1917, dia nakarina ihany koa tao Anatirova. Ny gazety tamin’izany andro izany dia samy nampisongadina fa tomefy olona ny lagara Soarano sy ny lalana nolalovan’ny Razana hatrany Anatirova. Vahoaka tonga nanome haja farany ny Mpanjakany, nahatsiaro sady nanembona ny Tantara, na nisy Gallieni na tsy nisy Gallieni, na Repoblika na tsy Repoblika.
Hery Rason: asa fanamboarana 2022 eny amin’ny Rova
MPANDRINDRA NY AAM RASON Herijaoson – « TSY TOMPON’ANTOKA AMIN’NY ZAVATRA METY HITRANGA AO AMIN’NY ROVA IZAHAY. »
Ny tenako dia nantsoin’ny Tale jeneralin’ny ministeran’ny kolotsaina sy ny serasera, fanazavana izay zavatra efa tapaky ny fitondrana sy ny ministera no natao taminay.
Sarotra aminay ny hanome izany tsodrano nangatahin’izy ireo izany, amin’ny fomba ahoana no hanomezana tsodrano zavatra tsy fantatrao akory ny votoantony no tsy nisy akory fifampidinihana eny fa na dia fanazavana aza tsy nisy.
Na ny fomba natao teny amin’ny rova aza hoy izy dia tsy nisy olona fantatray akory ireo nanatrika teny, tsara noho izany ny manintsy fa tsy nisy na iray aza tato amin’ny Antenimieran’ny Andriana Merina izay tarihin’i Profesora Ranjeva ny fanatrehana nisy teny.
Ka noho izany disoinay ny filazana fa nanome tsodrano izahay ary ampahafantarinay ihany koa fa tsy tompon’antoka amin’izay zavatra mety hitranga ao anaty rova hatrany am-piandohana ka hatramin’izao ny eto anivon’ny Antenimieran’ny Andriana Merina na ny AAM.
Mada 100.8 FM
Manjakamiadana, Colisée, Rova, Vakoka, Lova: famakafakana
Inona ny famaritana? Misy fanotàna fady ve?
Vahinin’ny Fandaharana manokan’ny Fahitalavitra ny Alatsinainy 1 Jona 2020 Atoa isany Raymond Ranjeva, Jeneraly Désiré Ramakavelo sy Hery Rason.
Tokony ho ny Alahady ity fandaharana ity no nandeha fa nahemotra ho fanajana ny Fanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina ho an’ny Vahoaka malagasy.
Gilbert Raharizatovo, Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsainan’ny Tetezamita: « Fanotana Fady sy Fahadisoana ! »
Mejamirado Razafimiary: manazava ny momba ny Rova sy Manjakamiadana
TANTARA sy VAKOKA: Andriamatoa Mejamirado Razafimiary dia Minisitra teo aloha [Ministre de l’Industrialisation, du commerce et du développement du secteur privé], ary Filohan’ny « Comité National du Patrimoine », mahalala amin’ny antsipiriany izay rehetra mikasika ny Fanarenana ny Rova.