Rova Manjakamiadana
Fitantanana ny Sadc : Hanampy ny filoha Rajoelina ireo andriamanjaka

Niarahaba ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fandraisany ny fitantanana ny Sadc ny fivondronamben’ny andriamanjaka. Vonona ny hitondra ny anjara birikiny izy ireo amin’izany.
Ho eo hatrany hanohana sy hanampy. “Vonona izahay fivondronamben’ny andriamanjaka, Communauté Royale de Madagascar, hitondra ny anjara biriky, hanampy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, amin’ny andraikitra goavana sahaniny eo anivon’ny Sadc”, hoy ny filoha mpitarika ny fikambanana, ny Printsy Ralandison Fenosoa. Nivoitra izany tamin’ny fivoriambe notanterahin’izy ireo teny amin’ny Rova Manjakamiadana, ny alahady lasa teo. Fotoana koa io niarahaban’izy ireo ny filohan’ny Repoblika amin’izao fitantanany ity vondrom-paritra ara-toekarena ity izao. Haharitra herintaona izany. Nanteriny fa zava-dehibe eo amin’ny firenena izany ka tsy hitazam-potsiny ny fikambanana. “Hitondra ny mety ho vitanay izahay amin’izany”, hoy ihany izy. Lire la suite »
Rovan’i Madagasikara Manjakamiadana : Manomboka ny 23 marsa ny Taombaovao Malagasy Fidiovana 2025

Mikarakara fankalazana ny Taombaovao Malagasy ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ity 2025 ity. Eny amin’ny Rovan’i Madagasikara Manjakamiadana no hanatanterahana ny hetsika rehetra amin’izany.
Eny amin’ny Rovan’i Madagasikara Manjakamiadana, vohitra voalohany eto amin’ny Fanjakan’Imerina, no nosafidian’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hankalazana ny « Taombaovao Malagasy Fidiovana 2025 ».
Hetsika maro hanandratana ireo kolontsaina maha-Malagasy
Samy manana ny fandaharam-potoany ny isam-bohitra Masina tsirairay amin’ny Taombaovao Malagasy Fidiovana 2025. Efa nandefa fampilazana mialoha ohatra ny eny Ambohidrabiby fa hanao fankalazana makotroka. Misy fankalazana ihany koa ny eny Ambohimanga sy Anosimanjaka, izay marihana manokana fa fanamarihana ny Taombaovao Alahamadibe (fankalazana ara-pomban-drazana). Ho an’ireo tsy afaka mamonjy toerana lavitra noho ny antony maro, misy fandaharam-potoana mazava ny eny amin’ny Lapan’i Manjakamiadana.
23 marsa
Lanonana nandraisana ny fiverenan’ny satroboninahitry ny tatarom-piandrianan’ny Mpanjaka Ranavalona III
110 taona katroka taorian’ny nampidirana azy io tany amin’ny Mozean’ny Tafika frantsay ao amin’ny « Hotel des Invalides » any Paris ny faha-5 Novambra 1910 ny namerenana indray ny satroboninahitry ny tatarom-piandrianan’ny Mpanjaka Ranavalona III tato amin’ny Lapan’ny Manjakamiadana tao Anatirova.
Kabary nataon’ny Masoivoho frantsay Christophe Bouchard, sy Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina , ary Djakoba Tehindrazanarivelo Minisitry ny Raharaham-bahiny no nanamarika ny lanonana.
Midika inona io? Manazava Atoa Julien Rakotonaivo, Mpandalina Tantara sady Mpikambana ao amin’ny Akademia Malagasy.
Rova Manjakamiadana hialohavan’i Besakana
« Ho vitaina alohan’ny fankalazana ny faha 60 taona niverenan’ny Fahaleovantena ny asa rehetra ».
Ny 06 novambra 1995 no ravan’ny afo ny Rovan’Antananarivo. Ny taona 2006, no nanomboka ny asa fanarenana, ka ny fanamafisana ny fototra sy famerenana ny rarivato ary ny fanafoana an’i Anatirova no natao voalohany.
Nanambara kosa ny Filohan’ny Repoblika, Andry Nirina Rajoelina, ny 11 aprily teny Manjakamiadana, fa « ho vitaina alohan’ny fankalazana ny faha 60 taona niverenan’ny Fahaleovantena ny asa rehetra ».
Atomboka amin’ny fanarenana ny Lapa Besakana izany.
Nohamafisin’ny Filoham-pirenena fa ho averina amin’ny endriny taloha ny Rova ary hangataka ny hampidirana azy ho isan’ireo vakoka manan-danja maneran-tany ny Fanjakana malagasy.
Nohazavain’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo Rakotondrazafy fa asam-panjakana ny fanorenana ka hisy tolo-bidy ho atao. Notsindriany koa anefa fa asa famitana no hatao mandritra izany.
Rova Manjakamiadana: ho vitaina alohan’ny 26 Jiona 2020
Ho enti-mankalaza ,u faha-60 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantena dia nanao fanamby lehibe ny Filoha Rajoelina ny hamitàna io Rova malaza eran-tany sady tandindon’ny Fiandrianana sy Fahaleovantenam-pirenena.