Tsimahafotsy

Tantara ihany ka Tantara (…Tohiny)

Publié le Mis à jour le

(Tohiny)

Ireo zanak’Andriantsilavo telolahy dia nametrahana andraikitra ambony tamin’ny governementa Ranavalona : Rajery natao Andriambaventy teo amin’ny Fitsarana, Ratsimanisa lasa lehiben’ny tafika, ary Rainiharo na Ingahivony, lehiben’ny mpanolon-tsain-dRanavalona. Rehefa nodimandry Rainiharo tamin’ny 1852, dia fandevenana manetriketrika, lambamena aman-jatony no nampombaina ny maty, omby amin’arivony no natao sorona ho dikain’ny tranovorona, tafondro maro vava no rerè ; ary natrehin’ny Mpanjakavavy hatreny amin’ny «Fasan-dRainharo», izay fasana miezinezina indrindra tamin’izany andro izany, eny fa na dia mandrak’ankehitriny aza. Natao fandevenana Andriamanjaka hoy ny fitantaran’izay nanatri-maso. Naharitra 33 taona ny fanjakan-dRanavalona (1828-1861), ary Radama II no nandimby azy tamin’ny 1861. Mbola ny Tsimiamboholahy, notarihin’ny «Andafiavaratra», no nampanjaka an-dRadama II satria Ramboasalama, zana-drahavavin-dRanavalona no notohanan-dRainijohary, lehiben’ny Tsimahafotsy «Andrefandrova».

Rehefa nanjaka Radama II dia notondroi-molotra ho nanao ny sitrapony sy izay danin’ny kibony ireo sakaizany «Menamaso». Ny ankabeazan’ireo Menamaso ireo dia avy amin’Imerina atsimo. Nony ela, lavon’ny Avaradrano Imerina-atsimo ka dia nofongorina ny Menamaso ary nokendaina ihany koa Radama II. Marihina anefa fa misy lovantsofina hafa milaza fa mody novonoina ny Mpanjaka fa nampandosirina niankandrefana ka hoe ao andrefandrefana ao ny fasany.

Volana mey 1863 izany rehetra izany. Teo am-pelatanan’ny zanak’i Rainiharo avokoa ny fahefana. Nanomboka teo dia ny hova Tsimiamboholahy no nifidy ny Mpanjakavavy : Rasoherina sy Ranavalona II, samy zanak’Ambatomanoina ; Ranavalona III, vinanton’Ambatomanoina. Rainivoninahitriniony aloha no natao Praiministra. Tsy nanaja ny Mpanjakavavy Rasoherina anefa izy ka nanapa-kevitra ny filan-kevi-panjakana fa hosoloina an-dRainilaiarivony rahalahiny.

Rainilaiarivony, Tsimiamboholahy, zanak’i Rainiharo, zafin’Andriantsilavo no sady taranak’Andriampirokana mpanjakan’Analamanga fahagola, lafiny nandovany ny faritra nanorenana ny Tranoben-dRainiharo nosoloina ny lapan’Andafiavaratra taty aoriana. Taranak’Antehiroka («Andriana talohan’ny Andriana» hoy ny fiteny sasany) izany no nandidy sy nanapaka teto anivon’ny Nosy, nanomboka 14 jolay 1864 ka hatramin’ny 30 septambra 1895 nidiran’ny tafika frantsay teto Antananarivo.

Avaradrano tompon’ny laka faha «Tany Gasy». Sady mpitari-tafika, no mpanao varotra ary mbola mpihevi-panjakana ireo andriana sy hova nahazo vahana taloha. Telopolo amby zato taona aty aoriana, mba nankaiza ary ny mpandimby ireo Avaradrano ireo ? Aiza ny mpandraharaha ara-toe-karena mifehy ny lalam-barotra ? Aiza ny tompon’ny harena afaka mibaiko ny mpanao politika ? Aiza ireo fianakaviana nanome jeneraly mpitari-tafika, andriambaventy mpitsara ambony, «administrateur civil» voanjo mpampandry tany, «diplomate» maroseranana, ary Ben’ny tanàna tompon-bodivona ?

Nasolo-Valiavo Andriamihaja


Ireo NOSY  MALAGASY

Tantara ihany ka Tantara

Publié le Mis à jour le

Raha tonga teto ny Frantsay tamin’ny 1895, dia tsotra sady nazava ny firafitry ny fanjakana merina izay nisahana ny androantokon’ny Nosy : Ranavalona III, mpanjakan’i Madagasikara, tompon’ny hasina ; Rainilaiarivony, Praiministra sady «commandier in chief», tompon’ny fahefana rehetra. Ranavalona, Anatirova sy Manjakamiadana, andriana. Rainilaiarivony, Andafiavaratra, antehiroka sy hova.

Ilay Mpanjaka fanta-daza Andrianampoinimerina, taranak’Andriamasinavalona, zafikelin’Andriambelomasina sady zanak’anabavin’Andrianjafy, dia nampanjakain’ny Hova Tsimahafotsy avy eo Ambohimanga. Nony nanjaka izy, sahabo 1785 na 1792, dia ny Loholona avy ao Avaradrano no nomba azy, indrindra fa ny Andriamasinavalona, ny Tsimahafotsy ary ny Tsimiamboholahy.

Rabefiraisana (Tsimahafotsy) ary Andriantsilavo sy Hagamainty (Tsimiamboholahy) no isan’ny mpanolon-tsaina malaza indrindra tamin’ny andron’Andrianampoinimerina. Rehefa nandimby fanjakana Radama (1828) dia somary voahilika ny Hova fa niverina tamin’ny Andriana ny fahefana.

Mbola ady hevitra mandrak’ankehitriny moa ny amin’ny zon-dRabodonandrianampoinimerina handimby Fanjakana. Tsy tompon’ny farany Radama ka tsy maintsy naverina amin’ny zanak’anabavy ny Fanjakana. Imavo na Rabodonandrianampoinimerina, zana-dRabodonandriantompo avy eo Ambatomanoina fa zafiafin’Andriambelomasina avy amin’Ambohimanga, anefa dia zanaka natsangan-dRalesoka, anabavin’Andrianampoinimerina. Tsy noho ny naha vadin-dRadama azy fa amin’ny naha zanak’anabavin’i Ombalahibemaso azy no afaka niakarany teo amin’ny Fiandrianam-panjakana ho Ranavalona.

Tamin’ireo loholona nampanjaka an’i Mavo dia voarakitry ny tantara ny anaran’Andriamambavola, andriamasinavalona nifehy an’Ambohidava ; ry Rainijohary, taranak’i Rabefiraisana ary Rainiharo, zanak’Andriantsilavo. Tsy adino koa Andriamihaja, Tsimiamboholahy naman’Andriamambavola.

Radama II, dia tsy zanak’i Radama I fa (angamba) zanak’i Ranavalona I tamin’Andriamihaja. Ny Andriamanjaka moa tsy misy fady koa dia nitaiza Andriana (soratana amin’ny litera sorabaventy satria ny Andriamanjaka fa tsy ireo Havanandriana) ny ankabeazan’ny mpanolon-tsaina avo. Azo lazaina fa tamin’ny andron-dRanavalonareniny (fomba fiantsoana azy nony taty aoriana nanjaka Ranavalona Faharoa) no nampahazo laka tanteraka ny hovan’Avaradrano : ny Terak’Andriantsilavo (Tsimiamboholahy) sy ny Taranak’i Rabefiraisana (Tsimahafotsy), izay efa sakaizan’Andrianampoinimerina efapolo taona nialoha izany. Na ny Tsimahafotsy (Ambohimanga) na ny Tsimiamboholahy (Ilafy sy Namehana) dia samy Menabe, izany hoe tsy tataovan’andriana tompombodivona fa niankina mivantana amin’ny Andriamanjaka.

(Hitohy)

Nasolo-Valiavo Andriamihaja