Tsimiamboholahy

Tantara ihany ka Tantara (…Tohiny)

Publié le Mis à jour le

(Tohiny)

Ireo zanak’Andriantsilavo telolahy dia nametrahana andraikitra ambony tamin’ny governementa Ranavalona : Rajery natao Andriambaventy teo amin’ny Fitsarana, Ratsimanisa lasa lehiben’ny tafika, ary Rainiharo na Ingahivony, lehiben’ny mpanolon-tsain-dRanavalona. Rehefa nodimandry Rainiharo tamin’ny 1852, dia fandevenana manetriketrika, lambamena aman-jatony no nampombaina ny maty, omby amin’arivony no natao sorona ho dikain’ny tranovorona, tafondro maro vava no rerè ; ary natrehin’ny Mpanjakavavy hatreny amin’ny «Fasan-dRainharo», izay fasana miezinezina indrindra tamin’izany andro izany, eny fa na dia mandrak’ankehitriny aza. Natao fandevenana Andriamanjaka hoy ny fitantaran’izay nanatri-maso. Naharitra 33 taona ny fanjakan-dRanavalona (1828-1861), ary Radama II no nandimby azy tamin’ny 1861. Mbola ny Tsimiamboholahy, notarihin’ny «Andafiavaratra», no nampanjaka an-dRadama II satria Ramboasalama, zana-drahavavin-dRanavalona no notohanan-dRainijohary, lehiben’ny Tsimahafotsy «Andrefandrova».

Rehefa nanjaka Radama II dia notondroi-molotra ho nanao ny sitrapony sy izay danin’ny kibony ireo sakaizany «Menamaso». Ny ankabeazan’ireo Menamaso ireo dia avy amin’Imerina atsimo. Nony ela, lavon’ny Avaradrano Imerina-atsimo ka dia nofongorina ny Menamaso ary nokendaina ihany koa Radama II. Marihina anefa fa misy lovantsofina hafa milaza fa mody novonoina ny Mpanjaka fa nampandosirina niankandrefana ka hoe ao andrefandrefana ao ny fasany.

Volana mey 1863 izany rehetra izany. Teo am-pelatanan’ny zanak’i Rainiharo avokoa ny fahefana. Nanomboka teo dia ny hova Tsimiamboholahy no nifidy ny Mpanjakavavy : Rasoherina sy Ranavalona II, samy zanak’Ambatomanoina ; Ranavalona III, vinanton’Ambatomanoina. Rainivoninahitriniony aloha no natao Praiministra. Tsy nanaja ny Mpanjakavavy Rasoherina anefa izy ka nanapa-kevitra ny filan-kevi-panjakana fa hosoloina an-dRainilaiarivony rahalahiny.

Rainilaiarivony, Tsimiamboholahy, zanak’i Rainiharo, zafin’Andriantsilavo no sady taranak’Andriampirokana mpanjakan’Analamanga fahagola, lafiny nandovany ny faritra nanorenana ny Tranoben-dRainiharo nosoloina ny lapan’Andafiavaratra taty aoriana. Taranak’Antehiroka («Andriana talohan’ny Andriana» hoy ny fiteny sasany) izany no nandidy sy nanapaka teto anivon’ny Nosy, nanomboka 14 jolay 1864 ka hatramin’ny 30 septambra 1895 nidiran’ny tafika frantsay teto Antananarivo.

Avaradrano tompon’ny laka faha «Tany Gasy». Sady mpitari-tafika, no mpanao varotra ary mbola mpihevi-panjakana ireo andriana sy hova nahazo vahana taloha. Telopolo amby zato taona aty aoriana, mba nankaiza ary ny mpandimby ireo Avaradrano ireo ? Aiza ny mpandraharaha ara-toe-karena mifehy ny lalam-barotra ? Aiza ny tompon’ny harena afaka mibaiko ny mpanao politika ? Aiza ireo fianakaviana nanome jeneraly mpitari-tafika, andriambaventy mpitsara ambony, «administrateur civil» voanjo mpampandry tany, «diplomate» maroseranana, ary Ben’ny tanàna tompon-bodivona ?

Nasolo-Valiavo Andriamihaja


Ireo NOSY  MALAGASY

Tantara ihany ka Tantara

Publié le Mis à jour le

Raha tonga teto ny Frantsay tamin’ny 1895, dia tsotra sady nazava ny firafitry ny fanjakana merina izay nisahana ny androantokon’ny Nosy : Ranavalona III, mpanjakan’i Madagasikara, tompon’ny hasina ; Rainilaiarivony, Praiministra sady «commandier in chief», tompon’ny fahefana rehetra. Ranavalona, Anatirova sy Manjakamiadana, andriana. Rainilaiarivony, Andafiavaratra, antehiroka sy hova.

Ilay Mpanjaka fanta-daza Andrianampoinimerina, taranak’Andriamasinavalona, zafikelin’Andriambelomasina sady zanak’anabavin’Andrianjafy, dia nampanjakain’ny Hova Tsimahafotsy avy eo Ambohimanga. Nony nanjaka izy, sahabo 1785 na 1792, dia ny Loholona avy ao Avaradrano no nomba azy, indrindra fa ny Andriamasinavalona, ny Tsimahafotsy ary ny Tsimiamboholahy.

Rabefiraisana (Tsimahafotsy) ary Andriantsilavo sy Hagamainty (Tsimiamboholahy) no isan’ny mpanolon-tsaina malaza indrindra tamin’ny andron’Andrianampoinimerina. Rehefa nandimby fanjakana Radama (1828) dia somary voahilika ny Hova fa niverina tamin’ny Andriana ny fahefana.

Mbola ady hevitra mandrak’ankehitriny moa ny amin’ny zon-dRabodonandrianampoinimerina handimby Fanjakana. Tsy tompon’ny farany Radama ka tsy maintsy naverina amin’ny zanak’anabavy ny Fanjakana. Imavo na Rabodonandrianampoinimerina, zana-dRabodonandriantompo avy eo Ambatomanoina fa zafiafin’Andriambelomasina avy amin’Ambohimanga, anefa dia zanaka natsangan-dRalesoka, anabavin’Andrianampoinimerina. Tsy noho ny naha vadin-dRadama azy fa amin’ny naha zanak’anabavin’i Ombalahibemaso azy no afaka niakarany teo amin’ny Fiandrianam-panjakana ho Ranavalona.

Tamin’ireo loholona nampanjaka an’i Mavo dia voarakitry ny tantara ny anaran’Andriamambavola, andriamasinavalona nifehy an’Ambohidava ; ry Rainijohary, taranak’i Rabefiraisana ary Rainiharo, zanak’Andriantsilavo. Tsy adino koa Andriamihaja, Tsimiamboholahy naman’Andriamambavola.

Radama II, dia tsy zanak’i Radama I fa (angamba) zanak’i Ranavalona I tamin’Andriamihaja. Ny Andriamanjaka moa tsy misy fady koa dia nitaiza Andriana (soratana amin’ny litera sorabaventy satria ny Andriamanjaka fa tsy ireo Havanandriana) ny ankabeazan’ny mpanolon-tsaina avo. Azo lazaina fa tamin’ny andron-dRanavalonareniny (fomba fiantsoana azy nony taty aoriana nanjaka Ranavalona Faharoa) no nampahazo laka tanteraka ny hovan’Avaradrano : ny Terak’Andriantsilavo (Tsimiamboholahy) sy ny Taranak’i Rabefiraisana (Tsimahafotsy), izay efa sakaizan’Andrianampoinimerina efapolo taona nialoha izany. Na ny Tsimahafotsy (Ambohimanga) na ny Tsimiamboholahy (Ilafy sy Namehana) dia samy Menabe, izany hoe tsy tataovan’andriana tompombodivona fa niankina mivantana amin’ny Andriamanjaka.

(Hitohy)

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Protégé : Mozea Rainilaiarivony Amboditsiry

Publié le Mis à jour le

Cet article est protégé par un mot de passe. Pour le lire, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :

ANDRIANTSILAVONANDRIANA: Andafiavaratra, Tsimiamboholahy

Publié le Mis à jour le

Teraka: ANDRIATSILAVONANDRIANA/ « ANDAFIAVARATRA « 
Mankasitraka ny rehetra tonga t@ fivoriam-be androany Asabotsy 10 Décembre 2022 !!
Indrindra ny fifankalalàna 😄
Misaotra indrindra ny tompon’ andraikitra nanome ny toerana, sy mbola namoha ny Rova!
Misaotra manokana ireo « conseils des sages » taloha, sy ireo vaovao vao nanolo-tena, ary koa ny coordonnateur.
Ho samy tratry ny taona ho avy iny daholo Tompoko.🙏
Hindrana ilay teny voalaza teny:
Hitsikitsika ny tompon’ny tanàna !!

Mbola hita soritra eto amin’ireto Taranaka ireto ny endrik’ireo Razambe niandohana: ny Mpanjaka Andrianjaka, ary mbola talohany i Rangitamanjakatrimovavy. efa ho 500 Taona mahery izao, izay nipoiran’ny Mpanjaka hendry notahian-Janahary ANDRIANAMPOINIMERINA, na Imboasalama (Ny Ombalahibemaso) taty aoriana.


TATITRA:

Protégé : Fihaonambe – ILAFY 10 Décembre 2022


Ho fanomezam-boninahitra azy dia nomen’ny Ben’ny Tananan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina ny anaran’ny Mpandraharaha malagasy malaza Itompokolahy RANOHISOA Seth (sady efa mpikambana tao amin’ny Sénat)  ny Arabe mirefy 2 kms eny Ankorondrano mihazo ny Marais Masay rahefa nahazo ny fankatoavan’ny Filankevitra monisipaly.

Le maire de la capitale, Naina Andriantsitohaina, a procédé à l’inauguration de la rue « Ranohisoa Seth », hier à Ankorondrano.

Protégé : Picnic2 – 11 Décembre 2021

Publié le Mis à jour le

Cet article est protégé par un mot de passe. Pour le lire, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :

Protégé : Picnic 11 Décembre 2021

Publié le Mis à jour le

Cet article est protégé par un mot de passe. Pour le lire, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :

Protégé : Tsimiamboholahy

Publié le Mis à jour le

Cet article est protégé par un mot de passe. Pour le lire, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :

Culture: Des manifestations solennelles pour commémorer le 125ème anniversaire des exécutions du prince Ratsimamanga et de Rainandriamampandry

Publié le Mis à jour le

Photo: Ministère de la Communication et de la Culture

Antananarivo, 13 Octobre, 13h15 – Une exposition au Musée des archives iconographiques à Ambohidahy. Une conférence au Centre Ivokolo à Analakely. Des stèles érigées à Antaninarenina. Le 125ème anniversaire des exécutions du prince Ratsimamanga et de l’ancien ministre de l’Intérieur du royaume de Madagascar, Rainandriamampandry, sera marqué par divers événements et manifestations.

⭕️ Le Musée des archives iconographiques ou Trano Sary à Ambohidahy offre une opportunité aux passionnés d’histoire de Madagascar d’en apprendre davantage sur le prince Ratsimamanga et l’ancien ministre de l’Intérieur Rainandriamampandry, deux personnalités marquantes du soulèvement insurrectionnel des Menalamba, exécutés le 15 Octobre 1896 sur ordre du Résident général français Joseph Gallieni. Une exposition qui leur est consacrée s’y tient jusqu’au 29 Octobre.

⭕️ Le Centre culturel Ivokolo à Analakely abritera une conférence ce jeudi 14 Octobre à 14h30 où l’académicien et historien Harilala Ranjatohery interviendra sur le thème du patriotisme dont les deux personnalités ont fait preuve. L’inauguration de stèles aux effigies des deux hommes à Antaninarenina confortera l’importance historique de ce quartier d’Antananarivo. La cérémonie se tiendra le vendredi 15 Octobre.

(source: 2424.mg)


Tsimiamboholahy Omaly sy Anio

« PRINTSY RATSIMAMANGA SY RAINANDRIAMAMPANDRY : OLON’NY FITIAVAN-TANINDRAZANA SY NY FIRAISAM-PIRENENA »

hataon’Atoa RANJATOHERY Harilala, mpandalina tantara sy Akademisianina hialohavan’ny fanolorana ireo boky mirakitra ny asa fikarohan’ny Dr Albert Etienne Rafaralahy Ratsimamanga ny alakamisy 14 ÔKTÔBRA amin’ny 2 ORA SY SASANY ao amin’ny IVOKOLO ANALAKELY

Marihina fa efa nanomboka ary haharitra hatramin’ny 29 ôktôbra 2021 ny fampirantiana ao amin’ny « TRANO SARY » Ambohidahy.

Tsimiamboholahy Omaly sy Anio

Lire la suite »

Takelaka: Andriantsilavonandriana – Andafiavaratra

Publié le Mis à jour le

Takelaka Andriantsilavonandriana – Andafiavaratra

« AZA MANARY ILO MBY ANDOHA »

                        Lapan-dRainilaiarivony ao Ambohitsirohitra, lasa « Palais d’Etat »

Titres
Vohitra sy Tantara: Rainilaiarivony Tsimiamboholahy sy Andafiavaratra
Teny indraim-bava Tsimiamboholahy Omaly sy Anio
STATUTS Fikambanana Fivoriana teny Ilafy: 07 Août 2021
Fivoriana teny Ilafy: 11 Septembre 2021 Bse Victoire Rasoamanarivo
Filoham-boninahitra: Alexis Razafindratsira Fivoriana teny Ilafy: 23 Octobre 2021
FANASANA: 11 Décembre 2021 Ny Renin’i Rainilaiarivony
Picnic Ilafy 11 Décembre 2021 Picnic2 Ilafy 11 Décembre 2021
Fivoriana tao Tsaralalàna 11 Juin 2022 Fivoriana CCIAA Analakely 10 Septembre 2022
Fivoriana tao Tsaralalana 12 Novembre 2022 FANASANA – Ilafy, Décembre 2022
Fihaonambe – ILAFY 10 Décembre 2022 Sary sy Tatitra  Analamahitsy 28.01.23
Fivoriana Villa Rakotoarison (Mandrosoa Ivato): 15 Aprily 2023 Fivoriana teny Lazaina – 19 Aogositra 2023
Ireo natao hoe « Tsimiamboholahy » ANDY RAZAF: Ilay Printsy Malagasy tafatsoaka tany Etazonia
Andriantsilavonandriana- Andafiavaratra:  Tatitra Voeux’24 VANF antranokala – Toraky ny Tamin’ny Lasa