Farafangana : nahazo fanampiana avy amin’ny filoha Andry Rajoelina hanarenana ireoTranobe 13
Migadona eto an-tampon-tananan’i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana ny Filohampirenena Rajoelina Andry sy ny delegasiona tarihiny ankehitriny, tafiditra amin’ny fitsidihana ny tapany Atsimo Atsinanan’i Madagasikara androany ity.
Nosantarina tamin’ny fanokanana ampahan-dalana mirefy 21,300km (eo amin’ny tananan’ Anosy, Tsararafa- Farafangana tampon-tanana; anatin’ny lalam-pirenena faha 12 (RN12) mampifandray an’i Vohipeno sy Farafangana izay napikaikaika ny mpampiasa ity lalana ity izay nambaran’ny Filohampirenena fa Velirano nifanaovany tamin’ireo raiamandreny Ampanjaka avy eto an-toerana.
Nisy Filohampirenena niaraka tamin’ireo Ampanjaka nohon’ny fangatahan’izy ireo hanampy tamin’izany. Noraisin’ireo Ampanjaka tao amin’ny tranoben’ny Rabakara Marovahiny ny Filoha. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Filohampirenena Rajoelina Andry dia nanambarany fa harenina indray ireo Tranobe miisa 13 eto amin’ny tananan’i Farafangana izay ravan’ny afo nohon’ny haintrano tamin’ny volana Mey tamin’ny taon-dasa.
Natolotry ny Filoha ireo Ampanjaka ny vola hanampiana azy ireo amin’ny fanarenana indray ireo Tragnobe ireo. Nanambara koa ny Filohampirenena fa hihaona hifampitafa amin’ny vahoakan’i Farafangana aorian’ny fanokanana fotodrafitrasa marolafy eto Farafangana.
