Jeneraly sandoka Israel : Tsy amelan’ny mpiandry fonja, marobe ny fitoriana

Publié le Mis à jour le

« Naboridana » teo imason’ny lehibeny rehetra i Ravalison Arile, mpisandoka.

Dimy taona nisandohana hoe Jeneraly. Tsy nisy tahotra na henatra na ny kely aza ilay rangahy tao anatin’izany fisandohana andraikitra izany. Raha ny marina anefa dia bokotra roa (Lietnà) ihany no tena galona ananany. Sahiny tanteraka ny mampiasa ny anarana Jeneraly, ny fitafy rehetra mahakasika an’izany, ny karatra voatefy tsara ary milaza fa izany ny galonany. Mbola sahiny koa ny mandeha miasa isan’andro ary manao izany fitafy izany na dia fantatry ny rehetra ao anatin’ny fandraharahana ny fonja aza fa mpisandoka andraikitra izy. Tsy iza fa i Ravalison Arile Jean de Dieu, fantatry ny olona marobe voasolokiny tamin’ny hoe Komandà Israël. Taty aoriana izany dia nivadika ho Jeneraly Israël. Tena nentiny nanaovana asa fisolokiana marobe io kintana telo niambozonany io. Isan’izany ny olona izay voarebirebiby fa manana tany be nomen’ny voafonja azy izy.

« Misy miaramila midoboka ao Antanimora ao ary efa tsy afaka intsony ka nomeny ahy avokoa ny taratasin-taniny », raha ny araka ny fanjonoany matetika ka tantarain’ny vavolombelona. Dia mampiseho taratasy misy fitomboka mena izy ary betsaka ny roboka. Mipetraka eo Mahazoarivo tsy mifanalavitra ny Lapa ity mpisoloky ity. Ny tany eo amin’ny manodidina ka raha mbola misy malalaka tsy misy manorina, dia entiny misoloky. Lazainy fa tsy misy tompony ary efa am-panaovana ny taratasin-tany izy fa ho alainy ary amidiny. Olona marobe no roboka amin’izany, mba te-hanorina eo akaikn’ny Lapan’ny Praiministra. Fanaony matetika koa ny mampiseho ny sariny eo akaikin’ny filoha teo aloha Rajoelina ary entiny mandemy saina ny olona. Nandritry ny fanonganam-panjakana mantsy dia isan’ireo teo akaikin’ny olona voakasika izy ary nitam-basy. Dia io sary io no amidy etsy sy eroa entina nisolokiana.

Nandritry ny fitondràna volom-boasary dia nangina ny voasolokiny satria betsaka olona ambony mpiaro izy. Nisy fiafarany kosa ny zava-drehetra ary dia niainga tao amin’ny fandraharahana ny fonja izay iasany ihany ny fisamborana azy ary natolotra ny zandary eo anivon’ny Brigade Tana-Ville ny famotorana, rehefa nomen’ny fampanoavana alàlana momba izany izy ireo. Ho an’ny fandraharahana ny fonja dia nasaina nanala ny fanamiana am-pahibemaso teo imason’ny lehibeny rehetra ilay rangahy. Hisy koa ny fanadihadiana anatiny izay mety hizotra amin’ny fanalàna azy tsy ho mpiasam-panjakana intsony. Tsy mijanona eo anefa fa efa natolotra ny zandary koa izy momba ny raharaha fisandohana andraikitra ary miandry azy ny fampanoavana. Re fa efa tonga ny olon-tsotra maro izay voasolokiny ary mitory koa raha vao nandre ny vaovao. Efa midanadàna sahady Tsiafahy raha ny fijery azy, ho an’ity mpiasam-panjakana izay nanala-baràka ny fanjakana avy amin’ny fampiasàna fahefana sandoka ity. Sady mpisoloky no mpisandoka andraikitra no…forongony. Feno tanteraka ny fepetra ho azy.

(source: D.R – Midi M/kara)

Laisser un commentaire