Ambilobe

Diana – Des rituels autour de la réparation du pont de Mahavavy

Publié le

Le gouverneur Taciano Rakotomanga et le prince Issa Tsimiharo iiI lors du rituel au pont de Mahavavy.

Devant la situation catastrophique sur la Route nationale 6, en particulier sur le pont de Mahavavy à Ambilobe, les  Antakarana ont effectué une série de rituels au bord du fleuve. 

Faire appel aux ancêtres pour résoudre le problème de la RN 6. Le groupe ethnique des Antankarana ont ainsi  organisé deux « jôro» sur le pont de Mahavavy, à Ambilobe. Le premier est dédié à la purification des lieux, en raison du manque de respect de ses valeurs. Et le deuxième est un culte  traditionnel pour implorer la bénédiction  du « Zagnahary» afin que les travaux de restauration par la société Colas s’achèvent sans incident.

Pour la communauté Antakarana, les dégâts survenus sur le pont de Mahavavy n’étaient pas accidentels ou le fruit du hasard, même s’il est admis que le passage du cyclone « Gamane » a endommagé ce pont, construit en 1951, par un ingénieur français nommé Paindavoine. Mais sa destruction est un mauvais signe. Pour les  Ambilobéens, il s’agirait plus exactement d’un châtiment, car la population a commis beaucoup d’erreurs et n’a pas respecté les traditions du terroir, ces derniers temps. Et  cela irrite les ancêtres.

Historiquement,  Mahavavy a sa propre histoire et possède une qualité qui le distingue des autres fleuves. Lieu de culte depuis le règne du roi Kozobe, Mahavavy s’est transformé, au fil du temps, en un simple cours d’eau qui permet  aux paysans d’irriguer leurs plantations de cannes ou de riz…

Lire la suite »

Inauguration de la RN5 A, reliant Vohémar à Ambilobe

Publié le Mis à jour le

« Bye bye Gôdra ! ». Les propos sont du président Rajoelina, pour décrire la fin de la galère sur la RN5 A, reliant Vohémar à Ambilobe. Cette route nationale située dans le Nord de Madagascar, qui met en connexion les régions SAVA et DIANA, autrefois en terre battue, est maintenant goudronnée en totalité. La cérémonie d’inauguration a eu lieu hier, sous la houlette du chef de l’Etat.

Lancés en décembre 2019, les travaux de terrassement et de bitumage ainsi que les ouvrages connexes sur les 152 km de cette route sont actuellement réalisés. Les trois jours de trajet d’autrefois, en voiture, s’effectuent seulement en deux heures. Le président de la République a lui même pris le volant du véhicule présidentiel pour tester la qualité de cette route qui vient de faire peau neuve.

C’est la République populaire de la Chine qui a financé les travaux à hauteur de 157 millions de dollars.Ils ont été réalisés dans les normes internationales selon le ministre des Travaux publics, Jerry Hatrefindrazana. La durée de vie de cette route est estimée à plus de 20 ans. Mais il va de soi, qu’elle nécessite des entretiens réguliers.

La fin de la galère est synonyme du début de développement, notamment pour les deux régions traversées par cette route. L’économie, par le biais notamment du transport des produit, et le tourisme, qui devrait prospérer avec l’ouverture de cette voie terrestre, en auront particulièrement le vent en poupe. Le président de la République croit ainsi au changement dans ces régions à partir de cette inauguration.

Le régime actuel mise davantage sur la construction des infrastructures routières à travers le pays afin de mettre en œuvre le développement du pays. Le projet de la réalisation de la RN5 A remonte à l’époque du régime Rajaonarimampianina, et au vu de son utilité, Rajoelina a décidé de le concrétiser. Dans le Sud, les dirigeants actuels ont également lancé le défi de réhabiliter la RN13 reliant Ambovombe à Fort Dauphin, jusqu’à Ihosy et les travaux sont déjà lancés.

En marge de la cérémonie d’inauguration d’hier, le président Rajoelina a également annoncé le lancement des travaux de construction de la première autoroute de Madagascar sur la RN2 avant la fin de l’année. Elle reliera la province de Toamasina, la ville du grand Port de Madagascar à celle d’Antananarivo, la capitale. Les travaux devraient durer jusqu’en 2026.

(source: madagascar-tribune.com)

Projet d’une nouvelle route directe reliant Andapa, capitale de la vanille, et le port d’Antsohihy

Tsimatahodrafy na Dady Moasy (Maroantsetra – Antankarana)

Publié le Mis à jour le

TANTARAN`I DADY MOASY TSY RARAKA NOFOTRO, TSY MIRARAM-BOLO SY NY ASA MAHAGAGA VITANY« 

(Lahatsoratra Maintso Anala! Lavalava ihany fa manasa anao hamaky h@ farany .Lesona no tsoahy)

Efa 200 taona mahery izay dia mbola tsy raraka nofotro, sady tsy raraka-fagneva (1) i DADY ao Irognono (2). Nihamboho tamin’ny faha 100 taonany teo izy, tamin’ny andro ny nanjakan’ny TEHIMBOLA (3) tao Ankarana. Moasy nalaza izy io, TSIMATAHODRAFY no tena anarany, fantatra amin’ny anarana hoe DADY MOASY . Mahagaga tokoa fa mijanona ho Misitery ny tsy mahararaka nofotra an’i Dady Moasy efa an-taonany maro izay. Ny mampalaza Egypta mandrakandroany dia ny fananany an’ireo vakoka tranainy, manantantara, anisan’izany ireo Momia Ampanjaka Farao. Ny farany teo (tamin’ny taona 2021) dia nisy lanonana ngoavambe, fanandratana Razana Mpanjaka farao miisa 22, narahina cortège sy filaharam-be, namakivaky ny renivohitra Le Caire.

Fa ny aty Madagasikara dia DOANY DADY MOASY no any Malaza, amin’ny misy an’i IROGNONO, amin’ny tapany Avaratra ny Nosy. Misy FITAMPOHA, sy FANKALAZANA isaky ny dimy taona, hataon’ny fanjakana Sakalava. Tamin’ny 25 Oktobra 2018, no nisy ny FITAMPOHA farany, niarahana tamin’ny vahoaka maro, notronin’i Mpanjaka ISSA TSIMIHARO III. Mandritra ny FITAMPOHA, ny raharaha lehibe izay tsy maintsy hatao dia « TALIGNY (4) NY FAGNEVANY DADY », « MISIKIGNY (5) LAMBAHOANY », sns.. ho mariky ny fanomezamboninahitra ny ZANAHARY sy ny RAZANA anehoana ny firaisankina -fihavanana- fitiavana, eo amin’ny fifandraisan’ny velona sy ny maty ka ho manitry manaranara eto amin’ny tanin’ny Razana ny ambany lanitra.

Mpimoasy nanana ny maha izy azy i Dady Moasy, mpitsabo sady Mpanandro an’ireo Mpanjaka lehibe ny Antakarana fahiny izy io. Nahavita fahagagana nikoizana i Dady Moasy tamin’ny fahavelony. Nampihaiky ny maro, ny nahavitany nampifandray ny tontolo ny rano sy ny an-tanety : mandeha ambony rano, mijibika sy mihaina anaty rano, famohana omby avy anaty Rano (ny tao Bobaomby). Isany izany ny fahaizany mandrehatra afo, ary misy setroka hita mivoaka avy ao anaty rano, hanatonoany akondro. Tsy izay ihany koa fa mahavita mizara ho maromaro amin’ny toerana samy hafa, amin’ny fotoana iray.

Ary nisy andro, hono, nisy lalao nataony, izay nanasany vahoaka tao an-Tanàna, ny nandorana azy velona. Gaga ny rehetra fa tsy levona fa velon’aina soamatsara, tsy naratra i Dady. Nisy andro koa dia nijanona tao ànaty rano Ora maromaro nitondra zazakely, nefa velon’aina soamatsara. Tia-zaza i Dady, nefa tsy mba nanan-janaka na nanambady.

Raha todihana ny tantara, dia izao ny zava-nisy. Raha lasan’i ANDRIANTAHÔRA (na i Tsivantana), niaraka tamin’ny andian-tafika Sakalava ny Boeny ny fanjakana teo amin’ny farany taonjato faha 16, tao Ankarana dia niparitaka sy nandositra ny fianakavian’ny Mpanjaka ANDRIAMANAMPELO (6), ary isan’izany i ANDRIANTSIROTSO ANDRIANILAHANIARIVO zanany. Nandositra niantsinanana nankany amin’ny RAHÔLO na Radoro havany, i Andriantsirotso. Rahôlo dia ZAFIRABAY, SAKALAVA Zafinifotsy, Ampanjaka tao Maroantsetra.

Nony afaka telo taona, rehefa hipody ho any Ankarana i Andriantsirotso, niaraka tamin’ny tafik’i Rahôlo, dia nisy « TSAIKY MAGNANGY  » (7) vahiny tokony ho valo taona teo tonga tsy hay fiaviana tao Maroantsetra. Tsy niaroharo tamin’olona, io Tsaiky magnangy io, raha tsy maromaro andro taty afara. Teo izy vao niaro tamin’ny tsaiky tao an-tanàna. Tsy nahalala fodiana an-trano, ireo tsaiky namany, raha vao nahafantatra azy koa nitaraina tamin’ny Ampanjaka Rahôlo, ny raimandreny ny tsaiky ireo. Nandefa mpitsikilo mpanaradia ary i Rahôlo, nahita tsaiky ireo misoma (😎 amoron-drano. Tokony Ora fihinana tamin’ny izay, iny fa nijibika an-drano ilay tsaiky magnangy, nitondra « Tono katakata »(9) nivoaka an-drano, ary nozarain’ny tamin’ireo tsaiky mpiara misoma aminy. Nilomay nanao tatitra tamin’ny Ampanjaka ireo Mpitsikilo, ny amin’ny zavatra hitan’izy ireo. Liana te hamantatra bebe kokoa momba an’ilay tsaiky magnangy ny Ampanjaka ka niantso azy tao an-dapa. Raha nanontaniana sy nifotopotorana ny momba azy dia hoy Ra-tsaiky magnangy tamin’ny Ampanjaka:

_ » TSIMATAHODRAFY no anarako, anabavin’ny RASIKAJY, zanaka Mpimoasy lehibe sy mpiteti-vintana. Ny antony niaviako dia nahiliky ny anadahiko, raha nahazo tsindrimandry ahoko izy fa niankohoka tamiko hono ny Diavolana ».

Neken’i ANDRIANTSIROTSO ary, fa tsy maintsy hilainy i TSIMATAHODRAFY, ho Mpanandro sy mpiaro ny fanjakany rehefa tafaverina any Ankarana, araka ny didin’ny Rahôlo. Izao no teniny Tsimatahodrafy tamin’ny Andriantsirôtso :

« Izaho Tsimatahodrafy, tsy matahom-pahavalo ! . Mihiregna amin’ny misy ny fanjakanao amin’izay fa efa tsy ao intsony ny fahavalo, fa efa niherina nianandrefana, nihazo an’ny Boeny. Fa afaka 6 andro, dia hanaraka anao any aho, fa tsy misy tokony ho hataorana amin’izay » ho’zy.

Tapa-kevitra ary fa hipody ary i Andriantsirotso, ary nomen’ny Tsimatahodrafy Ravina taratasy, hanoro lalàna ny Ampanjaka, koa rehefa nandeha ny ela dia nivadika soratr’afo, manondro ny lalan-kizorany mankany Hiagniny.

Tamin’ny nandalovany tao BEMARIVO, dia napetran’i Ampanjaka Andriantsirôtso tao ny rahalahiny Printsy ANDRIANTSIFAHANA. Satria mbola misy ahiahy amin’ny mety hiverenan’ny Andriantahôra, dia izao no hafatrany tamin’ny rahalahiny : »Raha misy ny mahazo ahy, dia ianao no faramandimby ny fanjakana ». Ankehitriny, ireo Antibemarivo dia taranaka Printsy Andriantsifahana.

Raha vao tapitra 6 andro ary, ny nahatongavan’i Andriantsirôtso tany Hiagniny, dia tonga i Tsimatahodrafy ary nilaza tamin’ny Ampanjaka : « Araka ny teny nomeko, ity aho, hiaro fanjakanao. MAHAVAGNONO no anarana vaovao iantsoana an’i Hiagniny manomboka izao, ary ny renirano dia antsoina hoe MAHAVAVY. Ny fahavalonao izay avy any ATSIMO tsy ho tafiditra ny faritra hihadidianao ary tsy misy olona handrava ny fanjakanao. Mitadiava Hazo amin’ny anarana hoe TSITAKONALA koa hanontanio ny ANTANALA. « 

 » HAZOAMBO «  no fiantso an’ilay Hazo » TSITAKONALA » ho’zy ny Antanala, koa tao Mahavavy Atsimo, ANALAMAVELOGNO no nahitana AZY. Misy karazany ROA ny hazo Tsitakonala, misy lahiny sy vaviny izy io, izay nasain’i Tsimatahodrafy ho halaina.

Koa natambatra ireo Hazo, nanaovana TSANGANTSAIGNY ny fanjakana Antakarana. Izy no mitazona ny fomba mandritra ny lanonambe antsoina hoe « MANDRESIRAFY », hanaovana famorana, ary ny fiantsoana Razana, Joro sns.

Filaminana sy firalahiana no nampisongadina ny fanjakan’ny Andriantsirôtso sy LAMBOENY, nandrindra ny naha teo azy. Na de nisy aza ireo te hanakorontana tamin’ny fanjakanan’ny Lamboeny, dia ireo havany ihany dia tsy naharava ny fanjakana. Ary Nasain’ny Tsimatahodrafy horohahana, hiala ny faritany mihitsy, ireo izay te hitsangana ho fahavalo mpamadika.

Farany, dia tonga i Tehimbola nandimby an’i Lamboeny, koa nisy andian-jatovo, nampihorohoro an’i Tsimatahodrafy, ary niafara tamin’ny fitifirana ny tafotranony, koa niantsoany ady, ny Sakalava ny Bemazava. Tonga teo amoron’ny Mahavavy ry zareo, raha avy nanafika ny Antakarana tao Sengaloko.

Niantso vonjy tamin’ny Tsimatahodrafy ary i Tehimbola, hiaro ny vahoaka sy ny fanjakany. Koa tamin’ny izay no namparitahany areti-kibo mandoza, tamin’ny ahalalan’ny Lamba mena salorana, izay namono, nahafaty ireo fahavalo mpanafika. Koa ny sisa tsy maty tamin’ny izany dia nandositra nidopy. Raha nandresy ny ady izay nataony ary i Tehimbola dia nasandratra tamin’ny anarana hoe ANDRIAMANDRESIARIVO.

Talohany nahafatesan’i Tsimatahodrafy, nangataka sy nanafatra izy, ny mba hametrahana ny vatamangatsiakany, amin’ny vato misy bongo milonjo (10) dia ao Nosy Manoro, anarana izay nantsoina an’ny Nosy-Lonjo fahiny. Tsy tanteraka anefa ny faniriany noho ny lamina napetraka ny fokonolona fa hoe efa misy an’izany Razam-be ny ZAFITSIMAHITO izany hono (11), koa nitady toeran-kafa izy ireo, nanasidrihana ny nofo vatamangatsiakany, nanakaiky ny renirano Avaratra, ANTSAMBALAHY izany. Ny nahagaga anefa ny ampitso iny, dia tsy hita ny nanjavonan’ny vatamangatsiakany fa tany IROGNONO no nahitana azy ny farany.

Ary misy andro hoy ireo mponina mipetraka manakaiky ny Antsambalahy, dia mbola hahainoana Rebiky eo amin’ny toerana nametrahan’ny fokonolona azy farany.

Isany asa izay nampiavaka an’ i Dady Moasy, koa tamin’ny fahavelony dia nanamasina ireo toerana sy tendrombohitra tamin’ny faritra Avaratra ny Nosy iny. Raha tsy hilaza fa ny doany ao Bobaomby, Doany Nosy-lonjo, doany Ampansindava, doany ao Bemanevika koa lasa Doany Tsimatahodrafy ankehitriny …

Mianjaka (réincarnation) amin’ny olona izay mifanaraka vintana aminy i DADY MOASY. Nisy an’izany Mpimoasy antsoina hoe Dady Joby izany hono, no nanohy ny asan’ ny Dady Moasy, nitomby tao Ambilobe. Tamin’ny taona 1984, raha nijaly rano sy paika ny andro tsy nisy orana, noho ny tsy fanajana ny hasiny sy fadin-tany. Ny nataon’ny Dady Joby dia nanamasina ny toerana maromaro, araka ny lovantsofina tamin’ny Zafintany nanatrika ny Joro. Izy no nanangana ireo Doany rehetra tao amin’ny faritra Bobaomby, Indrindrindra fa tao An-tendrombohitra i Ambatosariomby, sy ny manodidina. Misy rarim-bato, vokatry ny Tatao izay nataon’ireo Razany fahiny dia lasa sarin’omby, koa nataony hoe Doany Am-bato sarin’omby. Taoriany izay, dia àvy be ny Orana taty amin’ny tapany Avaratra, ary narahin’ny Rivodoza mahery dia ny « CYCLONE KAMISY « , nitsofoka tao Diego-Garcia ary nivoaka nahazo ny faritra Andrefana ny Nosy. Ary mbola ao amin’ny izany toerana antsoina hoe Bimoko, mandrakandroany ny ny Zafintany nanontrona ny Joro nataon’i Dady Joby, koa nahazoana ny loharanom-baovao momba ny tantaran’ny Dady Moasy Baomby nafohizina amin’ny hoe « Dady Baomby « raha Miantso azy an Joron-tany Avaratra ny FANJAKANA.

Maro ny milaza fa fady vahiny ny tany aty Avaratra. Tsy tany anefa no fady fa mila fantarina aloha ny fadin-tany (tsy mamadika Razana, misy toerana fady kisoa,… ) . Ary koa ny vahiny tonga tsy mandondom-baravarana dia toy ny mpanao ratsy. Ary saiky hita amin’ny toerana mbola manankasina aty Avaratra izany. Alohan’ny hiditra tanàna iray ohatra dia misy varavarana, izany hoe misy Tatao (tsy maintsy hanimpazana vato kely, na vola vy, na tantely, na paraky sns) toy ny hita any amin’ny faritra hafa koa, ho mariky ny fanajana ny Zanahary sy ny Razany, mba ho « Tsara mandroso, tsara miverina ». Koa izay mahatonga rehefa mandeha any « Bobaomby » ohatra dia misy varavarana alohan’ny hidirana ny tanàna hanaovana hataka. Raha tsy izay dia tsy tody amin’ny toerana aleha na very mihitsy aza. Ankehitriny anefa tsy vohaja izay fadin-tany izay, noho ny tsy fahalalana koa ngambany. Ny zava-misy matetika rehefa misy vahiny maro, na amin’ny fotoanan’ny famadihana dia miaho ny VARATRAZA sy ny TALIO ao An-tanànan’ny Antsiranana. Fanehoana izay fa manana ny hasiny sy ny fadiny ny tanindrazana, ary manana ny fomba sy tantara mampiavaka azy ny foko tsirairay.

Tany Masina i Madagasikara, Masina ny tanindrazana …

(1): Volon-doha,.. (2) : 70 km miala ny renivohitra Antsiranana, Andrefana montagne d’Ambre,.. (3): na Andriamandresiarivo teo anelanelan’ny taona 1790-1802,.. (4): Randranina, .. (5): Mitafy,.. (6): raha avy nitampahan’i Andriantahôra ny lohany tao Bejofo ny Ambanja,.. (7): « zaza viavy » na « zazavavy kely »,.. (8): milalao,.. (9): Akondro…. (10): fiteny Tavaratra, fototeny ny hoe Lonjo= Avo, lava, Mahia,… Milonjolonjo = Mitafotafo… filaza ny hoe « Milonjolonjo ny vary masaka amin’ny kapila fihinana »… « Bongo=Tendrombohitra », « Mivonto » ….ohatra « Bongo ny Nosy- lonjo », »Bongo-lava », « Bongo-Galoko », « Bongo-drano-maso », « Bongo-nono », « Trano-bongo »,.. BONGO koa dia fokonolona milahatra manaraka ny MAKOA, MIKEA, KIKOKO,… izay mponina teto Madagasikara, koa ny tendrombohitra no any safidiny hanorenam-ponenana mba hitazanana sy hiarovana amin’ny fahavalo. Anaran’olona avy any Afrique (Éthiopie, Congo…), ohatra Bongo Tawney, Jah Bongo, Salomon Bongo..

(source: FB Rabezandrina Rainandriamampandry)