Communauté royale de Madagascar

Fitantanana ny Sadc : Hanampy ny filoha Rajoelina ireo andriamanjaka

Publié le Mis à jour le

Ralandison Fenosoa, filoha mpitarika ny CRM

Niarahaba ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fandraisany ny fitantanana ny Sadc ny fivondronamben’ny andriamanjaka. Vonona ny hitondra ny anjara birikiny izy ireo amin’izany.

Ho eo hatrany hanohana sy hanampy. “Vonona izahay fivondronamben’ny andriamanjaka, Com­mu­nauté Royale de Madagascar, hitondra ny anjara biriky, hanampy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, amin’ny andraikitra goavana sahaniny eo anivon’ny Sadc”, hoy ny filoha mpitarika ny fikambanana, ny Printsy Ralandison Fenosoa. Nivoitra izany tamin’ny fivoriambe notanterahin’izy ireo teny amin’ny Rova Manjakamiadana, ny alahady lasa teo. Fotoana koa io niarahaban’izy ireo ny filohan’ny Repoblika amin’izao fitantanany ity vondrom-paritra ara-toekarena ity izao. Haharitra herintaona izany. Nanteriny fa zava-dehibe eo amin’ny firenena izany ka tsy hitazam-potsiny ny fikambanana. “Hi­tondra ny mety ho vitanay izahay amin’izany”, hoy ihany izy. Lire la suite »

Fankalazana ny Taom-baovao malagasy: « efa miravona tanteraka ny olana », hoy ny « Communauté Royale de Madagascar »

Publié le Mis à jour le

Nanatanteraka fihaonana teny Anatirova  ireo mpikambana ao amin’ny « Communauté Royale de Madagascar » notarihan’ny Printsesy Fenosoa Ralandison arak’izao taterin’ny vaovao izao:


Vovonana MA.MA.FI teny Ambohimanga (2017) [Malagasy Mampiray ny Firenena]

Fihasinana sy fiandrianana : Ireo tsara ho fantatry ny vahoaka Gasy  –  [Tranoben’ny Merina]


Ny TAOM-BAOVAO MALAGASY

ByMahandry – MAR 13, 2021

Antananarivo, 13 martsa 2021, 9h 45, (DDIT): Mbola ifandroitana ny daty hankalazana ny taom-baovao malagasy hatramin’ny androany.

Ny taranak’Ambohitrabib­y, mankalaza ny andro « Fandroana » izay fanaon’ny mpanjaka Ralambo, izay novainy ho « Taom-baovao malagasy » izany ny taona 2014, ary napetrany any amin’ny OMAPI na ny rafitra miaro ny zon’ny mpamorona fa azy ireo io teny hoe « Taom-baovao malagasy » io, ary tsy misy afaka mampiasa izany afa-tsy izy ireo ihany, hoy ny filohan’ny Trano koltoraly.

Ny tsinam-bolan’ny Alahamady, na ny tsinam-bolana alohan’ny Paka amin’ny tetiandro gregoriana izay fampiasa andavanandro, no ankalazan’izy ireo izany.

Misy ny fandroana amin’ny ranon-tsira, iray andro mialohan’ny tsinam-bolana.
Mangataka famelan-keloka ihany koa ny tsirairay, mba hampadio ny feon’ny fieritreretana.Mizara ny afo tsy maty sy fitondrana arendrina.

Manao fety toy ny santa-bary, izany hoe misy ny fihinanana vary amin’ny ronono tondrahana tantely.

Etsy ankilany, ny Antenimieran’ny Oloben’i Madagasikara (AOM), tsy mankasitraka io fankalazana taom-baovao amin’ny volana martsa io. Ho azy ireo dia « fandroana » ihany no ankalazaina rehefa volana martsa toy izao.

« Ny lohataona no fiandohan’ny taona » hoy i Fidy Andriamanalina, filohan’ity AOM ity.

Izay no antony ankalazan’ny foko 22 isam-paritra ny fombany tsirairay avy. Amin’izy ireo dia etsy Mangabe Ankadivoribe Atsimo no toerana ankalazana izany satria eo no vohitra tsy mbola voazanaka na voatafika nandritra ny fitondrana faha mpanjaka, sady niandohan’ny fanjakana Merina.

Tapaka nandritra ny fivoriam-ben’ireo Raiamandreny ara-drazana manerana ny Nosy ny taona 2016 fa ny lohataona no hankalazana ny « Taom-baovao iraisan’ny malagasy » ka ankalazaina mitety faritra amin’ny maha fetin’ny malagasy rehetra ny taom-baovao.

« Fotoana izao hamerenana ny hasim-pirenena, hamerenana ny hasim-panjakana » hoy i Jean Eric Rakotoarisoa, Filohan’ny Fitsarana avo momban’ny lalàm-panorenana teo aloha, sady Raiamandrenin’ny Tranoben’ny Merina, nandritra ny famoahany ny voka-pifidianana filoham-pirenena 2018, tokony miverina amin’ny maha Gasy antsika isika ary tsy menatra amin’ny maha gasy, satria voakosoka tanteraka tamin’ny fanjanahan-tany ny maha Malagasy antsika , vao maika tratran’ny fanatontoloana amin’izao fotoana izao, antony tsy maintsy hanandratana avo ny soatoavina sy ny kolon-tsaina malagasy ».

« Tsara hamafisina ary tsy maintsy tohizana, hoy hatrany izy, ny firaisan-kinan’ny foko 22 eto Madagasikara amin’ny fankalazana sy fanomezan-kasina ny taom-baovao iraisan’ny Malagasy » nandritra ny fankalazana ny taom-baovao iraisan’ny Malagasy tany Toamasina ny Septambra 2019, ary mbola namafisiny nandritra ny fankalazana ny taom–baovao iraisan’ny malagasy 2020 tetsy Ambohijanahary tamin’ireo haino aman-jery.

Tsapa sy hita taratra ny fahabetsahan’ny olona mankalaza sy mankasitraka ny taom-baovao iraisan’ny malagasy amin’ny tsinam-bolan’ny lohataona, toy ny natao tetsy Ankazomalaza Ambohimanga Rova ny septambra 2017, tany Fianarantsoa ny taona 2018, ary tany Toamasina ny 2019, ary tetsy Ambohijanahary ny 2020 ary any amin’ny tanin’ny sakalava kosa amin’ny tsinam-bolan’ny lohataona amin’ity taona 2021 ity. Lire la suite »