CRM

Fitantanana ny Sadc : Hanampy ny filoha Rajoelina ireo andriamanjaka

Publié le Mis à jour le

Ralandison Fenosoa, filoha mpitarika ny CRM

Niarahaba ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fandraisany ny fitantanana ny Sadc ny fivondronamben’ny andriamanjaka. Vonona ny hitondra ny anjara birikiny izy ireo amin’izany.

Ho eo hatrany hanohana sy hanampy. “Vonona izahay fivondronamben’ny andriamanjaka, Com­mu­nauté Royale de Madagascar, hitondra ny anjara biriky, hanampy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, amin’ny andraikitra goavana sahaniny eo anivon’ny Sadc”, hoy ny filoha mpitarika ny fikambanana, ny Printsy Ralandison Fenosoa. Nivoitra izany tamin’ny fivoriambe notanterahin’izy ireo teny amin’ny Rova Manjakamiadana, ny alahady lasa teo. Fotoana koa io niarahaban’izy ireo ny filohan’ny Repoblika amin’izao fitantanany ity vondrom-paritra ara-toekarena ity izao. Haharitra herintaona izany. Nanteriny fa zava-dehibe eo amin’ny firenena izany ka tsy hitazam-potsiny ny fikambanana. “Hi­tondra ny mety ho vitanay izahay amin’izany”, hoy ihany izy. Lire la suite »