fepetra fanorenana ny Firenena

« Nosimbain’ny Mpanjanatany ny foto-pisainana teto Madagasikara, ka mila SAFIDY pôlitika ENJANA isika!’ hoy ny Profesora Raymond Ranjeva teny Ankatso

Publié le Mis à jour le

« Ilaina ny famerenana ny Hasin’ny Vahoaka sy ny Firenena! Ny Tanjona:amin’izany dia ho tari-dalana mankany amin’ny tena Fanorenana ny fiaraha-monina malagasy », hoy ity Filoha Lefitry ny Cour International de Justice (CIJ) teo anivon’ny Firenena Mikambana (ONU) ampolo taonany ity. Ny foto-pisainana malagasy dia: « ny Vahoaka no masi-mandidy sy tena Raiamandreny eto amin’ny Firenena », hoy ny mpandaha-teny, ary « ny Fanjakana dia natao hanompo ny Vahoaka fa tsy ny mifanohitra alin’izany ».