Miami

MIAMI ao Toamasina : Hiova ho « TaMatavy 501 » ny anarana hiantsoana azy

Publié le Mis à jour le

Copyright Image : © Moov

Nankatoavin’ny filàn-kevitry ny minisitra, omaly 31 marsta 2026, ny fanovana ny anaran’ny MIAMI any Toamasina ho TaMatavy 501. Mifandraika kokoa amin’ny tantaran’ity renivohitra Betsimisaraka ity izany fiantsoana vaovao izany, araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa Tanana.

Veliranon’ny fitondrana teo aloha

Iray amin’ireo fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filàn-kevitry ny minisitra faharoan’ny governemanta Rajaonarison, izay notontosaina omaly teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ny fanovana ny anaran’ny toeram-pitsangatsanganana sy fialam-boly antsoina hoe : MIAMI ao Toamasina. Isan’ny tetikasa lehibe najoron’ny fitondrana Rajoelina izy ity, raha tsiahivina, ary iray amin’ireo « Velirano » novoiziny nandritra ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2018.

Nanapa-kevitra kosa izao fitondrana Fanavaozana izao, fa mendrika kokoa hiantsoana ity fotodrafitrasa miorina eo amoron-dranomasin’i Toamasina ity ny anarana hoe : TaMatavy 501. Araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, dia teny roa natambatra no nahazoana io anarana io. Ny « Ta » dia nosintonina avy amin’ny hoe : « Tanàna » ary ny « Matavy » dia anaran’ny mpanjakavavy Sakalava, zanaka vavin-dRamahazoky, izay lasa vadin-dRatsimilaho, mpanjakan’ny Betsimisaraka. Anarana ahafantarana an’i Toamasina rahateo sady mbola be mpampiasa ny hoe : « Tamatave ». Ny 501 kosa dia « code postal » an’i Toamasina renivohitra, izay mifandraika amin’ny Distrikan’i Toamasina I.

Fiverenana amin’ny fototra

« Tsy fanovana anarana fotsiny, fa fiverenana amin’ny fototra » ity fanapahan-kevitra ity, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa Tanana. Rehefa napetrak’i Ratsimilaho tao Toamasina mantsy i Matavy, dia Lire la suite »