Volambita

Mangabe, Ankadivoribe: Volambita 2021 sy seho voalohany ho an’ny Andriamben’Imerina

Publié le Mis à jour le

Natao teny Mangabe teny Atsimondrano ny fankalazana ny « Volambita » (na hoe Lohataona) voalaza fa iraisan’ny Foko rehetra, na dia samy mankalaza izany aza ireo Faritra samihafa. Tamin’io fotoana io koa no niseho voalohany ara-pomba Atoa Jean Michel Rajaonarivony izay Andriamben’Imerina avy ao amin’ny – sy misolo tena ny – Antenimieran’ny Andriana Merina (A.A.M).

Ity farany moa dia mandrafitra, miaraka amin’ireo Foko hafa manerana ny Nosy, ny Antenimieran’ny Oloben’i Madagasikara (A.O.M).

Ny antony nisafidianana an’i Mangabe ho toerana hankalazana ny Lohataona voalohany ho Fiarenan-kasina sy ho toerana hanorenana ny lapa dia:

• toerana manan-tantara izy. Teo amin’ny faritra Ankadivoribe Atsimo tokoa no niandohan’ny Fanjakan’Andriana teto Imerina (Fanongoavana, Ambohitraina, Mangabe, Andraisisa, Beravina, Ampandrana, …).

Izany hoe, ny Andriana rehetra teto Imerina Enin-toko (vavan-tany roambinifolo) dia tao avokoa no nipoirany, na iza izy na iza (na Ambohimanga na Vakinankaratra na Vakiniadiana na Ambohimalaza na Imamo na Fenoarivo na Ambohitrimanjaka na Ambohidratrimo, …).

• Teo Ankadivoribe Atsimo no misy ilay toerana nantsoin’Andrianampoinimerina hoe :
« Ambohimanga Atsimo ».

• izany hoe: « miverina an-doharano » ny Andriana raha nitodika nankeo Ankadivoribe Atsimo.


Tany Boeny kosa no notanterahina ny « Taombaovao Lohataona », na Asarabe 2021


22 Septembre 2017: Tafatsangana ny « Antenimieran’ny Olobe… »« 

22 septambra 2017, nisy ny velirano « Izahay solontenan’ny foko 25 eto Madagasikara, izay nanatrika ny Lohataona natao ny Volambita 22 septambra 2017 tao Mangabe, Ankadivoribe Atsimo, manao izao veliranom-pihavanana ho fiarenan-kasina izao… ».

Hoentina manatanteraka io velirano io, nitsangana ny asabotsy 6 janoary teo ny « Antenimieran’ny olobe manerana an’i Madagasikara », raha ny tatitra nataon’Andrianjanaka José, lehiben’ny fitantanam-pahefana eo anivon’ny AAM. Raha ny nambaran’io tatitra io ihany : «… Izay mamadika ity velirano ity, tompon’andraikitra eo anatrehan’ny vahoaka sy ilay Mpahary ».

Anisan’ny voalaza ao anatin’ilay velirano ny fanamafisana ny fihavanana sy ny firaisankinan’ireo raiamandreny (ampanjaka, sojabe, longo, olobe tompon’ny anaran-dray, tangalamena, lonaka…). Famerenana ny hasin’ny olona, ny hasin’ny tany sy ny zavaboahary. Miray hina amin’ny fiarovana ny harena ambony sy ambanin’ny tany aty an-dranomasina ho tombontsoan’ny Malagasy tsy ankanavaka. Manalavitra ny disadisa samihafa anisan’izany ny entin’ny mpanao politika sy ireo ankolafim-pivavahana.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto sy Fanou – newsmada.com