Andriantsilavonandriana
Philosophie – Socrate, son procès et sa condamnation à mort
Narration audio sur la fin de vie du « père de la Philosophie athénienne »
Erick Manana sy Jenny: « Ry voronkely hary elatra »
» Ry VORONKELY ARY ELATRA … » Vieille chanson Allemande du 19éme siècle. » In einem kühlen Grunde » (Paroles: Joseph von Eichendorff / Paroles en Malgache: Erick Manana) (Musique: Friedrich Glück
Antenimierandoholona Anosikely: tsy nanaiky hametraka samboady an’ny Honorable Richard Ravalomanana ny Filohan’ny Sénat malagasy Herimanana Razafimahefa
Nangataka fivoriana mikaton-trano « à huis clos » ny Filoha lefitra Nicolas Rabemananjara. « Nanao fanambarana indroa misesy izay tsy mifanandrify velively mihitsy amin’ny Fihavanana malagasy ity mpiray tanindrazana amiko (Richard Ravalomanana) ity », hoy ny Filoha Herimanana Razafimahefa.
Nofaranan’ny Filohan’ny Sénat tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana ‘tsy manara-dalàna » [hoy izy]. Taorian’izay dia notanterahan’ireo loholona tavela ny fanonganana azy tsy ho Filohan’ity Andrimpanjakana ity [noho ny antony tsy ara-dalàna (hoe « marary saina »), hoy ihany ity farany].
Propagandy : Kandida tokana no miomana amin’ny fifidianana

Androany 10 oktobra no fanombohana ofisialy ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Kandida iray ihany nefa hatreto no tsikaritra fa mandray anjara amin’izany propagandy izany.
Mafana tanteraka ny raharaha politika eto Madagasikara, indrindra moa ny eto afovoan-tany. Tsy nanaiky ny hiroso amin’ny fampielezan-kevitra mantsy ireo kandida mivondrona miisa 11, noho ny fitakiana izay tanterahin’izy ireo, efa herinandro mahery izao. Ny kandida Andry Rajoelina kosa dia nanomboka ny fihetsiketsehana nokarakarainy, entina andresena lahatra ny vahoaka, ny amin’ny handraisany indray ny fitondrana ny firenena.
Fitetezam-paritra
Iray volana latsaka kely no anatanterahana ny fampielezan-kevitra, araka ny voafaritry ny lalàna mikasika ny fifidianana. Hitety vohitra araka izany ireo kandida tsirairay. Ho an’ny kandida Andry Rajoelina manokana, fotoam-bavaka no nanombohany ny propagandy, teny amin’ny Akamasoa. Nafanain’ny mpanakanto ara-pilazantsara malaza maromaro moa ny fotoana. Tazana teny an-toerana ny minisitra roa izay vao avy nametra-pialana, dia ny minisitry ny kolontsaina sy ny serasera, Lalatiana Rakotondrazafy, sy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Michelle Sahondrarimalala. Nihazo an’Antsiranana moa i Andry Rajoelina ny tapak’andro hariva. Efa tamin’ny 6 ora hariva teo ho eo no nigadona tany an-toerana ny tenany.
Tsikaritra fa i Andry Rajoelina irery no mbola nametraka afisy tamin’ireo « panneaux officiels » eny an-dalambe. Efa re tsikelikely amin’ny onjam-peo sy amin’ny tambazotra sosialy moa ireo hira fanentanana.
Doka amin’ny haino aman-jery
Mandritra ny propagandy moa no ampahafantarana ny vahoaka ny tetikasa mandritra ny 5 taona ho avy, raha toa ka hitantana ny firenena ilay mirotsaka ho fidiana. Misy ihany koa ny fanoroana ny fampiasana ny bileta tokana, indrindra fa ho an’ireo olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Malalaka ny kandida tsirairay ny amin’ny doka izay ataony, indrindra eny anivon’ireo haino aman-jery isan-karazany. Tsy vitsy ireo efa miomana amin’ny fandaharana manokana amin’ny fahitalavitra na onjam-peo tsy miankina. Tsy adino ny fampahafantarana amin’ny gazety an-tsoratra sy amin’ny afisy.
(source: moov.mg)
Filohan’ny Sénat Herimanana Razafimahefa: maneho ny heviny manoloana ny « Krizy » eto amin’ny Firenena
Manamafy indray izy fa « efa ela no niomana ho Filoha mpisolo toerana an’i Andry Rajoelina » rahefa tonga ny fotoam-pifidianana, araka ny voalazan’ny Lalam-panorenana (…). Manameloka ihany koa ireo herisetra ampiharin’ny mpitandro filaminana. »
« Tsy niamboho adidy izany aho, fa nisy antony tsy niankina tamiko », hoy ihany izy. Mihamazava ny zava-nitranga ankehitriny.
« C’est la méthode mafieuse! »
dixit le Président du Sénat Herimanana Razafimahefa, évoquant la situation que le pays vit actuellement
Miteraka fifandirana eo anivon’ny Sénat ny toe-javatra eto amin’ny Firenena.
Andry Rajoelina: Lahateny ho an’ny Malagasy, 08.10.23
Mahavelom-panontaniana ny hoe « hitranga tokoa ve ny loza amin’atambo eto amin’ity Firenena ity? »
Collectif des candidats et forces de l’ordre: début des affrontements à Analakely, relatifs à l’élection présidentielle
Zava-nitranga teny an-kianja sy teny amin’ny hôpitaly
Hatraiza no «Tia Tanindrazana», rehefa inona no «Mpanavakavaka» ?
«De minimis non curat praetor» : ny tompon’andraikitra ambony tokony tsy handany andro amin’ny zava-poana. Teny latina fampiasa tamin’ny andron’ny Romana, taonjato faha-4 talohan’i J.-K.. Heviny : Resaka hala-botry tsy entina an-dRova. Mitovy hevitra aminy ny hoe «Aquila non capit muscas» : ny voromahery tsy manenjika lalitra. Aleoko tsy mandany andro mitanisa izay nivadika palitao atsy, na manatsatso izay nivarotra fanahy aroa. Misy mantsy ireo raharaha fototra tokony imasoana, iankinan’ny ho avin’ny Tanindrazana sy ny taranaka. Na hisy na tsy hisy fifidianana, resaka tsy maintsy atrehina satria mihatra aman’aina.
Isan’ny tena mavaivay, dia mikasika ny fidiran’ny vahiny sy ny fanorenany fonenana ary ny fakany taranaka eto Madagasikara.
Haintsika loatra ny fahasarotan’ny taratasy takiana amintsika rehefa hivahiny any an-tanin’olona. Ny antsika anefa, vita moramora eny amin’ny seranam-piaramanidina (izany hoe ihany koa eny amin’ny seranan-tsambo izay sisintany) ny fahazoan-dalana hiditra sy hitoetra eto Madagasikara.
Malaza, satria manaitra ny olona, ny mahita ireto Vahiny mivarobarotra mofo amoron-dalana. Isika, raha hivahiny an-tanin’olona, takiana fidiram-bola farafahakeliny iainana ara-dalàna isanandro : ary itony Vahiny itony, nekena ho tonga tanam-polo ? Raha any amin’ny firenena sarotiny amin’ny taniny sy ny fombany, tsy miandry ela dia efa roahina hody any aminy satria ny fahasahiranana mahazo ny teratany aza efa tsy hita izay anaovana azy. Lire la suite »
Docup ApoGENIIES: Note sur le Concept de GENIIES
Le docup sur le concept de Geniies a longtemps été le serpent de mer, une sorte de graal qui fut invariablement le principal sujet de sollicitation de l’Apogeniies.
Or, pour avoir été souvent victimes du « co-pillage » de nos productions d’idées et de concepts directement par les spécialistes de ce fait à Madagascar, ce docup est resté depuis, confidentiel.
Conditions politiques et juridiques d’instauration du GENIIES : ni Transition, ni coup de force, ni conservation du régime
Une note de synthèse est aujourd’hui rendue publique puisque c’est le document que les membres et soutiens de l’Apogeniies remettent aux interlocuteurs qu’ils rencontrent de manière intensive en ce moment : les chancelleries, les candidats putatifs, les représentants des filiations politiques ayant déjà gouverné le pays, les organisations de la société civile au premiers rang desquels les églises, les institutions religieuses et les émanations des sociétés traditionnelles ainsi que les divers compartiments de la société malgache.
Il est plus que temps dorénavant que ce document circule, soit consulté car il présente la seule solution à l’heure actuelle pour éviter l’autodestruction collective que constitue le forcing vers les élections présidentielles dans les conditions actuelles : mal préparées, mal qualifiées, mal financées.
Apogeniies.org
* Télécharger le DOCUP :

- Note sur le Concept de GENIIES
-
- Il s’agit de l’« alliance de préfiguration pour l’organisation d’un gouvernement d’entente nationale intermédiaire pour les institutions et les élections stables, sécurisées et sincères à Madagascar », connu sous le sigle « ApoGeniies »
-
Komity Miaro ny Soa Iombonana – KMSI
Manazava ny Filohany, Atoa Ramahenina Ranaivo Bruno