Malagasy

Fifidianana Loholona: hatao ny 29 Desambra 2015

Publié le Mis à jour le

Araka ny notapahin’ny Filan-kevitry ny Governemanta dia ho tanterahina amin’ny faha-29 Désambra io fifidianana io mba ahazoana mametraka ireo andrim-panjakana rehetra voafaritry ny Lalàm-panorenana (Sénat, Haute Cour de Justice, Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie, sns…).  Ny Lapan’ny Loholona eo Anosikely

Tsiahivina fa ireo Ben’ny Tanàna sy Mpikamban’ny Filan-kevitra monisipaly sy kaominaly no ho mpifidy amin’izany, ary ny rafitra vao ho hatsangan’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fivoriana tsy ara-potoana tanterahany manomboka anio eny Tsimbazaza no hisolo ny CENI-T teo aloha. Ary satria voafetran’ny lalàna fa tsy azo atao eo anelanelan’ny 30 Novambra sy ny 30 Aprily (fotoam-pahavaratra) ny fifidianana eto Madagasikara, dia tsy maintsy notapahan’ny Filan-kevitra ambony momba ny Lalàm-panorenana fa misy ny antony tsy azo hanoharana (cas de force majeure), ka ho tanterahina ihany izany satria tsy ny olon-drehetra no hifidy fa ny mpifidy lehibe ihany.

R.M.

PDS niala: Edgar Razafindravahy, totoafon’ny mpanao gazety…

Publié le Mis à jour le

Raha tsiahivina dia kandidà tamin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena tamin’ny 2013 Atoa Edgar Razafindravahy, nifaninana tamin-dry Hery Rajaonarimampianina, Camille Vital praiministra teo aloha, Jean Louis Robinson minisitry ny Fahasalamana tamin’ny fitondran-dRavalomanana, Hajo Andrianinarivelo praiministra lefitry ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina, Sarah Georget Rabeharisoa vehivavy tokana nilatsaka, sy ny maro hafa koa…

Ny fikambanana noforoniny antsoina hoe « Arche de Noé » no nanohana azy tamin’izany (iray amin’ireo anarany ihany io, prénoms: Edgar Marie Noé!). Rahefa tsy lany izy dia notendren’ny Fitondran’ny Filoha vaovao Hery Rajaonarimampianina ho PDS-n’Antananarivo. Ka mialoha indrindra ny fifidianana izay ho Ben’ny Tanàna voafidim-bahoakan’Antananarivo indray ity resadresaka mahaliana ho raiketin’ny Tantara tao amin’ny fahitalavitra ity:

…Dia teraka ny antoko politika vaovao « Arche de la Nation » (ADN ihany, na Antoka sy Dinan’ny Nosy) manolotra ny sedra ho hatrehana sy ny vava asa miandry.

R.M.

TANIKO – Poopy sy Naivo (tantara sy tononkira)

Publié le Mis à jour le

Après sa surprenante conversion à la foi hébraïque, on peut la suivre en 2013 dans l’émission « Coulisse on Tv » ici…



Io no gasikara tsy atakalonay
Efa io no anjara efa io no lovanay
Tsy ilaozana ela fa tanindrazana
Ary tsy avela ho tany ngazana

Androy any, misy ny aloalo
Ny toerana any dia midadasika
Tsy misy rano fa mosarena any
Tsy mampaninona

Andrefana any andro mafana lava
Ka lambahoany no isalorana
Mavana mainto ala sy ravinala
Any atsinanana

Korana lava ny tsena ao Iarivo
Maro ny lapa azo tsidihina
Mahantamana ny moron-dranomasina
Any an-tseranana

Ou simplement connaître la famille de Josée Helihanta Ramahavalisoa, ici…

Coulisse on TV: le Groupe Sora-po de Mamy Rakotomavo

Publié le Mis à jour le

Emission du 15 Septembre 2013

Fantatrao moa iza i Mamy (Maminiaina) Rakotomavo? Tsindrio àry eto!

Protégé : Ratsitohaina sy ny finoana katôlika

Publié le Mis à jour le

Cet article est protégé par un mot de passe. Pour le lire, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :

Aude Tiana: Enjoy Seychelles!

Publié le Mis à jour le

Hitanao eto ny fivahinianan’i Aude tany Seychelles:

Connaître un peu plus Aude Tiana et sa famille?

Aude Tiana dans son enfance dans le Rova d’Amboditsiry.

Ngetroka karana nalaina an-keriny tao amin’ny Saint-Michel

Publié le Mis à jour le

Fantatra araka ny vaovao voaray alina fa novotsorana tokony ho tany amin’ny 8 ora tany ho any ilay teratany karana Rafik Jaffaraly, tompon’ny Conforama nisy naka an-keriny tamin’ny faha-11 Aogositra lasa teo. Hatreo ihany anefa ny vaovao fantatra fa tsy misy ny antsipiriany. Tsy fantatra araka izany na nisy ny vola naloa na ahoana ary ohatrinona izany.

Tao anatin’ny folo andro tsy nahitana an’ity olona ity dia maro ny siosion-resaka re tetsy sy teroa mikasika iny fangalana an-keriny iny. Re, araka ny resaka izany, fa toa mahatratra hatrany amin’ny 3 miliara ariary any ho any ny vola notakian’ireo olon-dratsy. Lire la suite »

Bienvenue – Welcome to our continent-island!

Publié le Mis à jour le

Ce site interactif est destiné à entretenir l’esprit multi-séculaire du « Fihavanana malagasy » entre les utilisateurs, nationaux, proches ou amis de Madagascar. Cet esprit noble, légué par nos ancêtres a, en effet, tendance à être galvaudé au fil des années, sinon délibérément dénaturé par des esprits sectaires de tous ordres généralement inféodés à des instances politiques sournoises. La grande réputation de « l’ile heureuse » de l’Océan Indien des années ’60 n’est plus qu’un lointain souvenir. Votre participation active servira utilement à contenir avec persévérance, sinon à renverser cette tendance malsaine, avec le temps, dans votre milieu de tous les jours. Visitez notre Blog « Carrefour de l’Océan Indien ». Bienvenue à bord, faites-vous plaisir et passez le mot autour!


Tonga soa!

Tonga soa eto amin’ity sehatra ity ry Malagasy havana! Sehatra izay antenaina fa hampitombo ny fahalalana sy ny ambaindain’ny Kolontsaina sy Fomba nolovaina tamin’ireo Razambe ka nentin’izy ireo nanorina sy nampanjaka ny « Fihavanana malagasy » malaza maneran-tany tao anatin’ny arivo taona mifandimby (mazàna tamin’ny alalan’ny fifanambadiana), saingy tandindomin-doza ankehitriny noho ilay antsoina hoe « fandrosoana » sy « fanatontoloana » tsy voahevitra tsara. Tsy tongatonga ho azy tokoa anefa izany fihavanana izany fa nifototra tamin’ny tantaran’ny niaviany sy ny maha-izy azy teo anivon’ny voahary rehetra. Alao hery àry, ry havana, ny fitandroana mandrakariva io lova sarobidy io eo amin’ny andavanandrom-piananao mba ho ela velona ianao! Tsara ho fantatra anefa fa endrika iray hisehoan’ny Fihavanana malagasy ny « Ziva«