65 taona Oniversiten’Antananarivo
Oniversiten’Antananarivo: Hankalaza ny faha-65 taona niorenany
Mandritra ny herinandro (15 ka hatramin’ny 21 jona 2026 ho avy izao) ny hetsika ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ny Oniversite eto Antananarivo

Araka ny fanazavan’ny filohan’ny mpikarakara, i Nantenaina Rabetokotany, ny 15 jona ho avy izao ny fanokafana ny hetsika, miaraka amin’ny tranoheva iarahana amin’ireo toeram-pampianarana valo mandrafitra ny Oniversiten’Antananarivo tao anatin’izay 65 taona niorenany izay. Eo ihany koa ny diabe arahina fampisehoana ataon’ireo mpanakanto niofana tao amin’ny oniversite, ny 17 jona.
Ny 20 sy 21 jona kosa no hanatanterahana ny «Jeux corporatifs», hanasana ny mpandraharaha sy ny minisitera rehetra. Ahitana lalao ho an’olona fito, basikety, ahitana lahy sy vavy, beloty, tsipy kanetibe ao anatin’ity lalao fanamarihana ny faha-65 taona niorenan’ny Oniversite ity. Eo ambany fiahian’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michaël sy ny minisitry ny Fampianarana ambony ity hetsika ity. Tsara ny manamarika fa maro ireo olomanga navoakan’ny Oniversiten’Antananarivo.
Misy ireo efa misahana andraikitra ambony eto amin’ny firenena ka nanentanan’ireo mpikarakara ho avy mandritra ny fankalazana. Teny faneva amin’izao fankalazana izao ny hoe : «Firaisankina ao anatin’ny fahasamihafana». «Miisa 36 000 ny ireo mpianatra mandranto fianarana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo amin’izao fotoana izao. Mbola mitana ny laharana voalohany amin’ny oniversite rehetra eto Madagasikara ny oniversiten’Antananarivo», hoy hatrany i Nantenaina Rabetokotany. Hisy ny tsangambato toy ny fanatsarana ny esplanade eo amin’ny faritry ny oniversite. Isaky ny toeram-pianarana ihany koa, hananganana efitrano ampitondraina ny anaran’olo-malaza nandalo sy nanamarika ny tantaran’ny oniverisiten’ Antananarivo.
(source: Jean Claude – newsmada.com)