Andafiavaratra

14 Oktobra 1958 – Fiorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara notsarovana teo Andafiavaratra

Publié le Mis à jour le

Betsaka ny mangataka ny mba hahatsiarovana ity daty ity amin’ny fomba ofisialy, izay nandova ny Fanjanahantany (nataon’ny rafitra repoblikana frantsay nandritra ny amam-polotaonany maro, ka nasolo ny Fitondran’ny Mpanjaka malagasy (Monarchie). Teo amin’ny Lapan’ny Praiminisitra Rainilaiarivony teo Andrafiavaratra no nankalazaina ny daty 14 Oktobra 2024.


Andro lehibe tokoa eo amin’ny fiainan’ny Firenena io satria nankatoavina mialoha ny Satan’ny Repoblika (1958) vao azo ny Fahaleovantena tamin’ny 1960. Ka « tokony ho atao andro tsy fiasana nefa andraisan-karama », hoy ny vavolombelon’ny Tantara sady mpandalina Tantara rahateo, ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.

Raha fintinina ny fanehoan-kevitra dia mitovy fijery amin’Atoa Monja Roindefo (filohan’ny antoko MONIMA, izay Praiminisitry ny Tetezamita) ny Jeneraly, fa « toa miverina ho « protectorat » frantsay na fanjanahana amin’ny endrika vaovao indray i Madagasikara ».

 

Tantara ihany ka Tantara (…Tohiny)

Publié le Mis à jour le

(Tohiny)

Ireo zanak’Andriantsilavo telolahy dia nametrahana andraikitra ambony tamin’ny governementa Ranavalona : Rajery natao Andriambaventy teo amin’ny Fitsarana, Ratsimanisa lasa lehiben’ny tafika, ary Rainiharo na Ingahivony, lehiben’ny mpanolon-tsain-dRanavalona. Rehefa nodimandry Rainiharo tamin’ny 1852, dia fandevenana manetriketrika, lambamena aman-jatony no nampombaina ny maty, omby amin’arivony no natao sorona ho dikain’ny tranovorona, tafondro maro vava no rerè ; ary natrehin’ny Mpanjakavavy hatreny amin’ny «Fasan-dRainharo», izay fasana miezinezina indrindra tamin’izany andro izany, eny fa na dia mandrak’ankehitriny aza. Natao fandevenana Andriamanjaka hoy ny fitantaran’izay nanatri-maso. Naharitra 33 taona ny fanjakan-dRanavalona (1828-1861), ary Radama II no nandimby azy tamin’ny 1861. Mbola ny Tsimiamboholahy, notarihin’ny «Andafiavaratra», no nampanjaka an-dRadama II satria Ramboasalama, zana-drahavavin-dRanavalona no notohanan-dRainijohary, lehiben’ny Tsimahafotsy «Andrefandrova».

Rehefa nanjaka Radama II dia notondroi-molotra ho nanao ny sitrapony sy izay danin’ny kibony ireo sakaizany «Menamaso». Ny ankabeazan’ireo Menamaso ireo dia avy amin’Imerina atsimo. Nony ela, lavon’ny Avaradrano Imerina-atsimo ka dia nofongorina ny Menamaso ary nokendaina ihany koa Radama II. Marihina anefa fa misy lovantsofina hafa milaza fa mody novonoina ny Mpanjaka fa nampandosirina niankandrefana ka hoe ao andrefandrefana ao ny fasany.

Volana mey 1863 izany rehetra izany. Teo am-pelatanan’ny zanak’i Rainiharo avokoa ny fahefana. Nanomboka teo dia ny hova Tsimiamboholahy no nifidy ny Mpanjakavavy : Rasoherina sy Ranavalona II, samy zanak’Ambatomanoina ; Ranavalona III, vinanton’Ambatomanoina. Rainivoninahitriniony aloha no natao Praiministra. Tsy nanaja ny Mpanjakavavy Rasoherina anefa izy ka nanapa-kevitra ny filan-kevi-panjakana fa hosoloina an-dRainilaiarivony rahalahiny.

Rainilaiarivony, Tsimiamboholahy, zanak’i Rainiharo, zafin’Andriantsilavo no sady taranak’Andriampirokana mpanjakan’Analamanga fahagola, lafiny nandovany ny faritra nanorenana ny Tranoben-dRainiharo nosoloina ny lapan’Andafiavaratra taty aoriana. Taranak’Antehiroka («Andriana talohan’ny Andriana» hoy ny fiteny sasany) izany no nandidy sy nanapaka teto anivon’ny Nosy, nanomboka 14 jolay 1864 ka hatramin’ny 30 septambra 1895 nidiran’ny tafika frantsay teto Antananarivo.

Avaradrano tompon’ny laka faha «Tany Gasy». Sady mpitari-tafika, no mpanao varotra ary mbola mpihevi-panjakana ireo andriana sy hova nahazo vahana taloha. Telopolo amby zato taona aty aoriana, mba nankaiza ary ny mpandimby ireo Avaradrano ireo ? Aiza ny mpandraharaha ara-toe-karena mifehy ny lalam-barotra ? Aiza ny tompon’ny harena afaka mibaiko ny mpanao politika ? Aiza ireo fianakaviana nanome jeneraly mpitari-tafika, andriambaventy mpitsara ambony, «administrateur civil» voanjo mpampandry tany, «diplomate» maroseranana, ary Ben’ny tanàna tompon-bodivona ?

Nasolo-Valiavo Andriamihaja


Ireo NOSY  MALAGASY

Protégé : Héritage de Rainilaiarivony

Publié le Mis à jour le

Cet article est protégé par un mot de passe. Pour le lire, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :

Protégé : Picnic2 – 11 Décembre 2021

Publié le Mis à jour le

Cet article est protégé par un mot de passe. Pour le lire, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :

Protégé : Picnic 11 Décembre 2021

Publié le Mis à jour le

Cet article est protégé par un mot de passe. Pour le lire, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :

Protégé : Fivoriana teny Ilafy: 11 Septembre 2021

Publié le Mis à jour le

Cet article est protégé par un mot de passe. Pour le lire, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :

Takelaka: Andriantsilavonandriana – Andafiavaratra

Publié le Mis à jour le

Takelaka Andriantsilavonandriana – Andafiavaratra

« AZA MANARY ILO MBY ANDOHA »

                        Lapan-dRainilaiarivony ao Ambohitsirohitra, lasa « Palais d’Etat »

Titres
Vohitra sy Tantara: Rainilaiarivony Tsimiamboholahy sy Andafiavaratra
Teny indraim-bava Tsimiamboholahy Omaly sy Anio
STATUTS Fikambanana Fivoriana teny Ilafy: 07 Août 2021
Fivoriana teny Ilafy: 11 Septembre 2021 Bse Victoire Rasoamanarivo
Filoham-boninahitra: Alexis Razafindratsira Fivoriana teny Ilafy: 23 Octobre 2021
FANASANA: 11 Décembre 2021 Ny Renin’i Rainilaiarivony
Picnic Ilafy 11 Décembre 2021 Picnic2 Ilafy 11 Décembre 2021
Fivoriana tao Tsaralalàna 11 Juin 2022 Fivoriana CCIAA Analakely 10 Septembre 2022
Fivoriana tao Tsaralalana 12 Novembre 2022 FANASANA – Ilafy, Décembre 2022
Fihaonambe – ILAFY 10 Décembre 2022 Sary sy Tatitra  Analamahitsy 28.01.23
Fivoriana Villa Rakotoarison (Mandrosoa Ivato): 15 Aprily 2023 Fivoriana teny Lazaina – 19 Aogositra 2023
Ireo natao hoe « Tsimiamboholahy » ANDY RAZAF: Ilay Printsy Malagasy tafatsoaka tany Etazonia
Andriantsilavonandriana- Andafiavaratra:  Tatitra Voeux’24 VANF antranokala – Toraky ny Tamin’ny Lasa

Andafiavaratra: faire date

Publié le Mis à jour le

Chronique de VANF

Nosy malagasy vs. îles éparses : le palais d’Andafiavaratra accueille ce jour (18 Novembre 2019) la «consultation» franco-malgache sur des îles qui étaient encore dépendances de Madagascar avant le décret du 1er avril 1960.

Dans l’histoire complexe entre la France et Madagascar, le 18 novembre 2019 rejoint donc le 18 février 1916 et le 22 juillet 1948. Ici, le 18 février 1916, en pleine «guerre de 14», s’ouvrait le procès des V.V.S. (Vy, Vato, Sakelika) : de nombreux élèves-fonctionnaires de l’école Le Myre de Vilers, des médecins, des écrivains, furent poursuivis pour subversion nationaliste. Ici, également, le 22 juillet 1948, trois ans après la «guerre de 39-45», débutait le procès des parlementaires du MDRM (Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache) après les «événements» du 29 mars 1947.

Des condamnations à un exil mahorais furent prononcées en 1916. Déjà impliqués dans le mouvement VVS, Joseph Ravoahangy-Andrianavalona et Joseph Raseta seront cette fois condamnés à mort au procès MDRM. Jacques Rabemananjara sera condamné aux travaux forcés à perpétuité. Tous les trois étaient pourtant députés de la première législature de la Quatrième République française depuis novembre 1946.

Le 21 mars 1946, à l’Assemblée nationale constituante, les députés Ravoahangy-Andrianavalona et Joseph Raseta avaient déposé une proposition de loi en deux articles : «La loi du 6 août 1896 est et demeure abrogée. Madagascar est un État libre, ayant son gouvernement, son parlement, son armée, ses finances, au sein de l’Union Française». Cette démarche malgache s’inscrivait dans la dynamique de la proclamation de la République démocratique du Vietnam, le 2 septembre 1945, par Ho Chi-Minh. D’ailleurs, la rédaction de la proposition de loi malgache reprenait mot pour mot les termes de l’accord franco-vietnamien du 6 mars 1946.

En mai 1942, les troupes coloniales françaises furent impuissantes à empêcher le débarquement à Diégo-Suarez des troupes britanniques, avant d’être chassées d’Antananarivo le 23 septembre. Si le 29 mars 1947 malgache avait eu l’organisation militaire de l’Ironclad britannique de 1942 ou l’exaltation patriotique des Vietnamiens à Diên Biên Phu, le 7 mai 1954, l’indépendance de Madagascar n’aurait été, ni «octroyée» ni «assortie» d’une amputation in extremis.

Andafiavaratra, pour le grand public, désigne le «palais du Premier Ministre». Mais, Andafiavaratra est aussi le nom de la famille éponyme : ces «Terak’Andriantsilavo», lequel Andriantsilavonandriana dut sa fortune politique au Roi Andrianampoinimerina. Vingt ans après la mort d’Andrianampoinimerina (1810), les trois fils d’Andriantsilavo se partageaient la Justice, l’Armée et l’Administration sous le règne d’une Ranavalona (1829-1861), que le national-patriotisme, mis en effervescence autour de la question de ces îles, n’a toujours pas réhabilitée dans la mémoire collective où elle demeure à l’index comme persécutrice des Chrétiens.

Ravagé par un incendie, le 11 septembre 1976, le palais d’Andafi­avaratra renaîtra de ses cendres par l’obstination de Gisèle Rabesahala (1929-2011), alors Ministre de la Culture (de 1977 à 1991). Celle qui fut jeune militante au MDRM (1946) et secrétaire générale de l’AKFM (1958) nous a légué un livre dont le titre est tout un credo : «Ho tonga anie ny Fahafahana», Que vienne la liberté !

Andafiavaratra, au Nord mais en altitude déférente vis-à-vis de Manjakamiadana, se détache sur la silhouette d’Antananarivo depuis le 29 juillet 1872. Ce jour-là, le Premier Ministre Rainilaiarivony manifestait sa toute-puissance : il venait de remplacer la «Tranobe», construction traditionnelle en bois de son père Rainiharo, par une audace architecturale associant la pierre, la brique, le bois et le verre d’une coupole qui va faire descendre la lumière naturelle du jour sur les discussions à propos des îles malgaches du canal de Mozambique.

Premier Ministre aux pleins pouvoirs de juillet 1864 à septembre 1895, Rainilaiarivony avait été, longtemps, l’ultime obstacle aux ambitions coloniales de la France à Madagascar. Charles Le Myre de Vilers, ancien gouverneur de la Cochinchine et résident général à Madagascar, informa un jour le Premier Ministre de l’entente franco-britannique «troquant» Madagascar contre Zanzibar (5 août 1890). Rainilaiarivony avisa un couvre-chef sur un guéridon proche et répondit au plénipotentiaire français : «Vous voyez ce chapeau de Rabibisoa : qu’en penserait-il si je vous en faisais cadeau ?»

Ce trait d’esprit résume tout le malentendu né de ce décret du 1er avril 1960.

(L’Express de Madagascar – 18-11-19)

Famintinana