Vinan’Andrianampoinimerina [1745 – 1810]: « Fanjakana sy Firenena tokana i Madagasikara »
Nofehezin’Andrianampoinimerina tamin’ilay rijanteny malaza hoe « Ny riaka no valampariako ». Nankatoavin’ny Firenena anglisy izany, ary narahan’ireo Firenen-dehibe hafa (Angletera, Frantsa, Alemaina, Etazonia, …), tamin’ny nanekeny an-dRadama I zanak’i Nampoina ho « Mpanjakan’i Madagasikara » tamin’ny taona 1817.
Ho fanabeazana ny olom-pirenena no nanatontosana ny oronan-tsary « Nampoina », hoy ny Profesora Raymond Ranjeva izay Filoham-boninahitry ny Akademia malagasy. no sady Président de l’Académie africaine des Sciences religieuses, sociales et politiques (Dakar)