Andrianampoinimerina

Taombaovao Malagasy 2025 – Doany Ankazomalaza : Famerenan-kasina ireo fomba Malagasy adinodino

Publié le Mis à jour le

Copyright Image : © Moov

Ny 29 hatramin’ny 31 marsa no hiatrehana ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy 2025. Ny eny Ambohimanga no handray ny hetsika rehetra amin’ity taona ity.

Fety lehibe ho an’ny Malagasy tsivakivolo ny Taombaovao Malagasy 2025. Amin’ny faran’ny volana marsa izany no hanomboka ny taona vaovao. Eny amin’ny Doany Ankazomalaza Ambohimanga no fotoana, ka mizara telo ny fankalazana.
-Sabotsy 29 marsa : Fanokafana ny fankalazana
-Alahady 30 marsa : Fankalazana ara-drazana
-Alatsinainy 31 marsa : Fankalazana ara-panjakana
Tsara ny manamarika fa toerana kely anaty alaala sy akaiky tanimbary ny Doany Ankazomalaza, 2 kilometatra miala ny Rovan’Ambohimanga.

Fanatanterahana fomba Malagasy manan-danja

Noho ny rivotra entin’ny fandrosoana, marobe ireo fomba Malagasy no zary adino. Ny lanonana makotroka toy ny Taombaovao Malagasy nefa no hanaovana indray ireo fomba nentim-paharazana manan-danja maro.
Mandritra ny fanokafana ny fankalazana, ny sabotsy 29 marsa, dia hisy ny fidiovana sy ny fanasinana. Ny takariva kosa dia hisy ny arendrina malagasy, iarahana amin’ireo ankizy rehetra manodidina. Mazava ho azy, hisy ny fandrehetana ny afo tsy maty. Ny alina mandra-maraina, manatrika ny fetibe antsoina hoe « Lamalama » ny rehetra. Azo antsoina ihany koa io fomba io hoe tsimandrimandry.
Ny alahady 30 marsa no andron’ny taombaovao 2025. Fiaraha-mizara fifaliana noho ny taona no tena votoanton’ireo fomba malagasy ho tanterahina amin’izany : fidiovana safo-drano, tatao, tsitsika & tolotra hasina, Joro Alahamady & tentina, tso-drano, dihin’ny Ntaolo sy zara hasina. Hampiavaka io andro io ny fitokanana ara-drazana ny lapan’Andrianampoinimerina eo anivon’ny Doany Ankazomalaza Ambohimanga.
Ho an’ny alatsinainy 31 marsa kosa, ny fitokanana ara-panjakana ny lapan’Andrianampoinimerina no hatrehina. Hisy araka izany ny kabary ifandimbiasan’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana sy ara-drazana. Tsy adino ireo fomba malagasy tsy azo iodivirana amin’ny fankalazana ny taombaovao : fidiovana fafi-rano, tsitsika & tolotra hasina, vono omby & tsodrano ary dihin’ny ntaolo sy zara hasina.

Fanentanana ho an’ny rehetra

Tsy anavahana foko na firazanana ny fankalazana ny taombaovao Malagasy 2025 eny amin’ny Doany Ankazomalaza Ambohimanga. Eo am-pidirana dia efa misy ny fampahafantarana mikasika ireo fadifady mila tandremana. Amin’ny ankapobeny nefa, tsy azo atao ny mitondra osy, ondry, kisoa sy tongolo any an-toerana. Ny fitafy kosa dia mety daholo, ankoatra ny akanjo mainty.
Entanina manokana ireo mpianatra sy mpikaroka hanotrona ny fotoana rehetra, mba hahafantarana misimisy kokoa mikasika ny fomba malagasy.  » Ezahina ampahafantarina sy ampitaina amin’ny taranaka faramandimby aty aoriana ny fombandrazana malagasy mba tsy ho very sy tsy ho verezina amin’ny zavatra hafa « , hoy ireo mpikarakara.

(source: moov.mg)

Tantara ihany ka Tantara

Publié le Mis à jour le

Raha tonga teto ny Frantsay tamin’ny 1895, dia tsotra sady nazava ny firafitry ny fanjakana merina izay nisahana ny androantokon’ny Nosy : Ranavalona III, mpanjakan’i Madagasikara, tompon’ny hasina ; Rainilaiarivony, Praiministra sady «commandier in chief», tompon’ny fahefana rehetra. Ranavalona, Anatirova sy Manjakamiadana, andriana. Rainilaiarivony, Andafiavaratra, antehiroka sy hova.

Ilay Mpanjaka fanta-daza Andrianampoinimerina, taranak’Andriamasinavalona, zafikelin’Andriambelomasina sady zanak’anabavin’Andrianjafy, dia nampanjakain’ny Hova Tsimahafotsy avy eo Ambohimanga. Nony nanjaka izy, sahabo 1785 na 1792, dia ny Loholona avy ao Avaradrano no nomba azy, indrindra fa ny Andriamasinavalona, ny Tsimahafotsy ary ny Tsimiamboholahy.

Rabefiraisana (Tsimahafotsy) ary Andriantsilavo sy Hagamainty (Tsimiamboholahy) no isan’ny mpanolon-tsaina malaza indrindra tamin’ny andron’Andrianampoinimerina. Rehefa nandimby fanjakana Radama (1828) dia somary voahilika ny Hova fa niverina tamin’ny Andriana ny fahefana.

Mbola ady hevitra mandrak’ankehitriny moa ny amin’ny zon-dRabodonandrianampoinimerina handimby Fanjakana. Tsy tompon’ny farany Radama ka tsy maintsy naverina amin’ny zanak’anabavy ny Fanjakana. Imavo na Rabodonandrianampoinimerina, zana-dRabodonandriantompo avy eo Ambatomanoina fa zafiafin’Andriambelomasina avy amin’Ambohimanga, anefa dia zanaka natsangan-dRalesoka, anabavin’Andrianampoinimerina. Tsy noho ny naha vadin-dRadama azy fa amin’ny naha zanak’anabavin’i Ombalahibemaso azy no afaka niakarany teo amin’ny Fiandrianam-panjakana ho Ranavalona.

Tamin’ireo loholona nampanjaka an’i Mavo dia voarakitry ny tantara ny anaran’Andriamambavola, andriamasinavalona nifehy an’Ambohidava ; ry Rainijohary, taranak’i Rabefiraisana ary Rainiharo, zanak’Andriantsilavo. Tsy adino koa Andriamihaja, Tsimiamboholahy naman’Andriamambavola.

Radama II, dia tsy zanak’i Radama I fa (angamba) zanak’i Ranavalona I tamin’Andriamihaja. Ny Andriamanjaka moa tsy misy fady koa dia nitaiza Andriana (soratana amin’ny litera sorabaventy satria ny Andriamanjaka fa tsy ireo Havanandriana) ny ankabeazan’ny mpanolon-tsaina avo. Azo lazaina fa tamin’ny andron-dRanavalonareniny (fomba fiantsoana azy nony taty aoriana nanjaka Ranavalona Faharoa) no nampahazo laka tanteraka ny hovan’Avaradrano : ny Terak’Andriantsilavo (Tsimiamboholahy) sy ny Taranak’i Rabefiraisana (Tsimahafotsy), izay efa sakaizan’Andrianampoinimerina efapolo taona nialoha izany. Na ny Tsimahafotsy (Ambohimanga) na ny Tsimiamboholahy (Ilafy sy Namehana) dia samy Menabe, izany hoe tsy tataovan’andriana tompombodivona fa niankina mivantana amin’ny Andriamanjaka.

(Hitohy)

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Vinan’Andrianampoinimerina [1745 – 1810]: « Fanjakana sy Firenena tokana i Madagasikara »

Publié le Mis à jour le

Nofehezin’Andrianampoinimerina tamin’ilay rijanteny malaza hoe « Ny riaka no valampariako ».  Nankatoavin’ny Firenena anglisy izany, ary narahan’ireo Firenen-dehibe hafa (Angletera, Frantsa, Alemaina, Etazonia, …), tamin’ny nanekeny an-dRadama I zanak’i Nampoina ho « Mpanjakan’i Madagasikara » tamin’ny taona 1817.


Ho fanabeazana ny olom-pirenena no nanatontosana ny oronan-tsary « Nampoina », hoy ny Profesora Raymond Ranjeva izay Filoham-boninahitry ny Akademia malagasy. no sady Président de l’Académie africaine des Sciences religieuses, sociales et politiques (Dakar)


Lancement du film « Nampoina » : la classe politique réunie autour d’Andrianampoinimerina


Ampianaro [Poopy sy Naivo]

ANDRIANTSILAVONANDRIANA: Andafiavaratra, Tsimiamboholahy

Publié le Mis à jour le

Teraka: ANDRIATSILAVONANDRIANA/ « ANDAFIAVARATRA « 
Mankasitraka ny rehetra tonga t@ fivoriam-be androany Asabotsy 10 Décembre 2022 !!
Indrindra ny fifankalalàna 😄
Misaotra indrindra ny tompon’ andraikitra nanome ny toerana, sy mbola namoha ny Rova!
Misaotra manokana ireo « conseils des sages » taloha, sy ireo vaovao vao nanolo-tena, ary koa ny coordonnateur.
Ho samy tratry ny taona ho avy iny daholo Tompoko.🙏
Hindrana ilay teny voalaza teny:
Hitsikitsika ny tompon’ny tanàna !!

Mbola hita soritra eto amin’ireto Taranaka ireto ny endrik’ireo Razambe niandohana: ny Mpanjaka Andrianjaka, ary mbola talohany i Rangitamanjakatrimovavy. efa ho 500 Taona mahery izao, izay nipoiran’ny Mpanjaka hendry notahian-Janahary ANDRIANAMPOINIMERINA, na Imboasalama (Ny Ombalahibemaso) taty aoriana.


TATITRA:

Protégé : Fihaonambe – ILAFY 10 Décembre 2022


Ho fanomezam-boninahitra azy dia nomen’ny Ben’ny Tananan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina ny anaran’ny Mpandraharaha malagasy malaza Itompokolahy RANOHISOA Seth (sady efa mpikambana tao amin’ny Sénat)  ny Arabe mirefy 2 kms eny Ankorondrano mihazo ny Marais Masay rahefa nahazo ny fankatoavan’ny Filankevitra monisipaly.

Le maire de la capitale, Naina Andriantsitohaina, a procédé à l’inauguration de la rue « Ranohisoa Seth », hier à Ankorondrano.

Lancement du film « Nampoina » : la classe politique réunie autour d’Andrianampoinimerina

Publié le Mis à jour le

Portrait apocryphe du grand Roi unificateur Andrianampoinimerina.

Susciter l’intérêt général pour la connaissance de l’histoire de Madagascar et faire apparaître les spécificités d’être malgache.

Lancement du film intitulé « Nampoina, Ny riaka no valampariako », hier après-midi, à l’hôtel Carlton, dont le professeur Raymond Ranjeva en est l’auteur et Henri Randrianierenana le réalisateur.

Toujours est-il que cette cérémonie a vu la présence de politiciens, d’universitaires, d’artistes, d’académiciens et d’autres personnalités. Il s’agit, entre autres, de Marc Ravalomanana, Jean Brunelle Razafintsiandraofa, Hanitra Razafimanantsoa, Tabera Randriamanantsoa, Lucile Rabearimanana, Ramisandrazana, Siteny Randrianasoloniaiko, Ahmad, Dama, Bekoto et Jaojoby. Ce projet relève d’un film de fiction historique sur la base de documents historiques à propos du roi Andrianampoinimerina. Son objectif est de consolider l’unité nationale malgache autour du projet et de l’idée du premier souverain dans l’histoire de Madagascar à avoir prôné et organiser l’unité nationale.

Absence de repères

La durée du film est de 120 mn et a vu la participation, entre autres, de l’association Valamparihy, du professeur Raymond Ranjeva : auteur du film et co-initiateur du projet, Mark Murphy de Solar Products (U.K) : producteur, Rupert Parker : directeur photo et Henri Randrianierenana comme réalisateur. Les lieux du tournage se feront à Anjozorobe, Fenerive-Est et Fort-Dauphin. Notons que le tournage va durer trois mois, la première diffusion aura lieu en avril 2022. Quant à la diffusion locale, elle sera gratuite, touchant notamment les universités publiques et privées et la chaîne de télévision nationale. Pour la diffusion internationale, elle se fera, par Netflix (partenariat avec Solar Product), diffusion sur câble, youtube, le site www. nampoina.mg, les réseaux sociaux et le centre culturel international avec Madagascar. Lors de son intervention, le professeur Raymond Ranjeva a parlé de la méconnaissance et l’absence de l’appropriation de l’histoire, de l’absence de repères ainsi que de la perte de fierté d’être malgache.

Dominique R. Midi M/kara


Interview du Professeur Raymond Ranjeva: « … le génie de ce grand Roi reflète la place de Madagascar dans l’histoire de la pensée politique universelle »

Andrianampoinimerina sy Andriantsivongo [Mangabe, Ambohimanga]

Fizahantany: Ankadimanga, Sambaina (RN2)

Publié le Mis à jour le

Santionan’ireo « Circuit Trekking » maro karakarain’ny ORTANA atao Tolotra ho an’ny Fizahantany. Tanàna misy ny Dobo sy Fasan-dRamiangaly izay iray amin’ireo vadin’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina sy tena notiaviny no hita ato.

Ny Aty Aminay: Foko Anakara ao Matitanana

Publié le Mis à jour le

Iray amin’ireo antokon’olona, na Trokiny, mandrafitra ny Foko Antemoro ao Vohipeno, Manakara, ity foko ao Vatomasina (na Vatomasy) ity. Ary tamin’ny fotoan’androny dia nanafaran’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina solontena honina teto Antananarivo mba ho mpanolotsaina azy sy Radama I teo amin’ny fandaminana ny raharaham-panjakana sy ny fampiraisam-pirenena.


Ilon-dRazana sy Hasina miampita: « Référent identitaire »

Andrianampoinimerina sy Andriantsivongo [Mangabe, Ambohimanga]

Publié le Mis à jour le

Pour unifier Madagascar, le grand Roi Andrinampoinimerina [« celui issu du coeur de l’Imerina », ou Nampoina] s’attacha les services d’Andriantsivongo un homme doué de bon sens et de vertus ancestrales, d’origine Antemoro  – Ampanabaka (du Sud-Est de la Grande île).

Connu comme « le plus sage » de tous les rois de Madagascar et, de surcroît, le plus grand « visionnaire » de cette Grande Ile qui a traversé les siècles, Nampoina installa Andriantsivongo sur la colline de Mangabe, juste  en face d’Ambohimanga Rova pour remplir sa mission à ses côtés.. Le  « Doany »  (sanctuaire traditionnel) pour vénérer Andriantsivongo s’y trouve encore de nos jours et est très fréquenté par des visiteurs venant du monde entier, pour demander des bénédictions.


Lancement du film « Nampoina » : la classe politique réunie autour d’Andrianampoinimerina


Vinan’Andrianampoinimerina [1745 – 1810]: « Fanjakana sy Firenena tokana i Madagasikara’


Nangonin’i Moïse Ramilamintsoa

MAMALAN-KIRA INDRAY #VANF

Sombin-tantaran’Andriamahazonoro (1773-1828)

Anarana nanana ny lazany, saingy mety ho vitsy mahalala ankehitriny, ny anaran’Andriamahazonoro, ilay Anakara isan’ireo Antemoro nafaran’Andrianampoinimerina avy any Matitanana, ka tonga teto Imerina tamin’ny taona 1802. Noho ny soa vitan’izy mirahalahy, Andriamahazonoro sy Ratsilikaina zokiny, dia naiditr’Andrianampoinimerina ho isan’ny Andriamasinavalona izy, ka izany no ambaran’ny tranomanara eo ambonin’ny Fasana etsy Ankadivato izay naorin-dRaharolahy, zanak’Andriamahazonoro.
Andriamahazonoro no naman-dRatefinanahary, vinanton’Andrianampoinimerina, nitondra ireo sivy mirahalahy hianatra tany Englanda tamin’ny 1821. Ratsilikaina kosa, ilay zokin’Andriamahazonoro, dia isan’ireo nanao sonia ny fifanarahana tamin’ny Farquhar sy Radama, ny 23 oktobra 1817. Raharolahy, lahimatoan’Andriamahazonoro sy Rafaravavy, dia tanatin’ny iraka notarihin’Andriantsitohaina nalefan-dRanavalona handamin-draharaha tany Englanda ny taona 1837, rehefa niala teto ny Misionera LMS roa taona nialoha izany. Izy ihany koa no nisantatra ny lanonana fanamasinana an-dRasoherina teo amin’ny kianja Andohalo tamin’ny 1863.
Nanambady vehivavy Andriandranando Andriamahazonoro ary razamben’ny Andriana maro fanta-daza eto Imerina.
Ho fizarana, fanohizana izay efa nataon’ny tany aloha, indro sombiny amin’ny tantaran’Andriamahazonoro, araka izay nampisehoan’ny Gazety Maresaka azy isan-kerinandro, nanomboka ny 11 jolay 1980 ka hatramin’ny 24 oktobra 1980. Tantara nalaina tamin’ny «Fandràka», izay nipetraka tao amin’ny Tranomanara teo Ankadivato : tsara tahiry tao hatramin’ny taona 1868 nahavitana ny fasana ka hatramin’ny 1913 nahitany indray ny masoandro.
Izao no teny farany ho an-dRaharolahy, ao amin’io Fandràka nosoratan’Andriamahazonoro io (taona 1828) : «Anaka, lehilahy ianao, koa misehoa ho tena lehilahy dieny izao. Hendre tsara ary mazotoa mianatra. Tratraro izay faritra mety ho azon’ny zana-bahoaka. Raha azo atao, aza miditra amin’ny raharaham-panjakana ary aza dia mampiseho na fahaizana na fahendrena be loatra amin’izay Andriamanjaka tompoina. Tsarovy lalandava fa Antemoro Anakara avy any Matitanana isika. Tano fa aza sarahina amin’izay foko mahery sy hendry noho izy ny fokontsika. Maneke lalàna ary mankatoava lehibe. Tiavo ny havan-drehetra. Misy zandrinao any Vatomasina, Matitanana, ka atsangano ho zanaka, fa aza avela ho faty maso ny fianakaviana any ambany. Zarao roa izay herin’ny tenanao ka omeo azy izay mendrika azy. Hajao ny Fandràka ary ataovy fantatra izay ao anatiny. Tiavo ny zava-drehetra. Ento izahay, ento midina fa aza avela mandrakizay atý Imerina».
Amin’ny faramparan’ny Fandràka nosoratan’Andriamahazonoro, dia mitantara ihany koa ny resaka nataon-dRatsilikaina :
«Nandre aho fa tsy salama ny mpanjaka. Nanaitra ny fieritreretako izany, koa dia tonga aho mba hiresadresaka sy hifampidinidinika isika mirahalahy. Andro roa samy lehibe avy izao no hitantsika mirahalahy teto Imerina, dia ny an’Andrianampoinimerina izay fantatsika ny fiafarany sy izao an-janany izao. Andro samy hafa ireo, samy hafa noho ny toetr’izy ireo samy hafa. Izao isika dia amin’ny andron-dRadama izay madiva hifarana, dia Radama izay diso hanta teo imason-drainy fa efa fantatra tamin’ny fahavelon-drainy ny toe-tsainy. Ahirato ny masom-panahinao ka todiho ny andro lasa. Ny saina mandinika dia efa mahatazana sahady izay loza mety hitranga haterak’izany fahafatesana tampotampoka izany, izay tsy maintsy hitambesatra amin’ny manodidina, tsy ny havany ihany fa ny sakaizan-dRadama koa. Koa dia manahy aho ny momba antsika mirahalahy izay nieren-doza tsy satry tamin’ny lasa».
Fa efa hoy Ratsilikaina ao amin’ny sorany ao amin’ny bokiny (taona 1810) : «Teren-doza lehibe ny andro rehetra hipetrahanay eto Imerina hatramin’izao, na ny havan’ny mpanjaka amin’izay fotoana maha diso fanantenana azy, na ireo andaniny tsy mankasitraka an-dRadama dia samy mahatahotra anay avokoa, fa izay iray amin’ireo tsy maintsy mamely».

Lire la suite »

Protégé : Tantaran-dRazana malagasy – Ny ANAKARA: Ralitavaratra sy Andrianampoinimerina

Publié le Mis à jour le

Cet article est protégé par un mot de passe. Pour le lire, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :