Fanjakana

[« Administration »] – Mby aiza, 130 taona aty aoriana

Publié le Mis à jour le

Lasa ny saiko. Tsy ampy olona nanana traikefa «administrateur civil»  tokoa Rainilaiarivony (Praiministra 1864-1895). Raha nanana olona niaina «administration» (fanantontosana ny politikam-panjakana mikasa soa iombonana) izy, nandeha lavitra kokoa, satria tafapaka tokoa, ireo fanavaozana nentiny tamin’ny volana martsa 1881.

Tsy ampy ny famoronana «Governemanta» anarany fotsiny. Nisalotra anarana ho «ministra» ireo izay voatendry, saingy sarintsarim-pahefana no teo am-pelatanany satria Ingahibe no tompon’ny teny farany na hatramin’ny zavatra heverina ho bitika aza. Impiry impiry miverina ny teny midina hoe : «entina miakatra Antananarivo», «akarina Anatirova».

Na Napoléon (Emperora frantsay 1804-1814), na Bismarck (Lehiben’ny Governemanta alemana 1871-1890), na Woodrow Wilson (Filoha amerikana 1913-1921), tsy nisy nahay «administration» hatrany an-kibon-dreniny.

Henri Fayol (1841-1925), izay heverina ho rain’ny «administration publique» any Frantsa, dia «ingénieur des mines». Izy no voalohany namaritra rindram-pitsipika («théorie») hitantanan’ivon-toerana tokana sehatra aman-jatony. Nosiratsirahiny ho dimy lehibe izany fandaminana izany : «prévoir» (mitsinjo ny manaraka), «organiser» (inona no andraikitr’iza), «commander» (mitondra olona), «coordonner» (mampirindra ireo manana andraikitra), «contrôler» (fanaraha-maso sy tombana araky ny mason-tsivana voafaritra mialoha). Ireo indray dia mitaky «infrastructure» (rafitra iarahana), «personnel» (mpiasa maty hanina na ampy traikefa), ary «organisation» (fandaminana).

Tsy teo ambany mason-dRainilaiarivony ny fomba fitantanana fahiny elabe tany Sina, Egypta, Roma. Sahirana tamin’ny sotasotan’ny Frantsay izy, izay nibahana ny androa-tokon’ny 31 taona nitantanany, hany ka tsy tanteraka ilay fitsinjaram-pahefana : azo heverina ho tany niady tokoa mantsy ny Fanjakana vao maty Jean Laborde, taona 1878. Hevi-dalàna tsy mitovy amin’ny fandovam-pananan’olon-tsotra no niitatra ho ady teo amin’ny firenena roa tonta.

Ho an-dRainilaiarivony, tsy ampy na dia fampitahana ho alaina tahaka fotsiny aza tany am-boalohany. Sahirana tamin’ny zavatra hafa ireo iraka tany ivelany (1829, 1837, 1864, 1882) ka tsy nanam-potoana handinika, hianatra ary hanao tatitra an-tanindrazana ny fomba fitantanana tany Eoropa. Io anefa no nimasoan’ny Japoney ka nahatonga azy ho mpifaninana mivantana tamin’ny Tandrefana raha vao nitsidika fotsiny ny taonjato faha-20.

Tsy hampitovy zavatra tsy mitovy : Japana Meiji, tsy Imerina na Madagasikara tamin’ny andron-dRainilaiarivony. Sao isika dia hifamita-tena amin’Andriba vaovao eto. Efa nisy fahazaram-pandaminana aman-jato taona tany Japana raha vao tamin’ny andron’Andrianampoinimerina (Andriamanjaka 1792-1810) no heverina nitsimoka izany teto. Io valopolo taona (1810-1890) io tsy afaka ho nanantsika traikefa sy hery ampy nametrahana rafi-panjakana niantehitra tamin’ny mpiasam-panjakana tena nikajy ny soa iombonana fa tsy ihinana ny vahoaka fehezina.

Ny tena mampalahelo, indrindra raha avela hitohy ho simba ny «administration publique», dia tsy mifankaiza amin’izay vitan-dRainilaiarivony ny Fanjakana malagasy, 130 taona aty aoriana.

(source: Nasolo-Valiavo Andriamihaja – lexpress.mg)


Philippe de Villiers : « Macron doit se méfier de Bayrou »

Raha foana ny Fanjakana, ry Baroa no tompon’ny laka

Publié le

Nisy nitifitra ny fiara nentin’ny Ben’ny Tanàn’ Antananarivo. Misy hiteny hoe tafahoatra raha oharina amin’ny nitifiran’ny sasany ny Kolonely Ratsimandrava, tamin’ny febroary 1975. Ny tiako hisarihana ny saina dia hoe Mpitondra ambony eto amin’ny firenena, satria tsy tsinontsinona izany Lehiben’ny Renivohitr’ i Madagasikara izany, no misy mifofo ny ainy. Simba ny toe-tsaina eto Madagasikara. Nahilika ombieny ombieny, efa am-polo taona maro, ny fianarana sy ny fitaizana ary ny fahalalam-pomba. Ny vola aman-karena no nasandratra ho Andriamanitra kely ivavahana, ka izay fomba rehetra hanangonana vola no imatimatesana : halatra, risoriso, vono olona. Sehatra maro no anjakan’ny vola. Diplaoma hosoka, Fitsarana tsy ara-drariny, Fandriampahalemana sandaina harena.

Ny fanaovana politika indrindra indrindra dia tsikalakalam-bola sisa, ka na tsy manam-pahendrena aza, na tsy manana sombin-pahalalana akory aza, na tsy mandraharaha ny hoe tombontsoa iombonana aza, dia mety ho lany rehefa manan-katao hividianana ambongadiny ny vato. Manodidina ny politika, izay lasa fahefana fotsiny sisa, dia mitana toerana lehibe ny hery : saingy hery miray tsikombakomba amin’ny fanararaotana maro samihafa, sa hery mba tandroka aron’ny vozona itokian’ny vahoaka ? «Ny fanahy no olona», hoy ny Ntaolo. Very anefa ny fanahy, very fanahy ny fiaraha-monina ankehitriny.

Lire la suite »