Andriantsilavonandriana

Taom-baovao malagasy sy Covid-19

Publié le Mis à jour le

Fangataham-pitahiana ho an’ny Firenena malagasy araka ny fomban-drazana notanterahina teny Ambohijanahary mandritra ny vanim-potoana hianjadian’ny areti-mandoza Covid-19 maneran-tany. Anisany nitarika izany Atoa isany Zakariasy Patrick (Tangalamena), Norbert Randrianantoandro, mpiandraikitra ny Tranoben’ny Merina sy Jean Eric Rakotoarisoa (Raiamandreny ara-drazana – TM, sady Filohan’ny HCC amperin’asa).


Inona ny Tantara sy Kolon-tsaina ary Firaisam-pirenena?

Anarana samihafa no ahafantaran’ny Olon-drehetra ireo raiamandreny ara-drazana miandraikitra sy mampanjary ny Soatoavina izay miantoka ny fampiraisana ny olona samy olona, sy ny Foko samy Foko eo amin’ny Fiarahamonina malagasy, dia ny:  Ampanjaka, Sojabe, Tangalamena, Lonaka, Mpitan-kazomanga, Tomponanaran-dray, Olobe, Longo, sns …. (Jereo ohatra ny Ziva)

Ny Filohan’ny HCC, Jean Eric Rakotarisoa « tompon-draharaha«  ao amin’ny Tranoben’Imerina.


Tetiandro 2021: Ampanjakao ny Fihavanana tsy hifamotika; hoy ny Tranoben’Imerina.

 

Mejamirado Razafimiary: manazava ny momba ny Rova sy Manjakamiadana

Publié le Mis à jour le

TANTARA  sy VAKOKA: Andriamatoa Mejamirado Razafimiary dia Minisitra teo aloha [Ministre de l’Industrialisation, du commerce et du développement du secteur privé], ary Filohan’ny « Comité National du Patrimoine », mahalala amin’ny antsipiriany izay rehetra mikasika ny Fanarenana ny Rova.


ANDY RAZAF: Ilay Printsy Malagasy tafatsoaka tany Etazonia

Publié le Mis à jour le

Andriamanantena Paul Henri Razafinkarefo (Andy RAZAF.

Andriamanantena Paul Razafinkarefo no tena anarany fa solon’anarana ny hoe “Andy Razaf”. Teraka tamin’ny 16 desambra 1895 tany Washington Etazonia izy ary maty tamin’ny 3 febroary 1973 tany Hollywood – Los Angeles.

Jennie Maria Waller no reniny, zanakavavin’i John Lewis Waller, masoivoho amerikana teto Madagasikara nanomboka ny taona 1890, tamin’ny andro nanjakan-dRanavalona faha-3.

Jennie Waller renin’i Andy RAZAF

Amin’ny maha diplomaty azy, dia nifanerasera betsaka tamin’ny fianakavian’ny mpanjaka i John Lewis Waller, ary vokatry izany no naharaikitra ny fanambadian’ity zananivavy ity tamin’ny Printsy Henri Razafinkarefo, zanakalahin’ny Printsesy Rasendranoro, zokivavin’ny mpanjaka Ranavalona faha-3.

Miaramila lavo teo amin’ny sahan’ny ady fanoherana ny fananiham-bohitra nataon’ny tafika frantsay tamin’ny taona 1895 I Henri Razafinkarefo.

Efa nitoe-jaza anefa I Jennie Maria vadiny tamin’izay.Nanapa-kevitra hitsoaka hiala an’i Madagasikara izy sy ny reniny ary ireo anadahany noho ny fanenjehana nataon’ny frantsay azy ireo. Ny rainy, John Lewis Waller, masoivoho amerikana teto an-toerana dia nosamborin’ny tafika frantsay ary nohelohiny higadra 20 taona an-tranomaizina, ary nalefa tany Marseille nanefa izany sazy izany, kanefa noho ny fanelanelanan’ny President amerikana Grover Cleveland, dia novotsoran’ny frantsay izy rahefa nanefa gadra 10 volana, ary afaka namonjy ny vady aman-janany tany Etazonia, ary tafahaona soa aman-tsara tamin’ny fianakaviany sy nahita an’I Paul kely zafikeliny.

Maty tany Cuba tamin’ny taona 1907 tamin’ny ady nifandonan’ny Espagnol sy amerikana i John Lewis Waller.

“Ilay Mpanao tononkira ngezalahy teo amin’ny vanimpotoana famirapiratan’ny Jazz amerikana”.

Nisy akony ratsy teo amin’ny fiainan’ny fianakaviana Waller ny fahafatesan’Ingahy John Lewis tany Cuba.
Voatery niala tany Washington i Jennie sy Paul kely ary namonjy an’I New York hitady fivelomana. Tao Harlem izy mianaka no nipetraka, ary niasa nanao secretaire stenographe I Jennie mba hamelomany sy hampianarany ny zanany.
Nony feno 16 taona i Paul dia voatery nijanona tsy nianatra intsony ary nitady asa mba hanampiany an-dreniny. Nahita asa mpiambina varavarana ascenseur tao amin’ny tranobe iray tao Harlem atao hoe “Tin Pan Alley” izy, izay foiben’ny mozika tao New York tamin’ny fotoanandro.

Nanomboka teo ny “carriere” –n’i Paul.
Vokatry ny fahitana ny fivezivezen’ireo mpamoron-kira kalazalahy miakatra sy midina amin’io Tranoben’ny zavakanto io, ary ny fifampikasohana marain-tsi-hariva amin’izy ireo, dia nitsiry tao anatin’ity Printsy kely ny hetaheta sy faniriana hilomano anaty mozika sy asa soratra. Koa raha vao 17 taona monja izy, dia efa nahavita nanoratra ilay tononkira mitondra ny lohateny hoe “Baltimo” ary afaka nivarotra izany tamin’ny orinasan’Ingahy James Kendis, misakana manokana ny famokarana mozika.
Nanomboka teo dia tsy tana intsony ny lehilahy fa dia nanoratra nanoratra hatrany ary nihira koa.
Marihana fa efa tany an-tsekoly dia efa hita taratra ny talentan’ity Printsy ity amin’ny fankamamiana ny asasoratra.
Naka solon’anarana Andy Razafy i Paul mba hanasongadinany ny sanganasany. Tsinjon’ireo kalazalahy amin’ny mozika ny talentan’i Andy Razaf ka tsy nisalasala ny ankabeazan’izy ireo niara-niasa taminy, ary tsy ny kely fa ireo efa tena fanta-daza tamin’ny mozika.
Singanina manokana amin’izany I Fats Waller, ilay kintan’ny famoronan-kira jazz tany Etazonia.
Mpitendry piano sy orga ary mpamoron-kira fanta-daza I Fats Waller. Lasa mpisakaiza tsy mifankafoy i Andy Razaf sy Fats Waller ary niara-niasa akaiky izy roalahy tamin’ny famoronana sy famokarana mozika sy tonon-kira. Niara-nanatontosa fanoratana “Comedies musicales” tao Broadway tao New York izy ireo , ary tamin’izany fiarahana izany no nahaterahan’ireo hira tsy lefy laza ahafantarana ny jazz, toy ny “Aint Misbehavin”, ny “Black and Blue” ary ny « Honeysuckle Rose” . I Louis Armstrong no nikalo sy namelona ho fantatry izao tontolo izao ireo hira ireo.
Ny “Tin Pan Halley”
Izany no anarana niantsoana ilay tranobe foiben’ny taozava-baventin’ny mozika voalohany tany New York, ary niroborobo fatratra tokoa izany teo anelanelan’ny faramparan’ny taonjato faha-19 sy fisasahan’ny taonjato faha-20 tao antananan’i Manhattan New York.
Raha tsiahivina kely dia mpiandry varavaran’ny ascenseur-n’io Tranobe io i Andy Razaf tamin’ny fiandohany niasa. Tao no foibe-toerana ifanaovan’ireo ngezalahy amin’ny mozika fotoana ihaonana.

Lefy ihany anefa ny lazan’io Toerana io rahefa nipoitra ny phonographe (grafofona) sy ny radio ary ny sinema.


Tamin’ny taona 1928 tokoa manko dia lasa foiben’ny sinema sy ny mozika I Hollywood, ary dia novidian’ny Warner Brothers ireo tranobe telo lehibe indrindra tamin’ny famokarana mozika tao New York tamin’ny fotoanandro.

IN THE MOOD – Standard de Jazz

Ankoatra ireo lohatenin-kira voalaza teo aloha, dia ity “In The Mood” ity no fara-tamponin’ny laza amin’ny mozika jazz-blue, tsy mety lefy laza ary ankafizin’ireo taranaka nifandimby mandraka ankehitriny manerana izao tontolo izao. Joe Garland no namorona ny feony ary Andy Razaf no namorona ny tonony.
Mpamorom-kira fanta-daza eran-tany i Joe Garland. Glenn Miller, “ilay chef d’orchestre ny Tafika an’habakabaka amerikana”.
Teraka tamin’ny 1 marsa 1904 tany Iowa Etazonia izy, ary maty tamin’ny 15 desambra 1944, raha vao 40 taona monja.Manana ny grady kapiteny izy, ary voatifitry ny tafika alema ny roplanina nitondra azy teo ambonin’ny ranomasina La Manche raha iny handeha hamonjy ny Tafika amerikana tany Eraopa nandritra ny Ady Lehibe faharoa iny izy.
Ny “In The Mood” no diska nahalafosana be indrindra teo anelanelan’ny taona 1939 sy 1943 nataon’ny “Glenn Miller Army Air Force Band” Ary hatrami’izao isika miteny izao, dia mbola tsy mety lefy laza ity “In The Mood” ity.
Antsika Malagasy io hira io, Tompony tena tompony isika satria an’ny Amerikana ny 50 isan-jato, ary an’ny Malagasy ny 50 isan-jato. Manana droit d’auteur “universel” amin’io isika, na dia teo aza ny fanafenana tamin’ny fomba rehetra nataon’ny mpanjanatany tsy hahafantaran’ny maro amintsika izany.Ry zareo rahateo koa moa toa tsy dia mahazoazo loatra ity hira ity, asa na noho ny maha-malagasy ny mpamorona azy ….na tsy fantatro.
Io no tena antsika, fa “tsy mba ravoravo natentina io “In The Mood” io, fa tena tandra vadin’ny hoditra” amintsika malagasy.
Eto dia araoraotiko no mampahafantatra antsika mianakavy, fa araka ny fanambarana nataon’Itompokolahy Jean Felicien Ratefy, fony fahavelony, izy izay mpikaroka sy manampahaizana momba ny mozika, indrindra ny jazz sy ny blues, dia tsy tena hira Malagasy madio rano ny “Afindrafindrao”, fa feon-kira vazaha no nofolahana hanana gadona Malagasy ka hahazoana mandihy aminy .Noho izany, dia hambo diso toerana ny fireharehana fa hira Malagasy ny “Afindrafindrao”.
Nampidi-doza ho an’ny Tany sy ny Fanjakana ary ny Firenena manontolo ny fandihizana io feon-kira io nanomboka tao Anatirova tao tamin’ny faramparan’ny taon-jato faha 19, ka nahavery ny fiandrianampirenena ary nahalasa zanatany an’I Madagasikara. Variana loatra tamin’ny fety aman-danonana ny tao andapa noho io “Afindrafindrao”io.
Ankehitriny kosa dia hitraka amin’izay ny Taranaka rehetra, ary hankalaza ny “In The Mood” ho fanevam-pirenena, ka hanao ho fanokafana ny lanonana rehetra eto Antananarivo.
Antsika io fa aza menamenatra! Noforonon’ny Zanatsika hifaliantsika io. Ny olon-drehetra eran-tany faly sy ravo ery mandihy aminy, fa hianao tompony kosa toa menatra sy tsy sahy sehatra, fa nahoana? Voazanaka ara-tsaina!
Indro omena antsika ary ny lesona hianaran-tsika ny dihy fanao amin’io “In The Mood” io. Ianaro sy ankafizo ary dihizo ny “in the Mood” fa antsika, tena antsika madio mangarangarana.


Ny “Hall of Fame”

Tempolin’ny Dera aman-daza na Pantheon no azo ilazana ity “Hall of Fame” ity any Canada. Voarakitra ao amin’ity Tranobe ity tokoa manko ny anaran’ireo Kalazalahy eo amin’ny sehatra maro samihafa miaraka amin’ireo sanganasany nampalaza azy tsirairay.
Tamin’ny taona 1972 no voaray tao amin’ny “Hall of Fame” i Andy Razaf sy ny sanganasany, amin’ny maha mpanao tononkira sy ny maha-mpamoron-kira azy ary ny maha mpamokatra azy, koa tamin’izany no nahafantarana fa mahatratra 215 no isan’ireo hira noforonony voatahiry ao amin’ity Tranobe ity, ary mbola misy 800 any ho any no mbola tsy nivoaka ho fanta-bahoaka.
Ny zava-dehibe nokasainy hatao dia ilay Opera Malagasy nampitondrainy ny lohateny hoe: “Rasendranoro”.
Nosoratany ho fahatsirovana ny Renibeny izy io, saingy tsy tanteraka noho ny fahafatesana tampoka nihatra tamin’i Fats Waller tamin’ny 15 desambra 1943 izay hanatontotosa hiaraka aminy io Opera io.
Dia nihantona teo ilay zavatra …
Fa talohan’io, dia nanambara I Andy Razaf fa feno ny fepetra rehetra ilaina amin’ny fanoratana opera “grika”. Fa inona tokoa moa izany?
Izao ary no azo lazaina momba ny Printsesy Rasendranoro.
Zava-niseho tao Anatirova no fototry ny tantara , taorian’ny itsa-tany nataony’ny tafika frantsay teto Madagasikara.
Indray andro ary dia tonga tao Andapa tao Anatirova ny Governora Jeneraly Hippolyte Laroche mivady hitsidika ny mpanjakavavy Ranavalona faha-3. Asa aloha izay resaka sy fihetsika nataon’ireto vazaha mivady ireto, fa tsy voalaza mazava . Nanatrika teo araka ny mahazatra ireo olona akaiky ny mpanjakavavy.
Nisy resaka nifandiso ve sa fihetsika tsy voahevitra nataon’I Madame Laroche, fa tonga dia noriatan’ny Printsesy Rasendranoro tehamainy mafy ity vazahavavy ka saika torana niakarapoka tamin’ny tany, fa raha iny handeha hamonjy ny vadiny iny ny Governora Jeneraly dia noriatan’ny Printsesy tehamaina mandrivorivo koa, ka ankona fotsiny teo. Hany herin’ireto vazaha mivady, dia lasa nivoaka, tsy naha-teny tsy naha-volana.
Ny harivan’io ihany, dia nosamborin’ny miaramila frantsay ny Printsesy Rasendranoro, zokivavin’ny Andriamanjaka, ka nampidirina an-tranomaizina.
Ary hoy ny filazan’ny rehetra manoloana io fitrangan-javatra io manao hoe: “Fihetsika baribariana iny nataon-dramatoa Rasendranoro iny”. Mety marina izany, satria hoy izy ireo hoe: “Toetra baribarianina tsy mendrika ny olom-banona ireny”
Ankilany kosa indray dia misy sokajin’olona faly sy mibitaka ary miteny hoe: “Sakory izay,mendrika anareo vazaha mpanjanatany izay” Mety marina koa izay saingy hevitra an-tendrony avokoa ireo roa ireo.
Izao no tena izy koa anjaranao no mamakafaka sy mitsara tsy misy fitongilanana na mety na tsia ilay fihetsika.
Izao ary : Voka-javatra iny (effet) fa tsy foto-javatra (cause), ka tsy tokony hinana am-bolony maina be izao isika fa handinika tsara , araka izao ambara manaraka izao .
1/- Efa tafalentika lalina loatra tao anaty kibon’ireo taranaka andriana manjaka nanomboka tamin’Andrianampoinimerina ny fikasan’ny Frantsay hanjanaka an’I Madagasikara, ary dia tanteraka tokoa izany tamin’io fotoana io.
2/-Tsy namelan’ny Frantsay raha tsy tanterany ny itsa-tany tamin’ny alalan’ireto miaramila vazaha tonga hatreny Anatirova.
3/-Maty tamin’ny ady nanoherana ny tafika frantsay tamin’ny 1895 i Henri Razafinkarefo, zanany lahitokana, ka marary ny fon’ny reny niteraka ary maratra ny kibo nitoerany.
4/- Nenjehan’ny Frantsay sy nofofony ho faty ny vinantony sy ny zafikeliny Andy Razaf, ka lasa nandositra any Etazonia.
5/-Tsy zakan’ny eritreriny visavisaina ny zava-manjo ny ao Anatirova raha mahita ity rahavaviny Andriamanjaka tsy asian’ny vazaha hasiny.
Tsy zakan’ny sainy izany rehetra izany.
Ny vokany dia iny felaka mandrivorivo indroa miantoana iny.
Nalefa natao sesitany tany La Reunion sy Algerie niaraka tamin’ny mpanjakavavy Ranavalona faha-3 ny Printsesy Ramasindrazana sy ny Printsesy Rasendranoro, ary maty tany an-tsesitany izy telo mirahavavy.
Izay no izy, ry “Izy mianakavy”. Tapitra teo ny Tantara…
Tsia, Diso aho manko e! Ny fitantarana no tapitra teo, fa ny Tantara kosa dia mbola mitohy. Azafady Tompoko!
Randria mpandalina Filozofia sy Tantara ary Politika.
Natao teto Antananarivo androany 29 desambra 2019.

Vazimba Antehiroka Voromahery Tsimiamboholahy

Rovan’Antananarivo, mitsidika ny ao anatiny, fony mbola tsy may [06 Nov’95]

Publié le Mis à jour le

 

 

Fony mbola tsy may ny Rova, hany* sary tahiry tsy may, ahitana sombin-tsoratanan-dRadama I –– sorabe –– firavaky ny mpanjaka vitsivitsy, kojakoja fanomezan’ny mpanjakan’i Angletera Victoria, Fanorona, Fanoron-jaka, gazety milaza vaovao voalohany nivoaka teto Madagasikara mitondra ny anarana hoe « Ny Gazety Malagasy » (1883), Tranovola, Manampisoa, ny ao anatiny, ny eny ivelany, mbola tsy may, mahafinaritra fatratra etsetra etsetra
Soa fa misy an’itony, na dia bitika aza, lehibe loatra. hany sisa tavela, apetrako eto ho hitan’ny rehetra, satria antsika rehetra…
FANAVAOZANA: ilay horonan-tsary dia nalain’i Rolls Pascal Rafamantanantsoa, misimisia**

Foko malagasy: Robert Randrianantoandro

Publié le Mis à jour le

Raha arak’ity fanazavana ity, dia mitombo ho 22 ny isan’ny foko malagasy, ary ny 4 amin’ireo dia tsy tafiditra tamin’ny fampianarana ny mpianatra, dia ireto avy:

  • Tanalana,
  • Mikea, izay samy any Toliara
  • Anjoaty any Vohemar, ary
  • Antanosimboahangy any Tsaratanana

Fanjakana mpanjaka : Ny tsara ho fantatra amin’izao andron’ny repoblika izao

Publié le Mis à jour le

Mbola miaina ao anatin’ny fanjakana-mpanjaka na ampanjaka ny faritra maro manerana an’i Madagasikara. Ny fanjakana Antemoro avy ao Vohipeno sy Manakara, ny Antambahoaka ao Mananjary sy Nosy-Varika ary Ifanadiana sy Ikongo, ny fanjakana ampanjaka ao Evato Zafisoro. Ny Antefasy ao Farafangana, ny Rabehavana sy ny Zafimananga ao Vangaindrano sy Vohibe ary Iakora, ary ny Antanosy ao Taolagnaro.

Any amin’ny faritra Androy dia manana ny ampanjakany koa ny Antandroy ka ohatra amin’izany ny ao Ambovombe sy Antanimora.

Ny any amin’ny faritra ao Atsimo-andrefana indray dia mbola manana ny lazany ny ao Miary sy ny ao Bengy izay nipoiran’ny fanjakana sakalava. Mitohy hatrany Menabe sy Melaky ary Boeny ka hatrany Analalava Antsohihy izany fanjakana izany ary mbola misy ampanjaka mifehy azy avokoa hatrany Marovoay sy Ambato-boeny . Ireo no taranak’Andriamisara efa-dahy izay maha iray ny Sakalava. Misy fanjakana madinika maromaro koa ao anatin’ireo faritra voalaza ireo.

Ny fanjakana ao Ambilobe sy Ambanja dia mbola manana ny toerany tsara ao anatin’ny fiaraha-monina Malagasy ankehitriny.

Ny any amin’ny faritra Atsinanana dia ny Betsimisaraka manontolo indray dia ny Tangalamena no rafitra mitovy amin’ny fanjakana ampanjaka amin’ny toerana hafa. Hatrany Maroantsetra ka hatrany Mahanoro dia efa ho an’arivony ny Tangalamena misy amin’ny toerana iny.

Ny eto afovoan-tany indray dia ny Andriana ho an’ny eto Imerina izay ivondronan’ny zanak’andriana, Andriamasinavalona. Ny Hova ho an’ny Betsileo no fiantso ny taranaka mpanjaka ireny, ka manana ny toerany amin’izany Zanakompanalina ao Ambositra, Andrianantara ao Manandriana. Toa izany koa ny any Isandra sy Lalangina ary Vohibato. Manampy azy ireo ny tomponanarandray sy ny filoha-taribahy any Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony.

Ireo rehetra ireo sy izay tsy voalaza eto dia rafi-piaraha-monina tsy ao anatin’ny rafi-panjakana velively nefa mbola manana ny maha izy azy.

Fomba na bako na koa rafi-piaraha-monina sy fanjakana nisy hatramin’ny nisian’ny Malagasy fahagola ireo. Ireo rafitra ireo no mitazona ny hasin’ny fanjakana Malagasy hatramin’izao fotoana izao.

Raha vao miresaka fanjakana ampanjaka nefa isika eto Madagasikara ankehitriny dia ny fanandevozana no ao amin’ny eritreritra ny olona maro. Ary ny fanandevozana tamin’ny endriny maro samy hafa tamin’ny andro fahezay. Isika nefa efa fanjakana repoblikanina ary efa mivoatra ao anatin’ny firenena demôkratika. Tiana ny milaza fa diso tanteraka ny fomba fieritreretana ankehitriny ho an’ny olona sasany tsy mahalala ny tokony hataony ka manome tsiny ny fisian’ny rafitra ampanjaka amin’izao fotoana izao.

Ankehitriny dia tsy misy intsony ny asa fanompoana na ny fanandevozana any amin’ireo fanjakana ireo. Hajain’ny mponina any amin’ny toerana misy azy avokoa ireo rafitra ireo ka arovany toa ny anakandriamaso. Manaja azy koa ny fanjakana sy ny mpitarika ny fanjakana repoblikanina izay nifandimby teo, ary hatramin’ny firenena vahiny izay tonga eto Madagasikara dia manaja azy ireny avokoa.

Manana ny toerany manokana eto amin’ny firenena ny fanjakana ampanjaka. Tsy mitondra firenena izy ireo fa mandala kosa ny fomba Malagasy ary mitazona ny fady, ny fomba ary soatoavina sy ny kolontsaina nampiavaka an’i Madagasikara eo anatrehan’izao tontolo izao. Manome haja ny filohan’ny repoblika nifandimby izy ary manaja ny rafi-panjakana koa.

Averina tsara fa ny “Hasim-pirenena” no mipetraka dia ny fitandremana “ny fady, ny fomba, ary ny kolontsainy sy ny soatoavina”. Ny rafitra nentim-paharazana no mitazona izany dia ny fisian’ny ampanjaka, ny Tangalamena ary ny andriana.

Malaza dia malaza ny Fitampoha any Sakalava, ny Sambatra any Mananjary, ny Tsangatsaina any Ambilobe, ny Volambetohaka ao Amoron’i Mania sy ny maro samy hafa koa tsy ho voatanisa eto. Reharehan’i Madagasikara izy ireny ary mampiavaka azy amin’ny firenena rehetra eto manerana izao tontolo izao. Ny fanjakana ampanjaka no anton’izany.

Marina fa tsy mitondra firenena ny ampanjaka saingy manana ny toerany amin’ny fiaraha-monina Malagasy. Tsy maintsy hatonina ny ampanjaka sy ny raiamandreny ara-drazana rehefa tonga hanao asa iray ao min’ny toerana misy azy ireny ny fanjakana. Midinika miaraka aminy. Izy ireo no tompon’ny olona sy ny vahoaka ka izany no tsy azo anaovana azy ankilabao. Rehefa neken’izy ireny dia vita ary rehefa tsy nahazo ny fankatoavany dia tsy tody.

Manana andraikitra amin’ny fiaraha-monina, ny fampandrosoana, ny fandriam-pahalemana ny fanjakana ampanjaka sy ny fitondrana ara-drazana. Hatramin’izay raha tonga ny olana pôlitika nisy teto Madagasikara dia tsy maintsy nantsoin’ny fanjakana izay mitondra ny raiamandreny ara-drazana handamina izany.

Raha tena tia handroso ny firenena Malagasy dia tokony hiverina amin’ny maha Malagasy azy, ny soatoavina fa indrindra ny hasiny, izany nefa dia mijanona amin’ny fitondrana repoblikanina fa manome hasina ny fitondrana ara-drazana koa. Mbola hitohy…

Jesy Rabelaolao – la Gazette DGI

 

Hommage du Japon à Mr Alexis Dédé Razafindratsira

Publié le Mis à jour le

-1 -Discours d’hommage à Monsieur Alexis Dédé RAZAFINDRATSIRA prononcé par S.E.M. Ichiro OGASAWARA, Ambassadeur du Japon à Madagascar, lors de la Cérémonie de Remise de Décoration«Ordre du Soleil Levant, Rayons d’Or en Sautoir»

Le 25 Janvier 2018, à la Résidence de l’Ambassadeur

Alexis Dédé Razafindratsira avec SEM l’Ambassadeur du Japon

Tout d’abord je tiens à vous adresser, Excellence Madame la Première Dame, ma sincère gratitude pour honorer avec votre présence cette cérémonie d’aujourd’hui. Nous sommes profondément touchés par votre gentillesse et générosité pour notre ami Monsieur Alexis Dédé RAZAFINDRATSIRA et pour nous tous.

La cérémonie qui nous réunit aujourd’hui, autour de vous Monsieur Alexis Dédé RAZAFINDRATSIRA est un moment empreint d’une grande solennité puisqu’il s’agit de vous porter officiellement la marque de reconnaissance de Sa Majesté l’Empereur du Japon, et c’est avec une immense joie pour moi de pouvoir partager avec vous tous ici présents, cette heureuse occasion. Je voudrais tout d’abord vous exprimer, Monsieur Alexis Dédé RAZAFINDRATSIRA, Président d’honneur de l’Association des Anciens et Amis du Japon à Madagascar, tous mes remerciements pour vos contributions riches et inestimables au renforcement des relations d’amitié, ainsi qu’à une meilleure compréhension mutuelle entre le Japon et Madagascar. C’est en signe de reconnaissance sincère de la part du Gouvernement du Japon qu’il a décidé en novembre 2017de vous conférer l’Ordre du Soleil Levant, Rayons d’or en Sautoir.

-2 -Excellences, Mesdames et Messieurs, Les relations de Monsieur RAZAFINDRATSIRA avec le pays du soleil levant date d’il y a plus d’un demi-siècle. Permettez-moi de tracer,

Lire la suite »

Andrianampoinimerina sy Andriantsivongo [Mangabe, Ambohimanga]

Publié le Mis à jour le

Pour unifier Madagascar, le grand Roi Andrinampoinimerina [« celui issu du coeur de l’Imerina », ou Nampoina] s’attacha les services d’Andriantsivongo un homme doué de bon sens et de vertus ancestrales, d’origine Antemoro  – Ampanabaka (du Sud-Est de la Grande île).

Connu comme « le plus sage » de tous les rois de Madagascar et, de surcroît, le plus grand « visionnaire » de cette Grande Ile qui a traversé les siècles, Nampoina installa Andriantsivongo sur la colline de Mangabe, juste  en face d’Ambohimanga Rova pour remplir sa mission à ses côtés.. Le  « Doany »  (sanctuaire traditionnel) pour vénérer Andriantsivongo s’y trouve encore de nos jours et est très fréquenté par des visiteurs venant du monde entier, pour demander des bénédictions.


Lancement du film « Nampoina » : la classe politique réunie autour d’Andrianampoinimerina


Vinan’Andrianampoinimerina [1745 – 1810]: « Fanjakana sy Firenena tokana i Madagasikara’


Nangonin’i Moïse Ramilamintsoa


MAMALAN-KIRA INDRAY #VANF

Sombin-tantaran’Andriamahazonoro (1773-1828)

Anarana nanana ny lazany, saingy mety ho vitsy mahalala ankehitriny, ny anaran’Andriamahazonoro, ilay Anakara isan’ireo Antemoro nafaran’Andrianampoinimerina avy any Matitanana, ka tonga teto Imerina tamin’ny taona 1802. Noho ny soa vitan’izy mirahalahy, Andriamahazonoro sy Ratsilikaina zokiny, dia naiditr’Andrianampoinimerina ho isan’ny Andriamasinavalona izy, ka izany no ambaran’ny tranomanara eo ambonin’ny Fasana etsy Ankadivato izay naorin-dRaharolahy, zanak’Andriamahazonoro.
Andriamahazonoro no naman-dRatefinanahary, vinanton’Andrianampoinimerina, nitondra ireo sivy mirahalahy hianatra tany Englanda tamin’ny 1821. Ratsilikaina kosa, ilay zokin’Andriamahazonoro, dia isan’ireo nanao sonia ny fifanarahana tamin’ny Farquhar sy Radama, ny 23 oktobra 1817. Raharolahy, lahimatoan’Andriamahazonoro sy Rafaravavy, dia tanatin’ny iraka notarihin’Andriantsitohaina nalefan-dRanavalona handamin-draharaha tany Englanda ny taona 1837, rehefa niala teto ny Misionera LMS roa taona nialoha izany. Izy ihany koa no nisantatra ny lanonana fanamasinana an-dRasoherina teo amin’ny kianja Andohalo tamin’ny 1863.
Nanambady vehivavy Andriandranando Andriamahazonoro ary razamben’ny Andriana maro fanta-daza eto Imerina.
Ho fizarana, fanohizana izay efa nataon’ny tany aloha, indro sombiny amin’ny tantaran’Andriamahazonoro, araka izay nampisehoan’ny Gazety Maresaka azy isan-kerinandro, nanomboka ny 11 jolay 1980 ka hatramin’ny 24 oktobra 1980. Tantara nalaina tamin’ny «Fandràka», izay nipetraka tao amin’ny Tranomanara teo Ankadivato : tsara tahiry tao hatramin’ny taona 1868 nahavitana ny fasana ka hatramin’ny 1913 nahitany indray ny masoandro.
Izao no teny farany ho an-dRaharolahy, ao amin’io Fandràka nosoratan’Andriamahazonoro io (taona 1828) : «Anaka, lehilahy ianao, koa misehoa ho tena lehilahy dieny izao. Hendre tsara ary mazotoa mianatra. Tratraro izay faritra mety ho azon’ny zana-bahoaka. Raha azo atao, aza miditra amin’ny raharaham-panjakana ary aza dia mampiseho na fahaizana na fahendrena be loatra amin’izay Andriamanjaka tompoina. Tsarovy lalandava fa Antemoro Anakara avy any Matitanana isika. Tano fa aza sarahina amin’izay foko mahery sy hendry noho izy ny fokontsika. Maneke lalàna ary mankatoava lehibe. Tiavo ny havan-drehetra. Misy zandrinao any Vatomasina, Matitanana, ka atsangano ho zanaka, fa aza avela ho faty maso ny fianakaviana any ambany. Zarao roa izay herin’ny tenanao ka omeo azy izay mendrika azy. Hajao ny Fandràka ary ataovy fantatra izay ao anatiny. Tiavo ny zava-drehetra. Ento izahay, ento midina fa aza avela mandrakizay atý Imerina».
Amin’ny faramparan’ny Fandràka nosoratan’Andriamahazonoro, dia mitantara ihany koa ny resaka nataon-dRatsilikaina :
«Nandre aho fa tsy salama ny mpanjaka. Nanaitra ny fieritreretako izany, koa dia tonga aho mba hiresadresaka sy hifampidinidinika isika mirahalahy. Andro roa samy lehibe avy izao no hitantsika mirahalahy teto Imerina, dia ny an’Andrianampoinimerina izay fantatsika ny fiafarany sy izao an-janany izao. Andro samy hafa ireo, samy hafa noho ny toetr’izy ireo samy hafa. Izao isika dia amin’ny andron-dRadama izay madiva hifarana, dia Radama izay diso hanta teo imason-drainy fa efa fantatra tamin’ny fahavelon-drainy ny toe-tsainy. Ahirato ny masom-panahinao ka todiho ny andro lasa. Ny saina mandinika dia efa mahatazana sahady izay loza mety hitranga haterak’izany fahafatesana tampotampoka izany, izay tsy maintsy hitambesatra amin’ny manodidina, tsy ny havany ihany fa ny sakaizan-dRadama koa. Koa dia manahy aho ny momba antsika mirahalahy izay nieren-doza tsy satry tamin’ny lasa».
Fa efa hoy Ratsilikaina ao amin’ny sorany ao amin’ny bokiny (taona 1810) : «Teren-doza lehibe ny andro rehetra hipetrahanay eto Imerina hatramin’izao, na ny havan’ny mpanjaka amin’izay fotoana maha diso fanantenana azy, na ireo andaniny tsy mankasitraka an-dRadama dia samy mahatahotra anay avokoa, fa izay iray amin’ireo tsy maintsy mamely».

Lire la suite »