Mois: janvier 2020

ANDY RAZAF: Ilay Printsy Malagasy tafatsoaka tany Etazonia

Publié le Mis à jour le

Andriamanantena Paul Henri Razafinkarefo (Andy RAZAF.

Andriamanantena Paul Razafinkarefo no tena anarany fa solon’anarana ny hoe “Andy Razaf”. Teraka tamin’ny 16 desambra 1895 tany Washington Etazonia izy ary maty tamin’ny 3 febroary 1973 tany Hollywood – Los Angeles.

Jennie Maria Waller no reniny, zanakavavin’i John Lewis Waller, masoivoho amerikana teto Madagasikara nanomboka ny taona 1890, tamin’ny andro nanjakan-dRanavalona faha-3.

Jennie Waller renin’i Andy RAZAF

Amin’ny maha diplomaty azy, dia nifanerasera betsaka tamin’ny fianakavian’ny mpanjaka i John Lewis Waller, ary vokatry izany no naharaikitra ny fanambadian’ity zananivavy ity tamin’ny Printsy Henri Razafinkarefo, zanakalahin’ny Printsesy Rasendranoro, zokivavin’ny mpanjaka Ranavalona faha-3.

Miaramila lavo teo amin’ny sahan’ny ady fanoherana ny fananiham-bohitra nataon’ny tafika frantsay tamin’ny taona 1895 I Henri Razafinkarefo.

Efa nitoe-jaza anefa I Jennie Maria vadiny tamin’izay.Nanapa-kevitra hitsoaka hiala an’i Madagasikara izy sy ny reniny ary ireo anadahany noho ny fanenjehana nataon’ny frantsay azy ireo. Ny rainy, John Lewis Waller, masoivoho amerikana teto an-toerana dia nosamborin’ny tafika frantsay ary nohelohiny higadra 20 taona an-tranomaizina, ary nalefa tany Marseille nanefa izany sazy izany, kanefa noho ny fanelanelanan’ny President amerikana Grover Cleveland, dia novotsoran’ny frantsay izy rahefa nanefa gadra 10 volana, ary afaka namonjy ny vady aman-janany tany Etazonia, ary tafahaona soa aman-tsara tamin’ny fianakaviany sy nahita an’I Paul kely zafikeliny.

Maty tany Cuba tamin’ny taona 1907 tamin’ny ady nifandonan’ny Espagnol sy amerikana i John Lewis Waller.

“Ilay Mpanao tononkira ngezalahy teo amin’ny vanimpotoana famirapiratan’ny Jazz amerikana”.

Nisy akony ratsy teo amin’ny fiainan’ny fianakaviana Waller ny fahafatesan’Ingahy John Lewis tany Cuba.
Voatery niala tany Washington i Jennie sy Paul kely ary namonjy an’I New York hitady fivelomana. Tao Harlem izy mianaka no nipetraka, ary niasa nanao secretaire stenographe I Jennie mba hamelomany sy hampianarany ny zanany.
Nony feno 16 taona i Paul dia voatery nijanona tsy nianatra intsony ary nitady asa mba hanampiany an-dreniny. Nahita asa mpiambina varavarana ascenseur tao amin’ny tranobe iray tao Harlem atao hoe “Tin Pan Alley” izy, izay foiben’ny mozika tao New York tamin’ny fotoanandro.

Nanomboka teo ny “carriere” –n’i Paul.
Vokatry ny fahitana ny fivezivezen’ireo mpamoron-kira kalazalahy miakatra sy midina amin’io Tranoben’ny zavakanto io, ary ny fifampikasohana marain-tsi-hariva amin’izy ireo, dia nitsiry tao anatin’ity Printsy kely ny hetaheta sy faniriana hilomano anaty mozika sy asa soratra. Koa raha vao 17 taona monja izy, dia efa nahavita nanoratra ilay tononkira mitondra ny lohateny hoe “Baltimo” ary afaka nivarotra izany tamin’ny orinasan’Ingahy James Kendis, misakana manokana ny famokarana mozika.
Nanomboka teo dia tsy tana intsony ny lehilahy fa dia nanoratra nanoratra hatrany ary nihira koa.
Marihana fa efa tany an-tsekoly dia efa hita taratra ny talentan’ity Printsy ity amin’ny fankamamiana ny asasoratra.
Naka solon’anarana Andy Razafy i Paul mba hanasongadinany ny sanganasany. Tsinjon’ireo kalazalahy amin’ny mozika ny talentan’i Andy Razaf ka tsy nisalasala ny ankabeazan’izy ireo niara-niasa taminy, ary tsy ny kely fa ireo efa tena fanta-daza tamin’ny mozika.
Singanina manokana amin’izany I Fats Waller, ilay kintan’ny famoronan-kira jazz tany Etazonia.
Mpitendry piano sy orga ary mpamoron-kira fanta-daza I Fats Waller. Lasa mpisakaiza tsy mifankafoy i Andy Razaf sy Fats Waller ary niara-niasa akaiky izy roalahy tamin’ny famoronana sy famokarana mozika sy tonon-kira. Niara-nanatontosa fanoratana “Comedies musicales” tao Broadway tao New York izy ireo , ary tamin’izany fiarahana izany no nahaterahan’ireo hira tsy lefy laza ahafantarana ny jazz, toy ny “Aint Misbehavin”, ny “Black and Blue” ary ny « Honeysuckle Rose” . I Louis Armstrong no nikalo sy namelona ho fantatry izao tontolo izao ireo hira ireo.
Ny “Tin Pan Halley”
Izany no anarana niantsoana ilay tranobe foiben’ny taozava-baventin’ny mozika voalohany tany New York, ary niroborobo fatratra tokoa izany teo anelanelan’ny faramparan’ny taonjato faha-19 sy fisasahan’ny taonjato faha-20 tao antananan’i Manhattan New York.
Raha tsiahivina kely dia mpiandry varavaran’ny ascenseur-n’io Tranobe io i Andy Razaf tamin’ny fiandohany niasa. Tao no foibe-toerana ifanaovan’ireo ngezalahy amin’ny mozika fotoana ihaonana.

Lefy ihany anefa ny lazan’io Toerana io rahefa nipoitra ny phonographe (grafofona) sy ny radio ary ny sinema.


Tamin’ny taona 1928 tokoa manko dia lasa foiben’ny sinema sy ny mozika I Hollywood, ary dia novidian’ny Warner Brothers ireo tranobe telo lehibe indrindra tamin’ny famokarana mozika tao New York tamin’ny fotoanandro.

IN THE MOOD – Standard de Jazz

Ankoatra ireo lohatenin-kira voalaza teo aloha, dia ity “In The Mood” ity no fara-tamponin’ny laza amin’ny mozika jazz-blue, tsy mety lefy laza ary ankafizin’ireo taranaka nifandimby mandraka ankehitriny manerana izao tontolo izao. Joe Garland no namorona ny feony ary Andy Razaf no namorona ny tonony.
Mpamorom-kira fanta-daza eran-tany i Joe Garland. Glenn Miller, “ilay chef d’orchestre ny Tafika an’habakabaka amerikana”.
Teraka tamin’ny 1 marsa 1904 tany Iowa Etazonia izy, ary maty tamin’ny 15 desambra 1944, raha vao 40 taona monja.Manana ny grady kapiteny izy, ary voatifitry ny tafika alema ny roplanina nitondra azy teo ambonin’ny ranomasina La Manche raha iny handeha hamonjy ny Tafika amerikana tany Eraopa nandritra ny Ady Lehibe faharoa iny izy.
Ny “In The Mood” no diska nahalafosana be indrindra teo anelanelan’ny taona 1939 sy 1943 nataon’ny “Glenn Miller Army Air Force Band” Ary hatrami’izao isika miteny izao, dia mbola tsy mety lefy laza ity “In The Mood” ity.
Antsika Malagasy io hira io, Tompony tena tompony isika satria an’ny Amerikana ny 50 isan-jato, ary an’ny Malagasy ny 50 isan-jato. Manana droit d’auteur “universel” amin’io isika, na dia teo aza ny fanafenana tamin’ny fomba rehetra nataon’ny mpanjanatany tsy hahafantaran’ny maro amintsika izany.Ry zareo rahateo koa moa toa tsy dia mahazoazo loatra ity hira ity, asa na noho ny maha-malagasy ny mpamorona azy ….na tsy fantatro.
Io no tena antsika, fa “tsy mba ravoravo natentina io “In The Mood” io, fa tena tandra vadin’ny hoditra” amintsika malagasy.
Eto dia araoraotiko no mampahafantatra antsika mianakavy, fa araka ny fanambarana nataon’Itompokolahy Jean Felicien Ratefy, fony fahavelony, izy izay mpikaroka sy manampahaizana momba ny mozika, indrindra ny jazz sy ny blues, dia tsy tena hira Malagasy madio rano ny “Afindrafindrao”, fa feon-kira vazaha no nofolahana hanana gadona Malagasy ka hahazoana mandihy aminy .Noho izany, dia hambo diso toerana ny fireharehana fa hira Malagasy ny “Afindrafindrao”.
Nampidi-doza ho an’ny Tany sy ny Fanjakana ary ny Firenena manontolo ny fandihizana io feon-kira io nanomboka tao Anatirova tao tamin’ny faramparan’ny taon-jato faha 19, ka nahavery ny fiandrianampirenena ary nahalasa zanatany an’I Madagasikara. Variana loatra tamin’ny fety aman-danonana ny tao andapa noho io “Afindrafindrao”io.
Ankehitriny kosa dia hitraka amin’izay ny Taranaka rehetra, ary hankalaza ny “In The Mood” ho fanevam-pirenena, ka hanao ho fanokafana ny lanonana rehetra eto Antananarivo.
Antsika io fa aza menamenatra! Noforonon’ny Zanatsika hifaliantsika io. Ny olon-drehetra eran-tany faly sy ravo ery mandihy aminy, fa hianao tompony kosa toa menatra sy tsy sahy sehatra, fa nahoana? Voazanaka ara-tsaina!
Indro omena antsika ary ny lesona hianaran-tsika ny dihy fanao amin’io “In The Mood” io. Ianaro sy ankafizo ary dihizo ny “in the Mood” fa antsika, tena antsika madio mangarangarana.


Ny “Hall of Fame”

Tempolin’ny Dera aman-daza na Pantheon no azo ilazana ity “Hall of Fame” ity any Canada. Voarakitra ao amin’ity Tranobe ity tokoa manko ny anaran’ireo Kalazalahy eo amin’ny sehatra maro samihafa miaraka amin’ireo sanganasany nampalaza azy tsirairay.
Tamin’ny taona 1972 no voaray tao amin’ny “Hall of Fame” i Andy Razaf sy ny sanganasany, amin’ny maha mpanao tononkira sy ny maha-mpamoron-kira azy ary ny maha mpamokatra azy, koa tamin’izany no nahafantarana fa mahatratra 215 no isan’ireo hira noforonony voatahiry ao amin’ity Tranobe ity, ary mbola misy 800 any ho any no mbola tsy nivoaka ho fanta-bahoaka.
Ny zava-dehibe nokasainy hatao dia ilay Opera Malagasy nampitondrainy ny lohateny hoe: “Rasendranoro”.
Nosoratany ho fahatsirovana ny Renibeny izy io, saingy tsy tanteraka noho ny fahafatesana tampoka nihatra tamin’i Fats Waller tamin’ny 15 desambra 1943 izay hanatontotosa hiaraka aminy io Opera io.
Dia nihantona teo ilay zavatra …
Fa talohan’io, dia nanambara I Andy Razaf fa feno ny fepetra rehetra ilaina amin’ny fanoratana opera “grika”. Fa inona tokoa moa izany?
Izao ary no azo lazaina momba ny Printsesy Rasendranoro.
Zava-niseho tao Anatirova no fototry ny tantara , taorian’ny itsa-tany nataony’ny tafika frantsay teto Madagasikara.
Indray andro ary dia tonga tao Andapa tao Anatirova ny Governora Jeneraly Hippolyte Laroche mivady hitsidika ny mpanjakavavy Ranavalona faha-3. Asa aloha izay resaka sy fihetsika nataon’ireto vazaha mivady ireto, fa tsy voalaza mazava . Nanatrika teo araka ny mahazatra ireo olona akaiky ny mpanjakavavy.
Nisy resaka nifandiso ve sa fihetsika tsy voahevitra nataon’I Madame Laroche, fa tonga dia noriatan’ny Printsesy Rasendranoro tehamainy mafy ity vazahavavy ka saika torana niakarapoka tamin’ny tany, fa raha iny handeha hamonjy ny vadiny iny ny Governora Jeneraly dia noriatan’ny Printsesy tehamaina mandrivorivo koa, ka ankona fotsiny teo. Hany herin’ireto vazaha mivady, dia lasa nivoaka, tsy naha-teny tsy naha-volana.
Ny harivan’io ihany, dia nosamborin’ny miaramila frantsay ny Printsesy Rasendranoro, zokivavin’ny Andriamanjaka, ka nampidirina an-tranomaizina.
Ary hoy ny filazan’ny rehetra manoloana io fitrangan-javatra io manao hoe: “Fihetsika baribariana iny nataon-dramatoa Rasendranoro iny”. Mety marina izany, satria hoy izy ireo hoe: “Toetra baribarianina tsy mendrika ny olom-banona ireny”
Ankilany kosa indray dia misy sokajin’olona faly sy mibitaka ary miteny hoe: “Sakory izay,mendrika anareo vazaha mpanjanatany izay” Mety marina koa izay saingy hevitra an-tendrony avokoa ireo roa ireo.
Izao no tena izy koa anjaranao no mamakafaka sy mitsara tsy misy fitongilanana na mety na tsia ilay fihetsika.
Izao ary : Voka-javatra iny (effet) fa tsy foto-javatra (cause), ka tsy tokony hinana am-bolony maina be izao isika fa handinika tsara , araka izao ambara manaraka izao .
1/- Efa tafalentika lalina loatra tao anaty kibon’ireo taranaka andriana manjaka nanomboka tamin’Andrianampoinimerina ny fikasan’ny Frantsay hanjanaka an’I Madagasikara, ary dia tanteraka tokoa izany tamin’io fotoana io.
2/-Tsy namelan’ny Frantsay raha tsy tanterany ny itsa-tany tamin’ny alalan’ireto miaramila vazaha tonga hatreny Anatirova.
3/-Maty tamin’ny ady nanoherana ny tafika frantsay tamin’ny 1895 i Henri Razafinkarefo, zanany lahitokana, ka marary ny fon’ny reny niteraka ary maratra ny kibo nitoerany.
4/- Nenjehan’ny Frantsay sy nofofony ho faty ny vinantony sy ny zafikeliny Andy Razaf, ka lasa nandositra any Etazonia.
5/-Tsy zakan’ny eritreriny visavisaina ny zava-manjo ny ao Anatirova raha mahita ity rahavaviny Andriamanjaka tsy asian’ny vazaha hasiny.
Tsy zakan’ny sainy izany rehetra izany.
Ny vokany dia iny felaka mandrivorivo indroa miantoana iny.
Nalefa natao sesitany tany La Reunion sy Algerie niaraka tamin’ny mpanjakavavy Ranavalona faha-3 ny Printsesy Ramasindrazana sy ny Printsesy Rasendranoro, ary maty tany an-tsesitany izy telo mirahavavy.
Izay no izy, ry “Izy mianakavy”. Tapitra teo ny Tantara…
Tsia, Diso aho manko e! Ny fitantarana no tapitra teo, fa ny Tantara kosa dia mbola mitohy. Azafady Tompoko!
Randria mpandalina Filozofia sy Tantara ary Politika.
Natao teto Antananarivo androany 29 desambra 2019.

Vazimba Antehiroka Voromahery Tsimiamboholahy

Ny « Ziva » (t)eo amin’ny Fihavanana malagasy

Publié le Mis à jour le

                                                          NY ZIVA

NY FIHAVANANA:

Anisan’ny mampiavaka antsika Malagasy amin’ny firenen-kafa ity resaka fihavanana  ity ary mampiaiky an’izao tontolo izao fa saro-bahana ny fihavanana Malagasy. Ka na dia nisy aza ireo tetika maro samihafa entina hanasaraham-bazana ny samy Malagasy dia tsy tanteraka izany fifandrafiana ny samy mpiray tanindrazana izany.

Ankoatry ny fihavanana amin’ny  alalan’ny Faditrà na fatodrà, hifanaovan’ny olona roa tonta na olona roalahy, na roavavy, na lahy na vavy ho enti-mañatsara ny fihavanana (satria na dia olon-droa no mifatidrà na mifatodrà ), ny fihavanana Malagasy dia mitatra ary mitohy ho azy eo amin’ny vahoaka na fokonolona rehefa nampiraisin’ireo olon-droa ireo izany fihavanana izany.

Amin’izao fotoana iainantsika izao dia sady mampalahelo sy manahirantsaina fa somary goragora sy ravarava ny fihavanan’ny Malagasy; hita fa tsy miseho miharihary anefa  izany, ary somary miharatsy mihitsy aza.

Tsy voatanisa ny antony mahatonga izany araka ny fantatra : anisan’izany ny fitiavam-bola tanteraka sy tafahoatra ka manjary hanarian-kavana, manampy trotraka ihany koa ny raharaha politika, ka raha tsy iray làlana amiko dia tsy izy.

Na dia eo aza izany dia soa ihany fa mbola misy ny fihavanana Malagasy tsy tontan’ny ela ary tsy simban’ny arafesina sy ny bobongolo,  dia ny Zivan-drazana izany. Maro no efa tsy mahalala izany  ankehitriny na dia efa olon-dehibe izao aza, fa efa variana amin’ny fahasarotam-piainana sy ny fanatontoloana. Mahafantatra ny amin’ity teny Ziva ity avokoa ny maro manerana ny nosy, izay Fihavanana manan-kasina amin’ny Malagasy.

 

TOY IZAO NO FILAZAN’NY ISAM-PARITRA AZY :

  • Ziva sy lohateny hoy ny njoaty Antakarana
  • Ziva-lohateny Fanjivana –Zaka vala hoy ny tsimihety
  • Tsy maty manota – lohateny (fifanekem-pokonolona ) hoy ny Merina
  • Ziva hoy ry zareo avy ao Ambongo Morondava
  • Ziva hoy ny Sakalava
  • Fañompa – Soman-dRaza hoy ny Tesaka
  • Olo-miray  – Fañompa hoy ny Antemoro

Indro kosa ireo isam-poko manana fihavanana amin’ny alalan’ity Ziva ity, fa izany no hahafataran’ny maro azy amin’ny ankapobeny.

1- Ireo Vazimba dia Ziva  amin’ireo Beosy sy Makoa

2- Ny foko Antañandrano na Tanandrano dia mpiziva amin’ireo Beosy sy Betsileo

3- Ireo Kanjemby, izay Vezo avy amin’ny tapany Avaratry Tambohorano faritany Mahajanga dia Ziva amin’ireo Sandrangoatsy avy ao Kinkony .

4- Ireo Kanjemby avy ao Besalampy dia Ziva amin’ny foko Maromena avy ao Besalampy ihany sy ireo Beosy

5- Ireo Kanjemby amin’ny faritra morontsiraka dia Ziva amin’ireo Antalaotra sy Komoriana (Ajojo)

6- Mbola ao Besalampy ihany, ireo Kanjemby dia mpiziva amin’ny taranaky ny Tsianova

7- Ireo Maromena ao Besalampy dia Ziva amin’ny taranaky ny Manonga

8- Ny taranaky ny Manonga dia Ziva amin’ ny taranaky ny Marolahy

9- Ny taranaky ny Andrafanga dia Ziva amin’ny taranaky ny Kinfotso

10- Ny taranaky ny Tsimanondriky dia Ziva amin’ireo Vezo sy amin’ny taranaky ny Andrafanga

11-Ireo Sandrangoasty avy ao Mitsinjo dia Ziva amin’ireo Kanjemby avy ao amin’ny helodranon’ny Maroambitsy, ireo Matihazo, sy ireo Tambondro Avaratra ary ireo Jongoa

12- Ireo Matihazo dia Ziva amin’ireo Antemamaliky ao Mitsinjo

13- Ireo Antirengy dia Ziva amin’ireo Mandravà avy ao Soalala

14- Ireo Manañadabo, ankilany ary ireo Betsiboka, andaniny dia Ziva amin’ireo Marolaka

15- Ireo Marotokiky dia Ziva amin’ireo Tsiaronjy na Tsaronjy

16- Ireo Sambarivo dia Ziva amin’ireo Tongoa

Avy amin’ny foko TSIMIHETY

17- Ireo Antevongo tambohitsy dia Ziva amin’ireo Antevinañy tompon’ny vinàñy

18- Ireo Zafindrano (taranaky ny rano) dia Ziva amin’ireo Zafindravoay (taranaky ny Voay)

19- Ireo Zafindramahavita dia Ziva amin’ireo Jongoa (Sakalava)

20- Ireo Antotolàny (tokotelo) dia Ziva amin’ireo Antelampy (avy amin’ny Vato) sy ireo Makoa

21- Ny foko Antakarana dia Ziva amin’ireo Anjoaty sy ireo Zafitsimeto

22- Ny foko Betsimisaraka dia Ziva amin’ny foko Betsileo

23- Ny foko Sihanaka dia Ziva amin’ireo Betsileo sy ireo Makoa

24- Ireo Marofotsy, avy ao amin’ny foko Sihanaka dia Ziva amin’ny Sakalava Manañadabo

25- Ny foko Betsileo dia Ziva amin’ny foko Antesaka, indrindra fa ireo Tesaka Rabehavana, izay Zivan’ireo Makoa sy ny foko Betsimisaraka

26-Fa ireo Betsileo Antañandro dia Ziva amin’ireo Beosy

27- Ny foko Merina dia tsy nahalala, na niniana tsy mampahalalaina ny atao hoe Ziva (mety anisan’ny tetik’ady mahery vaika hanokana-monina azy ireo izany). Nefa ara-tantara dia Ziva amin’ireo Vazimba sy ireo Makoa izy ireo. Eo koa ireo Antehiroka taranaka Vazimba dia mpiziva amin’ireo zanak’Andriana, ary lohateny amin’ireo Ajojo.

Ny foko Merina ihany koa dia Ziva amin’ireo Sakalava Boeni. Ny manamarina izany ka voasoritra tsy hay nofafana dia ny fiteny eto Imerina raha sendra misy olona maty ka ataony hoe “Sakalava robaka”. Raha tsy mpiziva ry zareo fahiny dia tsy ho nitoetra mihitsy io fombam-pitenenana io. Io ilay Fañompa ifamatoran’ny mpiziva.

28- Ny foko Antemoro dia Ziva na lohateny (na Fañompa) amin’ireo Makoa,

29- Ireo Anakara dia fañompa amin’ireo Antevandrìka

30- Ireo Antevandrìka dia Fañompa amin’ireo Zafiraminia

31- Ny foko Antesaka dia Fañompa amin’ireo Betsileo sy ireo Mahafaly

32- Ireo Sahafero dia Ziva amin’ireo Rabehava

33- Ireo Tiara dia Ziva amin’ireo foko Bara Tevohobe

34- Ny foko Bara dia Ziva amin’ireo Manendry, izay taranaka Vazimba

35- Ny foko Tanôsy dia Ziva amin’ireo Tandroy,  sy ireo Tandramanàka

36- Ireo Telamaro dia Ziva amin’ireo Tandramanàka

37- Ireo Temananteny dia Ziva ny foko Betsileo

38- Ny foko Tandroy dia Ziva ny Tanôsy

39- Ireo Ivondrobe dia Ziva amin’ireo Karimbola

40- Ireo Karimbola dia Ziva amin’ireo Tandroy Tetreso

41- Ireo Mahafaly dia Ziva amin’ireo Tanôsy  sy ireo Tesaka

42- Ireo Sianamavo dia Ziva amin’ireo Tetsiraraka

43- Ireo Tevohitse dia Ziva amin’ireo Tameantsoa

44- Ireo Zanakanga dia Ziva amin’ireo Temilahe

45- Ireo Temitongoa dia Ziva amin’ireo Tefaho , Andrianjoho , Tefoli , Sambaindrano

46-  Ny foko Makoa dia Ziva amin’ireo Temoro, Betsileo, Merina ary koa ireo Antimahory ( izay tonga avy any Mayotte) Comores.

47- Ireo Zaramanaga dia Ziva amin’ireo Tesaka sy Temoro.

Hita sy fantatra amin’izany ary fa saika voafaritry ny fihavanana amin’ny alalan’ity ziva ity avokoa ny Foko manerana ny Nosy mantolo. Somary natory na nampanginina izy ity tamin’ny andron’ny Fanjanahatany mba hampifandrafisana ny samy Malagasy. Foko manan-kasina daholo ny monina eto amin’ity Nosy misy antsika ity, ka tsy mendrika ny ady an-trano, na amin’ny fomba sy endrika samihafa. Satria Nosy iray, tsy azo sarahina na zarazaraina.

Tsara ho marihina manokana ny fihavanan’ny Antemoro sy ny aty am-povoatany, indrindra fa ny Merina. Fihavanana nisy hatrany am-piandohana io, fahiny elabe, ary na dia ny tendrombohitra roa ambin’ny folo (12) eto Imerina aza dia saika misy rà Antemoro avokoa .

Misy hevitra tsara asiam-panitsiana ihany koa ny tamin’ny fotoana nipetrahan’ny Antemoro ho Mpanolon-tsaina teto Imerina. Tsy Andriamahazonoro irery na ny Anakara irery ihany no notendren’Andrianampoinimerina ho “Andriamasinavalona” tamin’ny 1188 (taona Hazira):  fa ny foko Antemoro manontolo (jereo ny boky nosoratan’ingahy Kasanga Fermand).

Tiana ambara sy amafisinay etoana fa ny Foko Antemoro dia anisan’ny nahay nandrindra fihavanana sy nahay nampihavana ny mpiray tanindrazana Malagasy hatrany amboaloany ka mandraka ankehitriny. Azo hamarinina izany manerana ny Nosy, toy ny Foko Mahafaly- Menabe- Tanôsy- Antambahoaka- Sihanaka- Merina- Betsileo- Tanala- Tesaka- Tefasy- Tsimihety – Antakarana – Zafisoro –Bara –Tandroy- Vezo- Sakalava (fito karazana) dia namitrahany fihavanana avokoa.

TENY FAMARAÑANA :

Ny ZIVA dia fihavanana avy amin’Andriamanitra sy ireo Razana teo aloha.

Fa ny Fatidrà kosa dia nataon’ny olona mpifankatia ho fihavanana vaovao.

Ary ny Fiandrianana dia fanomezana sy tolotra  avy amin’Andriamanitra fa ny maha Mpanjaka kosa dia Tendry sy safidy nataon’ny olombelona.

Koa na dia tsy Mpanjaka aza ny olona iray dia efa Andriana izy, ary manana ny fiandrianany.

Ary misy koa efa Andriana ilay olona no sady voatendry na voafidy ho Mpanjaka.

Ny havanareo,

Printsy Jobily RAKOTOSON

Une grande figure et « raiamandreny » de la nation s’est éteinte. Il s’agit de Jobily Rakotoson qui vient de décéder, hier lundi 27 janvier 2020 à l’âge de 95 ans. Hospitalisé depuis quelques semaines suite à une maladie qui le rongeait depuis un certain temps, il a rendu son dernier soupir à l’HJRA d’Ampefiloha.

Jobily Rakotoson était parmi les fondateurs de l’association des « Raiamandreny Mijoro » pendant les crises de 2002, puis membre du « Comité du Fampihavanana Malagasy » (CFM) dont il en est le doyen d’âge.

Sa dépouille mortelle sera veillée à son domicile d’Ambohipo avant d’être acheminée, demain mercredi 29 janvier vers son village natal à Vohipeno où il sera également inhumé.

La rédaction de l’Agence Malagasy de Presse (AMP) présente ses sincères condoléances à la famille de cet illustre défunt qui, on peut le dire, a laissé son empreinte dans la marche des affaires nationales.

(source: AMP)

PS:

Une précision concernant le décès de Jobily Rakotoson nous a été notifiée par la famille. En fait, cet illustre défunt a fait une chute, samedi dernier, à la suite de laquelle il a été hospitalisé d’urgence à l’HJRA. Malheureusement, cette chute lui a été fatale et les médecins n’ont pu que s’en remettre à la triste réalité.

Toutes nos excuses à la famille et encore une fois, nous lui renouvelons nos sincères condoléances. Pour rappel, la dépouille mortelle de Jobily Rakotoson sera transférée aujourd’hui à Vohipeno où il sera également inhumé.

Jean René, « Mpanjakamena » des Betsimisaraka

Publié le Mis à jour le

Durant les XVIIe et XVIIIe siècles, la côte Est malgache sert plus d’une fois de refuge à diverses bandes de pirates de l’océan Indien. Dans ces zones de contact, les Zana-Malata (enfants mulâtres) descendants des pirates, réussissent à s’organiser au XVIIIe siècle et à dominer les clans voisins des Tsikoa.

L’un d’eux, Ratsimilaho (ou Ramaromanompo) s’empare de l’autorité à Fenoarivo puis à Toamasina. Les habitants vaincus de la région sont nommés Betanimena et Ratsimilaho appelle Betsimisaraka l’ensemble de ces populations qui le suivent du Nord au Sud. Après sa mort en 1749 ou 1750, ses descendants, Zanahary puis Iavy vivent principalement d’un commerce basé sur la traite, mais aussi du pillage organisé vers les Comores et l’Afrique de l’Est; expéditions pour lesquelles se réunissent de véritables flottilles de grandes pirogues. Iavy meurt en 1791; en 1803, la mort violente de son fils Zakalova livre le pays à l’anarchie.

Le royaume se réduit pratiquement à la région de Fenoarivo et de Foulpointe. C’est la période que choisit opportunément Jean René pour apparaître sur la scène politique. Jean René est né à Taolagnaro vers 1773. Il est le fils d’un Français nommé Boucher, agent de la Compagnie des Indes, et d’une Malgache Tatsimo (du Sud). Il étudie à l’Ile de France (Maurice) jusqu’à 15 ans. Son père l’envoie alors à Foulpointe où Dumaine, agent du gouvernement français, l’emploie dans ses « bureaux ». Comme Foulpointe est abandonné par les Français entre 1790 et 1795, Jean René regagne l’Ile de France. Il se retrouve en 1798 comme jeune traitant à Toamasina. De 1807 à 1810, il assume les fonctions d’interprète pour le compte de Sylvain Roux, l’agent français. Le 11 février 1811, les comptoirs français de Toamasina sont fermés après la soumission des autorités françaises en place à la flotte anglaise. Cette situation permettra à Jean René, sans emploi, à son frère Fiche (Fisa, chef de l’Ivondro) et à leur neveu Coroller d’acquérir une certaine importance en pays Betanimena. Lire la suite »

Le Droit international: « notre vie à tous »

Publié le Mis à jour le

Dérive de l’Iran vers le comportement US et israélien

Au-delà de l’épreuve de force à laquelle se livrent Washington et Téhéran, Thierry Meyssan met en évidence le changement profond de comportement de l’Iran. Ce pays, jadis sourcilleux sur le respect du Droit international, l’ignore aujourd’hui, rejoignant ainsi les États-Unis et Israël qui ne l’ont jamais admis.

L’Iran captait l’attention du monde entier lors de ses interventions devant les Nations Unies. Il portait haut les couleurs des peuples face à l’impérialisme. Il ne reste rien aujourd’hui de cet héritage.
Le président Mahmoud Ahmadinjed à la tribune de la 65ème session de l’Assemblée générale de l’Onu, le 23 septembre 2010, remet en cause la version officielle des attentats du 11-Septembre 2001 aux USA.

Les 195 États membres de l’Onu prétendent vouloir résoudre leurs conflits sans recourir à la guerre, mais au Droit. Celui-ci repose depuis sa création par la Conférence de La Haye de 1899 sur une idée simple : de même que les particuliers —y compris les dirigeants politiques— acceptent de se préserver de la guerre civile en se soumettant au Droit national, de même les États peuvent se préserver de la guerre en se soumettant volontairement au Droit international.

Par « Droit international » j’entends les procédures qui régissent les relations entre les États, pas celles qui, de Nuremberg au TPI, légalisent le jugement des vaincus par leurs vainqueurs.

Trois membres de l’Onu affichent désormais leur incompréhension du Droit international, tandis que d’autres n’y font plus référence et, après avoir dénaturé le concept de « Droits de l’homme » [1], préfèrent un « multilatéralisme fondé sur des règles » [2].

Trois États hors du Droit

Lire la suite »

Trump’s defense team makes case for just 2 hours

Publié le Mis à jour le

The House impeachment managers filed more than 28,000 pages of trial records with the secretary of the Senate.

Explosive recording appears to show Donald Trump say about ambassador to Ukraine: ‘Take her out’

Doctrine de la Création et théories de l’évolution

Publié le Mis à jour le

Un certain débat public est apparu lorsque le Président de la République Malgache n’a plus prêté serment sur la Bible. De même, la théorie du genre que les députés ont introduit en votant une loi contre la violence entre les conjoints, sans introduire la notion de père et mère, a ébranlé l’opinion publique. Nous essayerons donc de montrer, qu’il y a à la source un débat philosophique entre la doctrine de la Création et les théories de l’évolution.

Le Révérend Père Jery Ramaholimihaso, SJ

Dans ces évènements, en fait on a insidieusement abandonné la doctrine de la Création pour le relativisme introduit par le monde en évolution. Il en est ainsi des progressismes qu’il soit scientifique ou moral, des dialectiques de l’histoire prônées par le marxisme. Comme quoi, selon ces théories, la vérité s’est érigée progressivement et il n’y a pas de vérité éternelle.

Ainsi, pour l’initiation de ceux qui veulent entrer en franc maçonnerie, ils doivent d’abord renier cette doctrine de la Création et de professer le relativisme évolutionnisme érigé en dogmes : « aucune vérité n’est indiscutable et aucune croyance n’est à l’abri du doute ». Dès lors, celui qui s’engage en franc-maçonnerie renonce à la doctrine de la Création ainsi que son credo catholique : « Je Crois en Dieu le Père Tout Puissant Créateur du Ciel et de la terre, de l’univers visible et invisible. »

Ainsi le mensonge d’État peut être justifié par les évolutionnistes, lorsque les circonstances le requièrent pour le progrès des hommes et la construction de la société.

Cependant la notion de nature et ainsi de loi naturelle qui relèvent du Dieu Créateur Éternel est au fondement du droit. Car il existe une loi qui est au-delà de lois positives inventés par les hommes. Le renier serait mettre le chaos dans la création. Dieu a créé l’homme et la femme depuis son éternité et l’institution du mariage a été voulue par Dieu.

Tout ce qui est, en fait relève du Créateur. Selon Parménide, un philosophe Grec, « l’Être Est, le non-Être n’est pas ». Seul Dieu est l’Être : « Je Suis celui qui Est ». Tous les êtres créés, ont été tirés du non-être. Chacun de nous peut affirmer avec certitude que notre existence a été tiré de notre non-existence. Notre existence n’a pas été tiré de notre père et de notre mère, mais du Créateur qui nous a donné l’existence. Ainsi je relève du genre humain.

Or, pour les évolutionnistes, la question se pose sur la primauté de la poule et de l’œuf. L’évolutionniste répondrait que c’est la poule qui a la primauté et que celle-ci descendrait du canard. Ce serait faire fi des lois de l’engendrement. Le genre poule engendrera toujours une poule. L’engendrement ne se fait qu’entre être du même genre. Les hybridations sont infertiles. Des chercheurs observant les souris irradiées suite à l’explosion de la centrale nucléaire de Tchernobyl n’ont pas observé de mutations génétiques malgré toutes les déformations des cellules dues aux radiations nucléaires. Les souris sont restées des souris après une centaine de génération successive.

L’engendrement ne peut s’expliquer matériellement. L’engendrement dans la création est d’origine spirituelle. L’engendrement dans la création est à l’image de l’engendrement éternel entre le Père et le Fils. Le Fils reproduit en Lui depuis leur éternité la volonté du Père. Ainsi tout couple homme et femme unit dans les liens du mariage engendre un enfant qui ressemblera aux parents dans le genre humain. Si la théorie de l’évolution selon Darwin est vrai que l’homme descend du singe, pourquoi n’avons-nous pas encore trouvé des hommes qui ont engendré des singes ? Il suffit de mettre les conditions matérielles inverses de ce qui a provoqué cette évolution. Mais nous avons là la permanence de la nature et donc du genre humain.

Sortir de la Doctrine de la Création ne fait que faire entrer le mensonge dans le monde.

Madagascar, après 50 ans d’indépendance, a voulu le développement, la sortie de l’impérialisme, le progrès technique, l’industrialisation, le socialisme, le libéralisme économique, la mondialisation, le « fitiavan-tanindrazana », etc. sans que toutes ces idéologies humaines aient apportées une amélioration des conditions de vie de la population et au contraire n’ont apporté que la dégradation des conditions de vie : corruption, égoïsme, violence. Les malgaches ne trouveront la paix que s’ils se tournent vers le Créateur pour le louer, le respecter et le servir.

RP. Jery Ramaholimihaso SJ

‘(source: Lakroan’i Madagasikara du 19 janvier 2020)

Coronavirus chinois: ce qu’il faut savoir

Publié le Mis à jour le

Virus similaire au Sras qui a déjà sévi il y a une génération.

Entre 2002 et 2003, le Sras faisait près de 800 morts dans le monde et surtout en Asie. Ce virus est en fait très proche de celui qui touche actuellement la Chine.

Epidémie de coronavirus: L’alerte mondialel

Norbert Lala Ratsirahonana: famintinana ny làlan’ny antoko AVI

Publié le Mis à jour le

Fihaonambe nasionalin’ny Antoko AVI (24 Janoary 2020) tao amin’ny Hotel Carlton, Anosy

Le parti est toujours debout, dixit son président fondateur

Le parti Asa Vita no Ifampitsarana (AVI) est toujours debout et il est bien vivant, a déclaré Norbert Lala Ratsirahonana, président fondateur de cette formation politique lors de l’Assemblée Générale du parti hier. L’AVI n’a cessé de participer à la vie nationale notamment aux échéances électorales.

Les résultats des élections communales et municipales de novembre 2019 confirment son poids. L’AVI a en effet obtenu une centaine de sièges pour ses 90 maires et 400 conseillers dans 250 communes. Ce qui le place au rang de 4e force politique du pays, selon les explications de Norbert Lala Ratsirahonana. Le numéro un de l’AVI qui a d’ailleurs confirmé que son parti continue de soutenir le Président de la République Andry Rajoelina.

Norbert Lala Ratsirahonana a apporté son avis face aux différentes critiques acerbes à l’encontre du régime après un an de mandat. Pour lui, ce sont des reproches mal placés, du fait qu’on ne peut pas développer le pays en un an. Il espère par ailleurs que le Président de la République Andry Rajoelina doublera d’effort dans le développement du pays.

Le parti AVI a organisé une assemblée générale nationale sous le thème «le parti AVI face à son trois décennie», hier, à l’hôtel Carlton Anosy. Les maires et les conseillers municipaux élus sous la bannière du parti AVI, ont participé à cette séance. Lors de son discours, le fondateur de ce parti a donné des consignes aux élus. Il a rappelé que son parti reste fidèle à ses principes dont la bonne gouvernance, l’Etat de droit, et le respect des droits humains.

Norbert Lala Ratsirahonana a invité ces élus à agir dans le respect de ces principes. Les maires et les conseillers municipaux sont des acteurs importants dans le développement des communes. Pour permettre à ces élus locaux d’agir dans les règles de l’art, le Ministère de l’Intérieur et de la Décentralisation a élaboré un nouveau guide pour les accompagner.

Il constitue un instrument indispensable pour la mise en place d’une bonne gouvernance. Ce guide permet de connaître le fonctionnement du conseil municipal, les attributions du maire et comment établir un budget communal. Les maires et les conseillers municipaux du parti AVI sont les premiers à en recevoir.

Vola R. (Ma-Laza)