Andriantsilavonandriana

Ny Lalàna «DIMIVENTISITELONJATO» tamin-dRanavalona-II

Publié le Mis à jour le

Ankatoky ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantena dia tsara raha mihady levenambola mba tsy ho poakaty ny hambompo miatrika ny 26 jona. Fa efa nisy tokoa ny Tantara talohan’ny 26 jona 1960. Efa nisy tokoa ny firenena talohan’ny 6 aogositra 1896 sy ny 1 oktobra 1895. Eny, efa nisy Fanjakana teto talohan’ireo jeneraly vazaha, Duchesne sy Gallieni.

«Didimpanjakana tamy n’Andrianampoinimerina sy Lahidama ka tsy ovako hoy Ranavalomanjaka», tamin’ny 17 adijady 1828. Nanaraka avy eo ny Lalàna tamin-dRasoherimanjaka (26 adaoro 1863). Ny «Lalàna 101» (18 alakarabo 1868) no nisantaran-Ranavalona II ireo Didy maro tamin’ny androny : «Didy nomen-dRanavalomanjaka ho an’ny Sakaizambohitra (1878), «Ny Didy hotanan’ny Governora eto Imerina» (1889). Fa ny tsangambato goavana indrindra dia ny «DIMIVENTISITELONJATO», tamin’ny 29 marsa 1881, izay nanana andininy niisa 305, araka ny anarany sy ny fomba fanonona isa (venty) tamin’izany.

Mpanjakavavy Ranavalona-II

Kabary miezinezina teo amin’ny kianjan’Andohalo no namoahan-dRanavalona II ny lalàna «Dimiventisitelonjato», nialohavan’ny fampahafantarana ireo Ministera sy «Ny Mpanao Raharaham-panjakana» isan-tokony. Ny Ati-tany, Ny Amy ny Vahiny, Ny Amy ny Miaramila,  Ny Mpitsara, Ny Lalana, Ny Fanaovan-taozavatra, Ny Amy ny Volam-panjakana, Ny Amy ny Sekoly : io no Governemanta malagasy voalohany nanaraka ny firafitra «moderne».

Tamin’izany ny olona dia notakiana «Vidin-doha» sy «Tovotr’Andriana» raha tsy nanaja ny fiandrianan’ny Mpanjaka. Tsy mba nanonta vola ny Fanjakana malagasy fa nampiasa ny vola vahiny maro tafiditra teto ary nomeny anarana araka izay sary aminy : ngita, tanamasoandro, tsanganolona, tokazo, malamakely, behatoka, tombotsisina (andininy faha-160). Tamin’izany ny volatsivaky, fanatitra ho Hasina, no narendrika nanefena ny lakambola hanafenana ny Andriamanjaka niamboho.

Ny andininy faha-59 sy faha-61 ary faha-62, nametraka ny Andrianteloray, andaniny, ary ny Zanadralambo amin’Andrianjaka, ankilany : «Andrianteloray dia tsy mahazo mifanambady raha tsy samy izy iray foko» ; «Ny Zanadralambo amin’Andrianjaka tsy mahazo manambady foko hafa afa-tsy izy iray foko hiany» ; «Raha misy Andrianteloray nanambady Zanadralambo amin’Andrianjaka, na Zanadralambo amin’Andrianjaka nanambady Andrianteloray, talohan’izao Didy izao, dia tsy azo arahina sy tsy azo atosika».

Ny andininy faha-74 mandrara ny vata famarana tsy mitovy amin’ny «Menalefona», izay vata famaran’ny Fanjakana. Efa asa ratsy hatramin’izany andro izany ny vata roa, «famoahana sy fampidirana», ny «mizana mandainga», ny «vato tsy marina». Ny andininy faha-80 dia milaza ankolaka fa efa vita rafitra vato Manjakamiadana : «Ny famataranandro izay eken’ny Fanjakana ho fotoana, dia araka ny famataranandro ao Manjakamiadana».

Ny andininy 101 ka hatramin’ny 106 dia miaro ny ala : mandrara ny fandorana ny ala, mandrara ny fijinjana ny hazo vaventy ho atao arina, mandrara ny fanaovan-trano honenana anaty ala, mandrara ny tevy ala hambolena vary na katsaka na voly hafa.

Ahitana ny fomba fanoratra ny teny malagasy tamin’izany. Mirakitra ihany koa fomba efa very tadidy : «mitsoa-bato sy orim-bato ary ambadikinimanareza», «menakely sy vodivona», «lohombintany sy ko-drazana», «ny tolo-bohitra sy ny andohariana», ny «harena nomem-bazo» very ho «haren-danim-bazo», ny «fanambadiana entin-doloha», ny «tongoamihonkon-drazana, dia ny isam-pangady sy ny haren’ny mati-momba sy ny vodihena»…

Ny andininy mamehy ny fahendrena tamin’izany dia ny faha-263 : «Ny Lalàna sy ny Fomban-tany izay fanao hatramy ny ela, ary mbola arahina mandrak’ankehitriny, na dia tsy voasoratra amin’ity Lalàna ity aza, dia mbola Lalàna velona izany sy Fomba arahina».

(source: Nasolo-Valiavo Andriamihaja lexpress.mg)


Code des 305 articles promulgué par la reine Ranavalona II

Takeaways from meeting with Pope Francis and G7 leaders on AI

Publié le Mis à jour le

Friday marked the second day of the G7 summit in Southern Italy. The leaders of the world’s major democracies and their allies discussed migration, economic security and tensions with China, and participated in a working session on artificial intelligence with Pope Francis.


Discours du Pape François au Sommet du G7 – Italie

Ce vendredi 14 juin 2024, le pape François se rend à Borgo Egnazia, dans la région italienne des Pouilles, pour participer au sommet du G7, qui réunit sept grandes puissances économiques mondiales. Le Pape prononcera un discours lors de la session consacrée à l’intelligence artificielle, ouverte aux pays non-membres. C’est la première fois qu’un pape intervient au sommet du G7.

Herinjara Y. Rajaonson: Attribution du Prix de thèse 2024 du Conseil constitutionnel français

Publié le Mis à jour le

Prix de Thèse 2024  du Conseil Constitutionnel français attribué à Mr. Herinjara Yannick Rajaonson pour sa thèse intitulée « Le principe de responsabilité dans la jurisprudence du Conseil constitutionnel », soutenue à l’Université de Montpellier sous la direction du Professeur Alexandre Viala.

L’heureux récipiendaire, Herinjara Yannick Rajaonson, avec les éminents membres du Jury..

https://www.facebook.com/share/p/w6tUZYNUgcvxnM59/

Conseil constitutionnel français

L’Union européenne a-t-elle un avenir ? | L’Europe dans l’œil du cyclone avec Arancha González

Publié le Mis à jour le

Alors que près de 360 millions de citoyens sont invités à voter aux élections européennes de juin, l’Union européenne affronte de multiples crises : montée des inégalités, des populismes, perte d’influence sur l’échiquier international, retour de la guerre à haute intensité … Ces turbulences incitent à s’interroger sur la teneur, voire sur la viabilité du projet européen.


Qu’est-ce que la souveraineté? Et la nécessité de l’intégration, ou de la convergence?

Alors que près de 360 millions de citoyens sont invités à voter aux élections européennes de juin, l’UE affronte de multiples crises : montée des inégalités et des populismes, perte d’influence sur l’échiquier international, retour de la guerre à haute intensité à ses portes… Ces turbulences incitent à s’interroger sur la teneur, voire sur la viabilité du projet européen. Dans ce contexte incertain, cette collection de six entretiens menés par la journaliste spécialiste de l’Europe Nora Hamadi et enregistrés en public à la Gaîté Lyrique s’efforce de donner des clés de lecture. Abordant le clivage créé par l’enjeu climatique avec le politologue Jean-Yves Dormagen, la menace de l’intelligence artificielle pour la démocratie avec le chercheur Hugo Micheron, la défense européenne avec sa consœur Alexandra de Hoop Scheffer, l’affirmation du Sud global avec la chercheuse Aude Darnal, un récit européen en panne avec la philosophe Lea Ypi et l’avenir de l’UE avec l’ex-ministre des Affaires étrangères espagnole Arancha González, ces interviews approfondies, complétées par des questions de l’assistance, éclairent aussi les enjeux liés au prochain scrutin.

Justice internationale (CIJ) – Palestine

Publié le Mis à jour le

Reconnaissance de la Palestine – La plus haute juridiction de l’ONU ordonne à Israël de stopper son offensive à Rafah. Elle évoque une possible « destruction physique » des Palestiniens de Gaza. Elle réclame aussi la libération immédiate et inconditionnelle des otages du Hamas. Décryptage.

Vovonana Firaisankina, namaly ny antson’ny Ambasadaoro amerikana: « henjakenjana ny fifampidinihina »

Publié le Mis à jour le

Naharitra ora roa ny fihaonana teo amin’ny roa tonta araka ny taterin’i Paraina Auguste, Filohan’ny Antoko Tsara tahafina. Nokianin’ny Vondrona mafy ny « position » ny Fikambanana iraisampirenena. Andrasana ny tohiny …