Tsy misy drafitra mazava itondrana ny fanavaozana
Nanatanteraka ny fivoriana ara-potoana voalohany tamin’ity taona 2026 ity ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara, ny 8 hatramin’ny 13 mey. Nivoitra tao anatin’ny hafatra navoakan’izy ireo, taorian’izany, ny ahiahy sy ny fanantenana iainan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Nambaran’izy ireo fa mbola misy ny hetaheta fanavaozana eo amin’ny vahoaka, saingy mihamaro ihany koa ireo zava-misy mampametra-panontaniana ny maro momba ny tena lalan-kizoran’ny fitondrana. Notsiahivin’ny Eveka fa nisy ireo hetsika sy fanapahan-kevitra nampamokatra fanantenana tany am-piandohan’ny fitondrana ankehitriny. Anisan’izany ny fanandratana ny fiandrianam-pirenena, ny fihenan’ny fahatapahan-jiro sy rano tamin’ny voalohany, ny fanamboaran-dalana ary ny fijerena akaiky ny sehatry ny fanabeazana sy ny mpiasam-bahoaka.
Na izany aza anefa, maro amin’ireo olana efa nahazatra ny Malagasy no mbola hita sy toa vao mainka mihamafy aza. Voatanisa amin’izany ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fahasahiranan’ny tantsaha, ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly ary ny ady seza sy kiantranoantrano eny amin’ny sehatra politika. Notsikerain’ny Eveka ihany koa ny fampanginana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana sy ny fihanaky ny teny manavakavaka sy mampisara-bazana, indrindra eny amin’ny tambajotran-tserasera. Araka ny nambaran’izy ireo dia manjary mipetraka ny fanontaniana hoe : “Fihavaozana sy fanavaozana mankaiza ?” satria tsy mbola hita mazava ny tena drafitra hitondrana ny firenena amin’izany fanavaozana izany.
Mpitondra sy vahoaka mahay maka lesona
Ho an’ny Fivondronam-ben’ny Eveka, tsy tokony hijanona amin’ny kabary politika na fampanantenana an-kianja ny fanavaozana. Tokony hiainga amin’ny fiovan-toe-tsaina sy fomba fiasa eny ifotony izany. Notsindrian’izy ireo fa ilaina ny fampandeferana ny hambom-po sy ny fiavonavonana, ary ny fanekena fa “antsika rehetra i Madagasikara”. Tsy ny mpitondra ihany no tompon’andraikitra amin’ny fihavaozana, hoy ny hafatra, fa ny olom-pirenena tsirairay ihany koa. Na izany aza, ny mpitondra no tokony hanome ohatra voalohany amin’ny fanajana ny marina sy ny rariny ary amin’ny fitandroana ny tombontsoam-bahoaka. Lire la suite »