Malagasy

« Iles éparses » teo amin’ny Antenimieram-pirenena

Publié le Mis à jour le

FAMELABELARANA nataon’Andriamatoa Joel Harison Marie René – Filohan’ny CRAM, na Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar, nanoloana ireo Solombavam-bahoakan’i Madagasikara nandritra ny « séance pleinière » ny 18 Desambra 2015 tao amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza.

« Faly miarahaba anao Andriamatoa Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ianareo Mpikambanana amin’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ary ianareo Solombavam-bahoakan’i Madagasikara rehetra manatrika anay etoana. Maneho fisaorana feno amin’ny fandraisana anay.

Ny anjara fitenenako dia ny famelabelarana ireo olana fototra manodidina ny resaka Iles Eparses (Nosy Malagasy) sy ireo vaha-olana maharitra hatolotray. Lire la suite »

Nos Chefs d’Etat depuis 1960

Publié le Mis à jour le

 

Nos Chefs d’Etat depuis l960 National Anthem« Madagascar, a place like no other one », Click for a glance

 

 

TSAROVY ! 26 Juin 2020

Tsarovy fa fihodinkodinana
no didy mitondra ny tany:
fiakarana sady fidinana,
korontana ambony sy ambany.

Ny ketraka, mora mivarina
miroraka, tonga kanosa!…
ny potraka, nefa tafarina,
ireny ka ”olona” kosa!

Dia olo-mandala ny lazany
no sady mitandro ny zony;
manandratra ilay Tanindrazany,
manondrotra an’io ho ambony.

Mandritra ny andro iainany
ka mandra-patoriny ho lo,
izany no hany fisainany,
fisainan-tsy maintsy ho to.

Ny Avana RAMANANTOANINA

 

 

Proclamation de la République malagasy: 14 Octobre 1958

Grand débat sur les îles éparses

Publié le Mis à jour le

Parmi les artisans de l’action diplomatique ayant conduit à la résolution des Nations Unies sur la rétrocession des îles éparses à Madagascar, le professeur Raymond Ranjeva, ancien vice-président de la Cour internationale de justice (CIJ), donne son point de vue sur le dossier dans l’émission « Salangalanga » du groupe l’Express de Madagascar.


Fifidianana Loholona: hatao ny 29 Desambra 2015

Publié le Mis à jour le

Araka ny notapahin’ny Filan-kevitry ny Governemanta dia ho tanterahina amin’ny faha-29 Désambra io fifidianana io mba ahazoana mametraka ireo andrim-panjakana rehetra voafaritry ny Lalàm-panorenana (Sénat, Haute Cour de Justice, Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie, sns…).  Ny Lapan’ny Loholona eo Anosikely

Tsiahivina fa ireo Ben’ny Tanàna sy Mpikamban’ny Filan-kevitra monisipaly sy kaominaly no ho mpifidy amin’izany, ary ny rafitra vao ho hatsangan’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fivoriana tsy ara-potoana tanterahany manomboka anio eny Tsimbazaza no hisolo ny CENI-T teo aloha. Ary satria voafetran’ny lalàna fa tsy azo atao eo anelanelan’ny 30 Novambra sy ny 30 Aprily (fotoam-pahavaratra) ny fifidianana eto Madagasikara, dia tsy maintsy notapahan’ny Filan-kevitra ambony momba ny Lalàm-panorenana fa misy ny antony tsy azo hanoharana (cas de force majeure), ka ho tanterahina ihany izany satria tsy ny olon-drehetra no hifidy fa ny mpifidy lehibe ihany.

R.M.

PDS niala: Edgar Razafindravahy, totoafon’ny mpanao gazety…

Publié le Mis à jour le

Raha tsiahivina dia kandidà tamin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena tamin’ny 2013 Atoa Edgar Razafindravahy, nifaninana tamin-dry Hery Rajaonarimampianina, Camille Vital praiministra teo aloha, Jean Louis Robinson minisitry ny Fahasalamana tamin’ny fitondran-dRavalomanana, Hajo Andrianinarivelo praiministra lefitry ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina, Sarah Georget Rabeharisoa vehivavy tokana nilatsaka, sy ny maro hafa koa…

Ny fikambanana noforoniny antsoina hoe « Arche de Noé » no nanohana azy tamin’izany (iray amin’ireo anarany ihany io, prénoms: Edgar Marie Noé!). Rahefa tsy lany izy dia notendren’ny Fitondran’ny Filoha vaovao Hery Rajaonarimampianina ho PDS-n’Antananarivo. Ka mialoha indrindra ny fifidianana izay ho Ben’ny Tanàna voafidim-bahoakan’Antananarivo indray ity resadresaka mahaliana ho raiketin’ny Tantara tao amin’ny fahitalavitra ity:

…Dia teraka ny antoko politika vaovao « Arche de la Nation » (ADN ihany, na Antoka sy Dinan’ny Nosy) manolotra ny sedra ho hatrehana sy ny vava asa miandry.

R.M.

TANIKO – Poopy sy Naivo (tantara sy tononkira)

Publié le Mis à jour le

Après sa surprenante conversion à la foi hébraïque, on peut la suivre en 2013 dans l’émission « Coulisse on Tv » ici…



Io no gasikara tsy atakalonay
Efa io no anjara efa io no lovanay
Tsy ilaozana ela fa tanindrazana
Ary tsy avela ho tany ngazana

Androy any, misy ny aloalo
Ny toerana any dia midadasika
Tsy misy rano fa mosarena any
Tsy mampaninona

Andrefana any andro mafana lava
Ka lambahoany no isalorana
Mavana mainto ala sy ravinala
Any atsinanana

Korana lava ny tsena ao Iarivo
Maro ny lapa azo tsidihina
Mahantamana ny moron-dranomasina
Any an-tseranana

Ou simplement connaître la famille de Josée Helihanta Ramahavalisoa, ici…